tsy hita e!

1. poety ( 24/02/2005 05:41)
Ra hendry enao Ravalo
De fohano ny dahalo
S'ty olana ara-bary
Mamono toa mosary

Ny lalana amboarina
Saingy sasatra manarina
Vita tandrametaka
Misy rano de miepaka

Enao miseho ho bokona
Mandrahona mpitokona
Ny omby no fikapoka
Fa ts'ireo mpikaroka

Ny dingana lehibe
Nokozin-dramose
Sy fandrosoana haingana
Toa zary fanaintainana

'lay nofim-pahamarinana
Sy lainga fahamasinana
Kay "joro" tena vilana
Nivadika ho fanasinana

Azavao anay rehetra
F'aza atao "Lalao" voretra
Ny vola indramina
Mba mankaiza marina?

Minoa fotsiny ihany
Na foana aza ny vilany
Nasesika tan-dohanay
Ny fiafarany mihinan-t...

novalian'i hery ny 30/08/2005 21:54
2. naritsimba ( 24/02/2005 08:36)
Avoahy gezety fa milay be eh!
3. xxx ( 24/02/2005 09:05)
avoay atsy amin'ny tononkalo ihany koa fa tsara
4. intelligenzia ( 24/02/2005 23:01)
poety> manja e! Heverinao fa hendry angaha izy io? :-D
poety:

Minoa fotsiny ihany
Na foana aza ny vilany
Nasesika tan-dohanay
Ny fiafarany mihinan-t...
:evil:
5. Mariano ( 20/08/2005 16:10)
Tena mahita zavatra koa nareo izany kle misy marina ihany aloha io e
6. pissoa ( 25/08/2005 13:18)
tehaka fotsiny aloha
mandritra ny adiny roa
:D
7. notron ( 29/08/2005 14:08)
=))
8. bichette ( 29/08/2005 15:45)
^:^^:^^:^=D=D=D=D
9. zakilinina ( 29/08/2005 20:07)
Tsy kanto ity tononkalo ity. Poety sandoka io.
Tena mpandala ny démocratie ingahy Ravalo fa raha tamin'ny andron'ny mpitondra teo aloha ianao no manoratra toy izao dia efa nanjavona.
10. lanto ( 30/08/2005 08:25)
Haiko izany eeee
Minoa fotsiny ihany eeee



Avoahy koa ny andrazaky e !


11. hery ( 30/08/2005 21:54)
saika nahafinaritra raha tsy teo ilay ligne farany...

Ahoana no hamoahana an'io ao amin'ny radio raha toa izao? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3539