ahoana hoy ny lalàna fa aina ity....

1. spidherimanina ( 03/03/2005 10:19)
misaotra anareo izay afaka manoro lalana anay sahady.Toy izao ny cas momba ny fianakavianay : nitantana orinasa tany @ ambanivolon'i majunga ilay havanay atao hoe And ary ny vady aman-janany kosa eto Tana ihany, ary tonga teto @ fianakaviana ny talen'ilay société nilaza taminay fa maty novonoin'ilay olona teo ambany fahefany t@ fomba mahatsiravina i And.In-3 niampita vao tonga teto Tana ny razana ( vedety + sur route ) na teo aza ny fiangavianay fianakaviana hoe mba alaivo @ avion ny razana dia tsy nataon'ny orinasa izany.Mazava ho azy fa tsy azonay nojerena intsony i And fa efa simba ny nofony ka dia natao tao anaty aluminium sy vatahazo ary dia iny no nasitrika tao @ fasandrazana.Mampalahelo anie izany vadiny bevohoka
sy ny zanany kely izany fa fahoriana tampoka izao.Efa voasambotra ilay assassin ary nogadraina sous md aloha.

Inona no zo ho an'ny vadin'i And sy ny zanany, mbola mahazo mipetraka @ logement nomen'ny orinasa ve izy ireo , inona no mety ho tohin'izao zavatra izao fa tena tsy misy mpanoro hevitra izahay.Misaotra anareo namana rehetra !
novalian'i fijo ny 16/09/2005 20:47
2. lo ( 04/03/2005 03:33)
Tsy tena we mahay lalana b alou za fa mba hevitra fotsiny no aposaka.
Rah ny tokony ho izy d mbola mahazo mipetraka ao amin'ny logement de fonction ny vady amanjanany fa saingy misy fetrany (iray volana na mihoatra) arakaraky ny fifanarahana teo ammpiasa sy mpampiasa, tsy voatery ao amcontrat de travail fa mety efa misy convention collective entre ny mpiasa sy mpampiasa efa mihatra natao tany aloha tany. Io no tena tsara jerena alou rah misy satria mety ho tafiditra ao ny momba ireo mpiasa maty amperinasa. Ankoatr'zay ny resaka assurances, rah ny tokony ho izy tokony misy assurances iany, fa tsy voatery koa nefa. Mety ho ilay olona no nanao souscription manokana na ny orinasa no nanao anle izy.
Averiko iany fa tsy voatery misy foana ireo, fa aleo alou manontany iany sao d mba. Arakaraky ny toera-piasana io mantsy.
Zay alou ny azoko ambara fa tsara rah manantona mpahay lalana miitsy manazava ny manodidina io tranganjavatra iray io
3. hery ( 04/03/2005 09:44)
Azo heverina hoe accident de travail ve no nahazo azy? Izany hoe maty teo amperin'asa? Miova koa mantsy ny fisehoanjavatra raha toa ka izany no mitranga.

Ny sosokevitro koa dia manatona ilay lehiben'ny orin'asa na ny mpikarakara ny momba ny mpiasa ao amin'ilay orin'asa dia manontany sao dia misy azo ifampiraharahana ihany.
4. didi ( 04/03/2005 16:23)
Mety angamba raha manatona avocat any an-toerana mihintsy mba hakana torohevitra momba izany satria iray orinasa t@ ilay voavono ilay namono. Mety misy responsabilité indirecte-n'ilay société izany azahoana indemnité ahafahan'ny vady aman-janaka miarina @ izany voina izany. Tsy manakana ny fanatonana ny mpampiasa araky ny tenin'ny namana etsy ambony izany satria ny ho avin'ny velona no tsinjovina ka mba mahatsapa izany koa angamba ny tompon'ny orinasa raha mbola olombelona ihany
5. fijo ( 14/06/2005 19:30)
mahagaga fa efa novaliako ity omaly nefa dia tsy hita eto le valiny.
6. adidy ( 16/09/2005 15:15)
Asa na efa voavaly ilay fanontaniana, fa izao: accident de travail io satria teo am-panaovana ny asany ranamana(en mission) no nisy namono. Noho zany dia tsy afa-maina ny assurancen'ny orinasa. Eny na dia miezaka miala pà aza izy.
7. fijo ( 16/09/2005 20:47)
izay mihintsy.efa nasiako fanazavana io,fa nanjavona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.45