Ny honohono sy ny lalàna

1. hery ( 11/04/2005 10:28)
Raha ny fahafantarako azy dia misy lalàna mikasika ny privacy sy ny diffamation publique any Dago... tsy haiko na hoe voatery mitory ilay olona voakasika vao misy ny fanenjehana.

Hitako mantsy fa tato ho ato dia miha mitombo ny fidirana lalina amin'ny fiainan'olona (ohatra fotsiny Tantely Ramonjy, Jean-Marc Koumba, sns...) sady amin'ny lafiny privée mihitsy le izy no voakitikitika (fifandraisany amin'ny sipany na ny vadiny sns). Mety misy marina kanefa betsaka koa ny honohono.

Ka mba te hanontany aho hoe hatraiza ny momba an'io ao Madagasikara? Azo toriana tsara ve raha ohatra ka fantatra ny niatombohan'ny honohono?
novalian'i fijo ny 14/06/2005 03:55
2. rakarandoha ( 11/04/2005 10:54)
Misy ny lalana momba izany eto dago, fa ny olana de ny mpitondra ange no tsy manara-dalàna, ary ny zava-misy dia tsy misy mamorona akory hoe voaroaka i Jean Marc na hoe nanao X i Tantely fa zava-misy ireo matoa voaresaka.
Sa ny momba ny inona no tian'ny hery ho lazaina, sa misy olona tena mpamrona mihitsy eto?
Raha ny resaka sipa: ireny no nahavoa an'i bill clinton t@ resaka sipa, tsy azo atao ve izany ny mamoaka an'ireny fa manala-baraka raha toa ka tena mitombona le izy?
Aza dia tampenana ny mason'ny olona izay te hampafantatra ny marina ry hery !

Ra-Crane
3. hery ( 11/04/2005 11:18)
Ka izay mihitsy no tena somary sarotra amiko ny mieritreritra azy. Rehefa marina ve ilay zavatra dia tsy maninona intsony ny miteny azy an-gazety sns?

Ohatra fotsiny hoe misy olona iray sendra mahatratra anao niaraka tamina vehivavy hafa dia naka sary anao dia asehoony @ gazety... hafahafaha ihany kah
4. ds ( 11/04/2005 11:43)
Na honohono na tena marina ka mahakasika fiainan\'olona manokana (vie privée), dia tsy azo kasiana (tsy azo havoaka raha tsy mahazo alalana avy amin\'ilay olona). Afaka mitory ilay olona raha ohatra ka heveriny fa manimba ny sarin\'ny maha izy azy (droit à l\'image) ny famoahana vaovao marina na tsy marina momba azy. Zavatra hafa indray raha olona voaheloky ny fitsarana ary momba izay heloka izay no resahina. Jereo ohatra ny nahazo ny LGI raha namoaka lahatsoratra momba i Mamod Taki izy.
5. rakarandoha ( 11/04/2005 12:37)
ka nahoana ary Bill clinton sy le sipa niasa tao aminy maison blanche e, sa eto dago tsy mahazaka ny ilazana ny marina? raha hita izao kosa ve fa entina angalana vevavy ny volambahôka de tsy tokony ho lazaina?

ds> io ary le izy fa nifototra any @ ireo Avocat ny Mamod Taki iny fitoriana an'i LGI iny, izay le hoe ny marina tsy mba maty.
Ny eto dago dia tsy manaja lalana ny mpitondra raha araka ny lalàna misy dia tsy azo avoaka ny sary na iza na iza raha tsy efa vita ny fitsarana, nefa dia jereo ireny ataony mpitondra ireny.Firy mou ny olona migadra tsy vita fitsarana eto dago? firy ny olomarina enjehina noho ny filazana ny marina?
6. pitchou ( 11/04/2005 20:12)
otran'ny lazain'i ds io ny fahafantarako azy!
saingy tsy maintsy mitory le olona iharan'izay vao misy ny fanenjehana na fitsarana! ny olana fotsiny dia ny tsy mahalala izay zony izay ny ankamaroan'ny gasy, ary ny mpitsara sy ny olona sasany manao ramatahora! Ny mpanao gazety koa moa tsy misy ethique mihitsy mikasika an'io fa d paparazzi daholo, d raha misy mitory d lazaina fa fanakanana ny asany izany!
eto koa ohatra raha sendra nahita olona namaky trano na namono olona enao, d enao no toa ahiahian'ny polisy sy ny mpitsara voalohany!
7. ds ( 12/04/2005 21:03)
Ny marina rehetra tsy voatery fambara rakarandoha a. Rehefa lazain'ny lalàna hoe tsy azo atao dia tsy azo atao. Ary tsy misy afa-milaza fa tsy mahafantatra ny lalàna. Azon'i Clinton tsara ny nitory ireo namoaka ny "raharahany" tao amin'ny trano fotsy satria ny famoahana an'iny dia manala-baraka azy ary mety nampisara-panambadiana azy. Noho izay antony izay fotsiny, dia efa afaka mitory izy ary mety maharesy. Ny naha filoham-pirenena azy no heveriko fa tsy nitoriany satria fantany fa tsy maintsy mifototra aminy ny fitsaran'ny vahoaka na mandresy aza izy any amin'ny tribonaly.
8. ds ( 12/04/2005 21:26)
Tadidiko tampoka ;-)
Tantara marina ity manaraka ity satria niainako.
Nanofa trano tamina Karana izahay taloha tany Mahajanga. Mpifanolo-bodorindrina izahay ny tompon-trano saingy samy manana ny tokontaniny. Nisy ampongabendanitra mamokatra be tao an-tokontaninay. Rehefa mamokatra tsara iny ny voankazo ka tsy misy olona ao aminay, dia alain'ilay Karana tompon-trano daholo. Leo ny dadanay nony farany, dia nampiakatra fitsarana ary nangataka onitra 50000 FMG (1979 io). Rehefa nanontanian'ny fitsarana ilay olona dia nanambara fa azy hono ny vokatra satria izy hono no namboly azy. Dia hoy ny fitsarana : ianao koa no nanao ny lava-piringan-drizareo koa maninona tsy mandeha manao fivalanana ao aminy. Farany dia voaheloka noho ny fidirana an-keriny an-tranon'olona (violation de domicile) ranamana ary voasazy andoa onitra 50000 FMG.
9. iartistika ( 18/04/2005 18:28)
noeveriko hoe:naninona koa tsy nohanina le tao am lavapiringa :-D :-D
10. mishou ( 24/04/2005 22:34)
rakarandoha> za aza manome tsiny mihitsy ny fitondrana sasany hoe hafa ihany ny gasy tsy mba miditra fiainan'olona izany fa mifanaja, zao koa lasa sahirana @ izay fiainan'olona.
Amiko aloha ry bill clinton sy iny sipa resaka hafa mihitsy e, sady angaha moa ny fitsingolahana fiainan'olona no mahalasa lavitra antsika ara-toe-karena e.
Amiko aloha de izay hampandroso ny toe-tsain'ny tsi11 no tokony himasohany de avy eo ny tanindrazany fa tsy hoe misy an'izany eto @ izao tontolo izao de andao koa isika hanao. Zany ve tsy mihinana amam-bolony?
Asa aloha fa toe-tsaina tsy misy maharatsy azy ny mamela ny olona hiaina @ fiainany de izay.
Rehefa tsy tianao ny fiainany de maka lesona, aza manao toa azy, de vita.
11. fijo ( 14/06/2005 03:55)
izao ity vao hitako.afangaron\'i hery ny honohono(diffamation) sy ny fiainana manokana(vie privée)
1)misy tokoa io lalana momba ny honohono io,saingy misy lalana hoy tsy azo henjehina izay nanao azy raha tsy mitory izay iharany.
izany hoe i tantely ihany no hafaka mitory izay namoaka azy fa tsy isika namany akory.
2)raha marina ve dia azo havoaka?
misy ny atao hoe \"liberté publique\"sy ny \"vie privée\"
raha olona publika na ofisialy(manana toerana na miavaka amin\'ny fiaraha monina dia mila hifangaro ireo zavatra roa ireo.ohatra raha mararay ny filoha dia aretiny azy iny,saingy misy fiantraikany amin\'ny raharahampirenena ka dia tokony tsy maninna raha mitranga.
raha hanambady koa ny zanany,tsy misy fiantraikany na fifandraisany amin\'ny firenena izany ka azony arahana izay mamoaka resaka momba io.
3)raha resaka toa iny an\'i tantely iny kosa dia \"privée\"iny ka azony atao ny mitory izay namoaka azy,eny fa na izay niara nanao izany taminy aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3141