raikitra izany fa dia hisy fihaonana ho an ny namana rehetra

1. ravatorano ( 27/04/2005 08:33)
eto antananarivo amin ny zoma hariva izao eny amin ny namana jaya eny ankazomanga eo akaikin ny fiangonana M.E.T.
Koa manasa antsika namana rehetra izany ho tonga amin io fotoana io izay manomboka amin ny 18h30 .
Raha mila fanazavana dia manorata eto ihany alohan ny hahatongavan ilay fotoana.
tena matotra io satria efa maro amintsika namana no mahalala izany fihaonana izany eo koa no hanapahana hevitra momba ny hetsika izay hatao manaraka ary irariana mba hahatongavan ny namana maro ivelan antananarivo.
Misaotra antsika.
novalian'i Tenio ny 30/04/2005 12:39
2. naritsimba ( 27/04/2005 12:59)
FANITSIANA
TSY ZOMA HARIVA ILAY IZY FA SABOTSY 30 AVRIL 2005.

Ny fotoana dia eo amin'ny arrêt bus Ankazomanga @ 18h ho an'ireo izay tsy mahita ny toerana.

Samia mitondra tsakitsaky(voanjo, Nem, sambos sns) ary ny jus ho sotroina aza adino.
Misaotra Tompoko.
3. iartistika ( 27/04/2005 16:34)
hafa ihany ny any am tanàna eh! :roll:
4. iartistika ( 27/04/2005 16:35)
naika hadinoko! rehefa mampakatra vera nareo de mba tsarovy ny tary eh!
5. dadabe ( 27/04/2005 16:44)
hatraty lesy io a
naritsimba >ataovy hoe lesy :iny ny an'i dadabe serasera a hihih
6. iartistika ( 27/04/2005 16:51)
ny an'ny razana iny ry bedada ah!! :-D
7. sasa ( 28/04/2005 08:41)
Za aloha tena te-handeha fa noho ny antony tsy miankina amiko dia tsy afaka aho satria tena tsy eto aho amin'izany Zoma hariva izany
Izay fa di mazotoa daholo ny namana rehetra
8. mailaky ( 28/04/2005 09:10)
Fa angaha moa tsy efa hoe Sabotsy hariva indray ilay fotoana e? Dia tonga dia tsy mody izany sa ahoana?
9. chipie1 ( 28/04/2005 10:12)
mazotoa miaona ee! :-P
10. naritsimba ( 29/04/2005 06:13)
sasa> mailaky> SABOTSY 30 AVRIL 2005 NO IZY KA DISO IO ZOMA IO.
NARITSIMBA
11. bichette ( 29/04/2005 11:39)
za koa izany tena te handeha .....
12. ravatorano ( 29/04/2005 12:03)
averina izany ilay fahadisoana nataoko trery ambony fa ny fihaonana karakaraiana ao ampin i jaya dia hatao eny Ankazomanga nyb Sabotsy 30 arily 2005 ho acy izao ka eo amin ny arret bus ankazomanga no fotoana amin ny enia ora hariva.
Ialako tsiny ny fahadisoana tamin ny daty eh
13. Tenio ( 29/04/2005 14:30)
De ahoana aloha ny fodiana @zany, raha @ zany 18h30 zany manko no manomboka dia mety ho alina vao mirava? sa mitohy ny fety? :)
14. Tenio ( 29/04/2005 14:34)
De ahoana aloha ny fodiana @zany, raha @ zany 18h30 zany manko no manomboka dia mety ho alina vao mirava? sa mitohy ny fety? :)
15. iartistika ( 29/04/2005 20:15)
parain'ny andro eh!!
16. Tenio ( 30/04/2005 12:39)
zahay vonona foana kah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2032