Ny Tontolon'ny anjerimanontolo

1. intelligenzia ( 16/03/2005 23:35)
Mazava be ny voalaza ao amin'ny gazety tribune, dia mpanaikinaiky fotsiny izay tenin'ny mpamatsy vola ny mpitondra fa tsy misy fisainana fampandrosoana sy fitiavan-tanindrazana:

-----------
Quoi qu’il en soit, l’enseignement supérieur public sera dorénavant réduit à un produit de luxe comme l’auraient voulu depuis longtemps les bailleurs de fonds et les partenaires financiers amis. Un Bacc + 2 serait suffisant pour Madagascar.

[size =12]Pour ce qui est des formateurs et autres experts, les pays amis et les bailleurs de fonds pourront nous les fournir moyennant rémunération mensuelle à chacun, de l’ordre de 150 à 350 millions d’anciens francs, soit entre Ar.30 millions et Ar.70 millions.[/size]
-----------

Mihoa-papana ireo karama omena ny "experts" an'ny mpamatsy vola ireo sa tsia? Mba ampy ampahafirin'ireo no takian'ny SECES ahafahana mamolavola tera-tany Malagasy? Ny volan'ny mpitondra no handoavana an'ireo manokana sa ny volam-panjakana samborina?
novalian'i xxx ny 14/08/2005 19:03
2. mandrindra ( 17/03/2005 10:04)
"Mihoa-papana ireo karama omena ny "experts" an'ny mpamatsy vola ireo sa tsia?" : Eny lafo be izy any amintsika dia tohizako fanontaniana, ilaina daholo ve ry zalahy ireo? Expert avy any ivelany ve dia tena mahalala an'i Gasikara?
"Mba ampy ampahafirin'ireo no takian'ny SECES ahafahana mamolavola tera-tany Malagasy?" Ohatrinona tokoa re e? Mba lazao raha fantatarao azafady?
"Ny volan'ny mpitondra no handoavana an'ireo manokana sa ny volam-panjakana samborina?" Izany ve dia fanontaniana mendrika an'i intelligenzia fa ny mpitondra ve hisy amoaka vola ampaosy e, ny hampiditra aza atao. Fa izao aloha e marina fa volampanjakana no andoavana ny karaman'izy ireny. Ny sasany indray dia firenena avy aty ivelany no manakarama azy dia vinanio amin'izay ny vokany.

3. xxx ( 14/08/2005 19:03)
tsy tian-dry hiakatra ambony indray zany ny gasy kely dia aleo atao bac+2 fotsiny. Avy eo dia izy no mitatana ny vola be rehefa hanao mission aty Mada fa tsy misy expert na spécialiste aty. Mampalahelo!:(
ny conseil aloha dia aleo ihany manana bac+ 4 na 5 na mihoatra e, tsy very ianao amin'izay:lol:
De mazotoa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1503