IT: Mitsaoka an-dafy ny olona

1. intelligenzia ( 23/02/2005 01:29)
Fa ampianarina hitsaoka ve izy ireny sa ny fitondrana no tsy mahay mampiasa azy?
midi:
La plupart des techniciens et ingénieurs en technologie de l’information et de la communication malgaches sont actuellement à l’étranger
http://www.midi-madagasikara.mg/textes/cu050223.htm#cul1
novalian'i tsangana ny 01/10/2005 21:05
2. cutie ( 23/02/2005 01:31)
mbola mikanja ry zareo e lolllllllllllll
3. Ramaso ( 23/02/2005 04:44)
$ sy euro io sefo a..
raha misy sosy any de tsy mipa ry zareo
4. hery ( 23/02/2005 07:34)
Fa aza matahotra fa mbola hiverina hany ry zareo :-) asa aloha ny hafa :-P
5. zakilinina ( 23/02/2005 21:30)
Ny ampianarina mitsoaka mety ekeko ihany fa ilay mianatra mitsaoka indray tena mampanahy. Hakany an-dafin'ny ranomasina ihany ve ka hitsoka (mandady sy miankohoka) ?
6. intelligenzia ( 23/02/2005 22:47)
fa inona ny atao any ry zakilinina? :-D
7. sofina ( 03/03/2005 07:55)
mandehana aloha raha sûr fa hanangona ara-bola, ara-tsaina fa raha ny mifanipaka an'izay no azo dia miverena ohatrin'ny tsy teo fa manala baraka :D
8. iartistika ( 03/03/2005 18:20)
Ko any an-tanàna aza tsisy bàbà ko! :miam: :miam:
9. zouzoulitika ( 14/08/2005 10:55)
Fanontaniana sarotra fa samy manana ny antony ny olona tsirairay avy.Fianakaviana, vola,pôlitika,sns...safidy
10. fijo ( 16/08/2005 22:27)
resaka vola io e,izay no tena antony matetika.fa raha mahita atao any ve aninona aty le
11. tsangana ( 01/10/2005 15:02)
Taloha tamin'ny mbola zanatany isika dia ny entana sy ny vokatry ny tany no naondrana tany andafy.Ankehitriny dia ny olona mihitsy no manondrana ny tenany . Rehefa manam-pahaizana kely dia mitady lalana handeha.Ilaina ny fandehanana mba hananana traikefa, kanefa aza adino ilay miverina!
12. scorpion ( 01/10/2005 20:00)
Tsy hoe mitady lalana fa lasa ho azy
13. tsangana ( 01/10/2005 20:52)
Mbola tsy mety feno gasy ve io andafy io ? Toa tsy lany hevitra mihitsy Ra-malagasy mahita fomba foana hahazoana visa.Raha ny energie sy hafetsena nolaniana tamin'izany no mba nampiasaina hitadiavana ala-olana eto an-toerana....angamba.....efa mba aiza ho aiza no misy azy.Kanefa moa manintona be io andafy io.
14. scorpion ( 01/10/2005 21:00)
tsy fidiny ho an'ny be sy ny maro ry ise ilay hoe mila ravinahitra an.Ary averiko indray fa misy ny lasa ho azy any amin'io andafy io.NY vazaha koa ange mba makany amin'ny firenena hafa mitady izay mahasoa e, ohatra ny fifindra-monina makany amerika izao no malaza.firifiry moa ny europeana no makany indrindra refa misy saosy be, ny arabo sy afrikanina indray makany europe, ny asiatik makany afrika sy madagasikara, dia samy mandeha any amizay mahasoa azy ny olona e, fa tsy isika gasy ihany no mitady hevitra hifindrana.
15. tsangana ( 01/10/2005 21:05)
Marina izany, samia manao izay mety e.Izaho manokana indray aloha dia ny vatako no mipetraka amin'ny toerana iray fa ny saiko sy ny eritreritro no lasa lavitra, ary ny tena mahatsara azy dia tsy mila visa,tsy mila pasipaoro fa akipy ny maso dia lasa e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819