inona no mety kokoa?

1. pitchou ( 01/05/2005 15:26)
betsaka ny tanora sahiran-tsaina rehefa mahavita ambaratongam-pianarana iray, indrindra raha misy manery eo @ fiainana: hanohy fianarana ve (hatrany @ master, na doc) sa hiasa aloha? samy misy mahatsara azy sy maharatsy azy avokoa!
inona no metimety kokoa raha hiatrika ny sehatry ny asa?
novalian'i dadabe ny 30/05/2005 15:46
2. rakotokely ( 01/05/2005 16:50)
io miankina @ ilay mpianatra ihany , misy hoatran'ny manohy ve ra mbola mazoto saingy ny fiainana ko mandeha an
3. pika ( 02/05/2005 05:31)
miankina @ ilay olona ihany saingy ny mahasarotra ny fitadiavan'asa ankehitriny dia raha mahita ny meti2 dia aleo miasa, azo atao tsara koa anie ny sady miasa no mbola mianatra. mandram-pahafaty dia mianatra foana.
nefa hoy ilay fitenenana hoe"mandehana dia ny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony"
4. mamzelkely ( 02/05/2005 08:51)
amiko manokana dia ny manohy fianarana fôna no atao satria tsy very zany enao tant que mbola mianatra azo atao tsara ny mianatra no sady miasa ary na efa miasa ary ianao dia mbola mila mianatra fôna mba hiakarana bebe koko eo am fiainana
5. kally ( 02/05/2005 13:17)
Io arakarak'ilay fahaterena,raha tsy ampy fitaovana lava : boky tsy voavidy,sakafo iantohan'ny ray aman-dreny dia aleo aloha miasa,raha mahita asa afaka mivady @ fianarana aloha no tena tsara sady mianatra no miasa.
6. pitchou ( 02/05/2005 18:38)
le sady miasa aloha no mianatra d tena tsara raha araka e! satria ny fitakiana fisondrotana eo @ asa d tsy ny diploma ihany (raha tsy hoe mpiasam-panjakana :? ) fa indrindra ny fahaizana le asa sy ny traikefa hay mampiasa!
satria misy an'izao koa hitako: rehefa be diploma be le olona vao hanomboka hiasa d hanao raha tsy asa heveriny ho sahaza ny diplomany nefa ny tena marina tsy voafehiny le asa satria izy tsisy traikefa, ary tena vitsy dia vitsy (raha ny eto) no handray olona noho ny diplomany fa tsy noho ny fahaizany!
nefa koa ireo tonga d miasa mieritreritra hoe tahak'izay efa vita aloha ny izao ... saingy faly satria nahazo tombon-dalana teo @ traikefa!
7. kally ( 03/05/2005 20:52)
Ny tena angamba dia ny fahaiza-mifidy an'ilay asa atao voalohany satria betsaka ny ankizy manao hoe sady hianatra aho no hiasa,dia na asana "vendeuse" eny @ sinoa(tsy fanambaniako ny "vendeuse ",tsy misy asa ambany sanatria fa jerena koa ny fifandanjan'ny asanao sy ny fianaranao) aza dia lasa miasa dia kanjo rehefa elaela ajanona tanteraka ny fianarana fa hoe tsy araka moa ny asa sitrany ahay, dia ao tavela ao.
Ka izay no ataoko hoe na dia sahirana aza jereo sy fidio tsara ilay asa hatao voalohany.
8. Mandamina ( 04/05/2005 11:28)
raha mbola afaka mianatra sy mazoto de aleo mianatra fôna, ho ahy nanokana alo zao de heveriko fa antonony raha mianatra fôna hatramin'ny hafa 25 taona, avy eo miroso amin'ny vie proffessionelle amizay, ny fianarana mo tsy mety tapitra fa heveriko ho ampy tsara raha eo amin'io taona io no manomboka miroso amin'ny sehatry ny asa amizay, manana ny ampy tsara enao, ary ny zava-drehetra ihany ko misy fiantomboahany daholo ka aza mba dia miavon'asa loatra.
9. felicia ( 12/05/2005 23:08)
manao azy roa no hitako mety tsara...satria mianatra,mbola manampy fahaizana,fa miasa mab hananana experience...betsaka mantsy ny mpampiasa mitady olona manana experience surtout fa tsy hoe be diploma dia raisin'ny olona,na vendeuse ary izao mitady fananana experience daholo...hiasa fotsiny tsy manana minimun un diploma indray dia hitako hoe tsy hahafahana manana possibilité hisondrotana... :roll: izay aloha no fieritreretako azy e
10. pitchou ( 13/05/2005 20:40)
zà aloha otran'ny miombon-kevitra @ felicia e! raha ny contexte misy @zao fotoana izao, tsy ny eto ihany fa na ny any ivelany aza!
saingy mety ho leo sy vizana raha ela be vao vita le fianarana ko!
11. Angie ( 23/05/2005 08:44)
Tena marina daholo ireo voalaza ireo e. Misy mahatsara ny manao azy roa raha toa ka efa nahavita lay dingana voalohany ohatra hoe diploma fotsiny dia sady miasa. Fa le manenjika bitro roa koa ange ka mafy e maika fa telo: fianarana, asa, tokatrano...aoka re marina. Fa samy ialaina daholo ireo e.
Mahereza daholo e
12. pitchou ( 23/05/2005 17:57)
angie> 4 aky fa tsy telo a! mbola misy ny ankizy manko rehefa avy eo!
manahoana aloha ny tokantrano vao an-dry e!:-*
13. Angie ( 24/05/2005 07:46)
pitchou> ka ny ahy mbola telo alou zao fa rehefa tonga le fah4 tsy maintsy misy mihena ny iray @ le asa na le fianarana. :D
14. pitchou ( 24/05/2005 17:47)
marina aloha izany e!
15. mir ( 30/05/2005 12:00)
raha ny hevitro manokana indray aloha de aleo atao izy roa raha tena maharaka tsara satria! raha ny situation-ko zao de sady mianatra no miasa de mba sady mahazo expérience no mandrato ny fahaizana e!!! sady manao zay mety fa ny fiainana moa indray mandalo ihany koa!!
zay aloha e!
16. booboo ( 30/05/2005 13:53)
Ny anà koa dé hitako hoe tsara kokoa izy 2 :sady mahazo expériences hafa no afaka mitsinjo ny vody andro merika no mbola mianatra ahatongavana @ tanjona.Sady hafa mihitsy ilay hoe ianao no mitsikaraka na mbola eo aza ny rad sy ny havana etc. Fa tokony hifandanja ireo fa raha tsy zay hikorontana (reraka ny vatana, ...).
17. dadabe ( 30/05/2005 15:46)
zay !marina zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1472