ratsy taiza

1. bebe ( 04/02/2005 02:13)
ratsy taiza ve araka ny hevitrareo ny tanora ankitrio
2. lo ( 04/02/2005 03:46)
le izy raisina amin'ny ankapobeny no tô tsy mety kou. misy ny ratsy taiza, fa b kou ny tsara taiza, fa matetika le ratsy (mety ho vitsy) no tena hita d ny ambiny kou no lasa voaray. Na ny ntaolo aza nge nisy ratsy taiza kou e, saonjo iray lohasaha ono tsy ilaozan'izay mamarara
3. fijo ( 04/02/2005 05:12)
sarotra be le resaka satria arakak'ilay lazaina fa toetra ratsy io.inona ohatra no toetra isokajiana ny zaza hoe ratsy taiza?
misy mantsy ankizy vavy hendry be ohatra fa voafitaka dia miteraka tsy manambady.ratsy taiza ve izy.
ankizy be revy nefa mahalala fomba ratsy taiza koa ve?
maro no ohatra azo raisina ka izay no hilazako hoe mila faritana tsara io
4. mihanta ( 04/02/2005 09:39)
fa maninn ny tanora ankehitrio aloha?inn ny zavatra tsikaritrao
5. chipie1 ( 04/02/2005 09:42)
ary i bebe ve mba tsara taiza any i dadabe klou? :-P
6. sechat ( 04/02/2005 10:11)
:-D :-D :-D
7. nikopol ( 04/02/2005 10:21)
Conflit de génératio io bebe an !

Mampamangy ani amini dadabe any :P
8. mandrindra ( 04/02/2005 13:40)
Ary maninona moa ny ankizy no lazaina hoe diso foana fa raha mba ny nataon'ny mpitaiza no anontaniana sy hadihadiana aloha. Sa tahaka ny tantaran'ny akoho sy ny atody io.
9. Lejim ( 05/02/2005 06:53)
Aza mikorapaka ianao bebe fa tsy avy aminareo olon-dehibe ilay izy fa izahay mihitsy no manitatra e! Sa tsy izany ry kofy sy joba?
10. kinaoly ( 05/02/2005 17:10)
80% ny anjoun'ny tanora iray de any ivekan'ny tranon'i dada sy neny dôly, raha sanatsaia ka ratsy taiza zany izy de tsy fahadisoni dada sy neny lôtsa fa ny fiarahamonina no mampiova azy :-D
11. kinaoly ( 06/02/2005 15:14)
12. ttittie ( 03/03/2005 18:28)
bebe:

ratsy taiza ve araka ny hevitrareo ny tanora ankitrio


tsy ratsy taiza izy ireo faraha ny fahitako azy dia mivoatra be loatra ny sain\'izy ireo !:
13. iartistika ( 05/03/2005 21:18)
Io misy adiverseran-là ry bedada ah!
14. sonwin ( 06/03/2005 16:28)
Tsy ratsy taiza izy ireo, ary tsy mivoatra be loatra ihany koa ny sainy, ny fiainana dia miova hatrany manaraka ny vanim-potoana, ny fiainana dia "dynamique", misy fihetsehana sy fiovana hatrany, anjaran'ny mpitaiza no tokony hanana fomba fisainana mivelatra ary ihany koa hahita ny fomba tsara hifefena ny zanany mba ho ny rivo-piovana tsara no hiatraika amin'izay tazainy fa tsy ny rivo-piovana ratsy. Mazana nge raha vao misy ny resaka ratsy taiza dia ilay tanora avy hatrany no mahazo loza e...fa iza aza no nitaiza azy..fa matoa ny olona iray "ratsy taiza", ilay mpitaiza eo no ts mamely fa tsy ilay tazaiana mihitsy.Ka iza aza no mpitaiza? Dia avadiko kely ny fanotaniana: Ny tanora ankehitriny ve ratsy taiza? sa ny olona taloha no tsy mahay mitaiza?
15. annie ( 04/04/2005 16:20)
ny hoe ratsy taiza kosa angamba mety ho diso e!
Tsy misy RAD manolo-bato mafana ny zanany zany fa le generation @ zao fotoana zao mihintsy no tena hafa
Namana
16. rakotokely ( 29/05/2005 15:33)
ny ahy indray ny fahitako azy dia tena misy adidin'ny rar mihintsy ny maha ratsy na tsara ilay zaza , io fahazarana hatr@ mbola kely , ny ntaolo anie tsy adala mihintsy nitey hoe zaza tina tsy tsitsina rotsanakazo e , betsaka ny rar , tsy mba mandray andraikitra fa dia avela manao izay tiany atao ny zaza , ilay izy anie tsy voatery hoe hikapoka fona ianao e , fa aseho @ fomba fiteny sy fihetsika ilay izy , marina ko aloha fa ny manodidina ko no mahatonga ilay izy fa ny tena fototra dia ilay ao antrano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1644