L.M.D:oniversite

1. Ila ( 09/04/2005 08:33)
Manahoana jiaby!Ahoana kay ny fahitanareo an'io L.M.D io? amiko manokana aloha mbola tsy vonona amin'io fomba fianarana vaovao io ny mpianatra e!Mila taona vitsivitsy hiomanana aloha angamba vao tokony ampiarina fa tena tampoka be loatra, ny Gasy anie tsy mitovy amin'ireo Canadianina e!hevitrako ahy manokana io fa anjaratsika rehetra ny mandinika azy
novalian'i sonwin ny 24/05/2005 18:10
2. hery ( 09/04/2005 18:00)
Inona moa no dikan'ilay LMD? Licence Maitrise Doctorat ve?
3. betty ( 09/04/2005 18:40)
oups! fangah ampiharina any @ université mada kou le izy io?????? de manomboka vina?????
4. maditra ( 09/04/2005 19:26)
Inona marina aloha ilay L.M.D fa tsy hainay mihitsy e!
5. betty ( 10/04/2005 07:32)
Maditra & hery > araky ny fahazahoako azy dia LMD = Licence Master Doctorat. Io no hanoloana ny deug, licence maitrise etc.... ka :
- Grade Licence = mitovy @ licence @ zao ihany , zany oe Bac + 3
- Grade Master = Niveau DEA (Diplôme d'Etudes Approfondis), DESS (Diplôme d'Etudes supérieures Spécialisées), izany hoe Bac + 5
- Grade Doctorat dia mitovy @ doctorat ankehitriny ihany zany hoe Bac + 8

Bon courage pour les jeunes :)
6. betty ( 10/04/2005 07:38)
Fanampin'ny fanazavana :


Les trois grades : Licence, Master et Doctorat sont communs à tous les pays de l'espace européen de l'enseignement supérieur.

Les diplômes intermédiaires : DEUG, Maîtrise, Licence et maîtrise d'IUP, seront toujours délivrés aux étudiants. Le Diplôme Universitaire de Technologie (DUT) est maintenu.

Le système LMD permet :

Les comparaisons et les équivalences européennes,
La poursuite, par l'étudiant, de ses études dans une autre université en France ou dans un pays de l'espace européen,
Une meilleure lisibilité des diplômes sur le marché du travail,
Le choix de son parcours de formation en fonction de son projet d'études et de son projet professionnel.
7. sonwin ( 10/04/2005 13:04)
Ila> fa nahona moa no lazainao fa tsy mbola vonona amin'io ny mpianatra? Ny Université d'Antananarivo dia anisan'ny sangany na dia be grevy aza ary rariny sy hitsiny raha hanaraka ny tendance international. Ny système LMD no rafitra apetraka ary efa miroso makany tsikelikely ny firenena rehetra, ka ts tokony ho tara amin'izany Mada.Ny sytem ilay lazain' betty hoe diplom intermediare ange ka system francophone e, ka i France tompony aza efa makany amin'ny LMD ka isika mpindrana indray ve no hijanona eo. Ary fanampiny aza dia ny lafiny ratsy foana no jerena rehefa misy fioavana sinon dia eo foana tsy hiroso. Tombony iray fotsiny no lazaiko anao izao: taloha raha hanao doctorat dia misy karazany roa ny doctorat teo anivon'ny univ, doc troisième cycle et doct d'Etat..amin'izao soa fa nisy an'io LMD io, doc iray ihany ary Doc nouvelle these no hiantsoana azy equiv amin PhD..de jereo amin'izany ny gain na fotoana.Toy izany koa ho haingana kokoa ny hanao Master noho ny DEA nefa ny niv mitovy ihany.Ka hoy aho aminao hoe soa ho an'ny mpianatra io.Tsy tampoka be io fa efa ela no nanomanana azy fa izao vao hampiarina.
Betty>fanampiny kely: DESS sy DEA tsy mitovy valeur fa samy diplom troisième cycle fotsiny.Ny olona manana DESS tsy afaka manao Doctorat fa ny manana DEA ihany.
8. domoiina ( 11/04/2005 10:08)
mazava !!!
9. naritsimba ( 11/04/2005 11:23)
Salama daholo eh!
Moa ve rehefa mitovy ny fahaizana na inona anarany na inona tsy mitovy ihany ny diplôme azo eo
ohatra: bacc+3 = licence
DEA = Masters = Bacc+5

raha ny fahazoako ireo dia izao misy tanjona kendrena indray tiana atao eto mikasika ny fampianarana ambaratonga ambony, ary efa nisy sahy namoaka t@ fampahalalam-baovao fa raha ny eto Madagasikara dia tsy dia ilaina loatra ny diplôma ambony be fa bacc+2 dia ampy satria olona hiasa no tena ilaina eto.(izany hoe atao indray izay fomba hampihenana ny fahazotoan'ny mpianatra Malagasy hianatra eny @ ambaratonga ambony)

sonwin> raha ny fihevitrao dia tsara eto io fa ny ahy averiko foana: NY METY @ HAFA TSY VOATERY METY AMINTSIKA ETO MADAGASIKARA.
Inona moa no antony hanovana azy raha mitovy ihany ny sandan'ny diplôma azo? ny anarana fotsiny ange izany no miova eh! Sao lahy ka variana @ fanovana anarana eto 'ty sika tahaka ny hoe fmg natao Ariary nefa ny sandan'ny vola miha midina ihany.

manalasala 'ty fiainana ity e!
ny zavatra voamariko manokana dia ataon'ny fanjakana izay handrebirebena ny sain'ny olona mba tsy ho lasa any @ hamafin'ny vidim-pianana ny eritreriny.

Am-bava hoamana, am-po mieritreritra

N.B:tsy ny lafy tsarany no tsy hita fa ny lafy ratsiny no betsaka noho ny lafitsarany izay no mahatonga ny tsikera.

10. sonwin ( 11/04/2005 18:09)
naritsimba> omeko fanazavana kely ianao: ny bacc+2 hono no mety amintsika satria olona hiasa avy hatrany: misy ambadika fanjanahana io ry namako, io ilay politikan'ny banky mondial hamefezana ny fahaizan-drmalagasy tsy ho lasa alavitra, bacc+2 midika fa hiasa hanatanteraka baiko avy hatrany. operationnel sur le terrain, dia ho vitsy izany ny malagasy hanan diplom hihoatra ny licence , nefa licence miakatra no manomboka ho agent dirigeant!! dia iza izany no hitondra refa bcc+2 daholo ny gasy, hiantso vazaha hitantana sy hamolavola fa hoe tsy ampy ny fahaizana eo antoerana.soa ihany fa betsaka ny ankizy mazoto mihoatra ny bacc+2 sinon vazaha sy vahiny daholo izany no ho cadre sy hitondra any amin Entreprise, tandremo fitaka be io bacc+2 hamporisihina ny tanora io, dia iza izany n ohitondra ny firenena any aoriana?
ilay resaka diplom, tsy fandrebirebena sanatria fa normalisation sy standardisation ny diploma Malagasy hifanaraka amin'ny norme iraisam-pirenena.Ohatra iray indray aza satria mety ts hitanao ilay avantage noresahiko tetsy ambony, raha hanao demande de bourse exterieur ilay mpianatra(ary maro ny tanora malagasy maniry io) dia ho mora koakoa ny hoe Masters avy hatrany diplome fa tsy mbola hanao equivalence, manana chance be be kokoa izy mba ho any amin'ny tany anglophone fa tsy ho voatery ao france ao foana.
Ry namana, sahia miroso amin'ny tsara kokoa
11. pitchou ( 11/04/2005 18:30)
izaho izany tsy mba manana maso tsy mahita afatsy ny ratsy e! dia izao no hitako tena mahatsara azy io: arakaraka ny ny fahaizan'ilay mpianatra sy ny fotoana ananany hianarana no hahavitany aingana na ela kokoa ny L na M na D, satria azony atao ny mahazo ny modules rehetra ao anatin'ny fotoana fohy, nefa azony atao koa ny maka an'izany tsikelikely! tsy hoe sanatria tsy nahay maths le mpianatra d tsy afaka t@ maths dia considérer-na ho tsy nahay chimie koa na d ambony be aza ny naotiny t@ chimie ka asaina mamerina an'iny izy!
Raha hitariko @ zorony hafa koa dia mba manana chance kokoa ny zanaky ny tsy manana (efa voatery ho eto mada no hianatra fa tsy any @zao andafy zao! :D ) hanohy fianarana eny @ abaratonga ambony! satria afaka sady miasa izy no mianatra tsikelikely!
dia @ zorony hafa: afaka manambady eny antenatenany eny ny tanora d miverina manohy fianarana rehefa lehibebe ny ankizy!
12. Tanala ( 15/04/2005 14:48)
Fanampim-panazavana ihany ty mikasika ny système LMD.
Tsy haiko aloha ny faculté fa ho an'ny école d'ingénieur dia samy hafa ingénieur tonga de hiasa sy ny ingénieur hanao doctorat.
Ity no mahasamy hafa azy ny ingénieur dia tsy maintsy sady manao Master recherche raha hanao doctorat, parallèle @ 5ème année.
Mazava hoazy fa raha tsy misy master ao @ lay université dia maty heritaona indray le mpianatra manao Master, dia mitovy @ lay manao DEA ihany.
Fa raha misy lay Master de mbola fanontanina koa ny reconnaissance.
13. pitchou ( 17/04/2005 16:45)
euh ... tsy haiko aloha fa raha ny any ivelany dia manao doctorat ny ingénieur e!
ary eto koa manao ka! fa tsy misy an'izany hoe tsy maintsy manao master izany! raha tsy hoe hiova filière (na faculté) izy! d @zay misy matières complémentaires mety angatahana ataony!
fa asa ny ingénieur inona kay no tsy afaka manao doctorat?
14. sechat ( 18/04/2005 09:50)
Betty> ampiako kely angamba ilay resaka master=DEA, DESS=bac+5. Marina ilay izy saingy mbola eo ihany ilay fanavahana hoe Master professionnelle/ Master recherhe. Ny zavatra hitako dia any @ anaran'ny formation io no apetraky ry zareo fa any @ diplôme matetika dia Master fotsiny no ilazany azy. Arakaraka ny université.

Sonwin> Raha ny tokony ho izy dia izay manana DEA ihany no mahazo manao thèse, nefa misy (ary maro) ny universités no manaiky hoe manao thèse ny mpianatra rehefa manana DESS na diplôme d'ingénieur. Ny an'ny sasany mila mangataka dérogation, ny an'ny sasany tsia. Arakaraka ny politika fampianaran'ilay université ihany io.

Ny ahy aloha tiako ilay resaka "normalisation" satria tsy hifankahitana intsony ity DEA, DESS, Magistère, Diplôme d'ingénieur etc... ity. Manjary misy tsy fitoviana eo @ fitadiavana asa satria raha misy manana diplôme d'ingénieur sy Magistère iray mitady asa mitovy dia aleon'ny olona maka ilay ingénieur. Nefa samy nadany 5 taona ihany.
Eo koa ilay resahan'i Pitchou hoe na efa niasa aza dia afaka miverina mianatra indray mba hanatsarana ny toerana sns.. Eo koa ny "équivalence" raha sendra hivoaka hanohy fianarana any an-kafa.

Ny ahy manokana aloha dia tsy ilay LMD mihitsy no hitako olana fa ny ao anatin'ny formation ("contenu") omena ny filière tsirairay any amintsika (izany hoe olana hafa mihitsy :-D ).
15. sechat ( 18/04/2005 09:51)
tena azafady fa tsisy mandeha @ izay laoniny daholo ilay sary hihihihi
16. sonwin ( 18/04/2005 17:00)
pitchou> tsy misy Ingénieur manao doctorat izany na aiza na aiza, ny ingéniuer te hanao doc tsy maintsy manao Master aloha na DEA.
17. pitchou ( 18/04/2005 18:11)
sonwin> eto mada no resahanao sa any ivelany? satria ohatra ny grandes écoles d'ingénieur ao Frantsa dia hatrany @ doctorat! diplôme d'ingénieur dia doc nouvelle thèse (otran'ny any @ fac)! raha hiova ho any @ faculté enao no hanao doc d manao matières complémentaires, ary raha avy any @ faculté no mankany @ ecole dia mamerina ny 5ème année (satria 5ans ny dip d'ingénieur @ grandes écoles: 2 ans prép + concours + 3 ans).
Raha ny eto mada indray, dia raha manana hatrany @ doc le ecole d hatrany @ doc izany. Ohatra ny ao Toliara misy hatrany @ doc, d mahazo ny diplôme d'ingénieur enao d afaka manohy doc fa tsy mi-double 5ème année izany! formation reconnue sur le plan international io, ary niarahana t@ frantsa ny nametrahana azy fa tsy hoe tandrametaka sanatria.

Tsy mamorana aho sanatria fa tena izay no izy!

Sa we mety nisy tsy neken-drizareo hanao doc noho ny antony itsy na iroa? izay indray d hafa! fa raha ny hitako aloha d afaka, ary tsy 1 na 2 no namita doc fa ny rehetra tsy mbola nahita asa!
ary io diplôme d'ingénieur io koa azo présenter-na raha hi s'inscrire hanao PhD any @ univ nord américaines, d tsy mamerina master izany(nefa aloha nisy cas henoko hoe tsy neken-drizareo fa nasainy namerina master e! aza angaha zay nahavoa an-dranamana)!

Fa diplome d'ingénieur avy aiza aloha ny an'i sonwin izany no tsy afaka manao doc? fantatro hoe ny avy tany @ firaisana sov sy ny tany sosialista rehetra t@zany d tsy misy manaiky ny tao eoropa sy teto mada fa tsy maintsy mamerina 5ème année
18. sonwin ( 19/04/2005 16:02)
pitchou> hanky va re! za tsy ingénieur ka..andraso hoe vérifieko izany lazainao izany fa ohatran'ny vaovao amiko.Ny Diplom Ingénieur mantsy eo anelanelan'ny Maitrise sy DEA ny valeur-ny (raha ny fahafantarako azy).
19. pitchou ( 19/04/2005 18:13)
sorry sonwin! fa izay no izy @ grandes écoles fantatro, ary tsy cas isolés mihitsy akory!
Nisy fotoana kosa aloha taloha hoe dia tsy neken'ny frantsay mihitsy ny diploma avy taty mada, fa d mamerin-taona foana no asainy ataon'ny ankizy, dia ny licence ataony equivalent deug raha hiditra grandes ecoles (normal ihany aloha izay!), ny diplome d'ingenieur da nataony equivalent 2ème année ho an'ny sasany ka tsy maintsy manao ny 2 années hafa enao vao mahazo ny diplome d'ingenieur.
20. sonwin ( 20/04/2005 08:47)
okay :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7255