DIASPORA MIFIDY @ 2007

1. mandrikana ( 01/02/2005 23:17)
Ny tanjona : "DIASPORA MIFIDY @ 2007"

Ny antony :

Efa manantona ihany ity ny fotoana ny fifidianana 2007.Maniry dia maniry tokoa isika diaspora rehetra ivelan’i Gasikara ny mba handray anjara @ ny fifidianana ary hanantateraka ny adidy ny adidiny avy.

Mahatsapa isika fa miraviravy tànana ary toa misy tsy ampy eo @ fiainana raha tsy manana zo hifidy na efa manao izay tokony hatao ihany isika @ fianakaviana sy @ firenena .
Mino aho fa afaka hiroso kokoa isika @ fandraisana andraikitra @ fampandrosoana ny firenena raha afaka mandray anjara @ fifidianana misy any @ firenena.

Ny tanjona izany dia ny hikarakaran’ny fitondrana sy ny masoivo rehetra ny fifidianan’ny diaspora @ 2007.

"DIASPORA MIFIDY @ 2007"

Mila ny fiaraha-miasantsika rehetra ny hatanteraka izany tanjona izany.Manantena ny fandraisanareo rehetra anjara , isika diaspora rehetra no hisantatra ny fifidianana @ 2007.

Ny fitaovana entintsika hanatanterahana izany :

Handefa mail isika an’ireto olona noheveriko fa mahatanteraka izany faniriantsika izany.
Mandefa mail isika izany isan’andro isan’andro raha azo hatao ary tsy hitsahatra raha tsy efa mahazo valiny an-taratasy fa ho tanteraka ny fikasantsika .

Ny tsirairay koa dia hanamparitaka izao hevitra izao @ havana sy namana rehetra



Ny handefasana mail :

-ny Filoha,
-ny Praiministra,
-ny lehiben’ny assemblée,
-ny lehiben’ny sénat,
-ny masoivon’ny firenena rehetra

Etsy ambany ny adiresy mail rehetra ka hahamora ny copier-coller dia hatao mitambatra

Handefasana koa ny média-presse rehetra, ny site Gasy sy ny forum rehetra ary ny association diaspora.
Homena anareo ny mail mba hanamora ny fandefasana sy moteur de recherche

Ny lahatsoratra :


Tompoko, (Soloina fomba fanajana afa rehefa izy 5 eo ambany na ambassade ohatra:Andriamatoa Filoham-pirenena Malagasy)

Mahatsiaro misy lesoka ny tenanay mpila-ravinahitra fa tsy mahavita ny adidy ao @ firenena raha tsy mba mandray anjara @ fifidianana .
Ho tonga ity ny fifidianana @ 2007,ary mba maniry tokoa izahay ary mangataka ny handray anjara ary hanefa ny adidinay @io fotoana io.
Efa noresahana ihany mantsy izy ity ka mbola tsy misy tokotaniny atramin’izao nefa ny fotoana mandeha ihany.
Ny fandraisanay anjara @ny fifidianana dia efa làlana iray hampirisika anay hiroboka sy hirotsaka kokoa @fampandrosoana ny firenena.
Tsy ho zanaky ny kala afa intsony fa tena zanak’i Gasikara izay mandray andraikitra .Tena zava-dehibe amin’ny fiainanay izany ary mba ho tohizan’ny fara-mandimby sy halainy tahaka ny fitiavana tanindrazana .
Mahatoky izahay fa ho raisinareo sy ho tanterahanareo io fanirinay sy fangatahanay io.
Ary hisantatra sy hanokatra ny fifidianan’ny filohan’i Madagasikara izahay aty ivelan’ny nosy @ 2007.
Misaotra anareo @ ny fikarakarana rehetra mba hanantanterahan izany fanirianay izany.

Raiso ,Tompoko (afa raha izy 5 na ambassade),ny haja sy ny voninahitra atolotro ho anao (Ity fehezan-teny farany ity dia tsy ilaina @ rehetra fa @ sasany ihany)

Handefa io fangatahana io foana isika isan’andro ary hatao feno an’io fangatahana io ny adiresy izay voalaza etsy ambony.
Tsy hijanona isika raha tsy efa misy valiny mazava ny faniriantsika ary manomboka ny fikarakarana izany fifidianana izany ka misy didy avy @ fitondrana fa ekena sy ampiarina izy io,ary afaka mifidy @ 2007.

Ity hetsika ity dia ho antsika rehetra tsy an-kanavaka Ny tombotsoa dia hikambanana ka hifarimbonana ity asa ity.Ny fitaovana mail no hitako mety indrindra satria tsy dia mandany andro no tsy handoavam-bola..



Adiresy mail :

Presidence : presidence@dts.mg (hamarinina kely io adiresy io)
Premier ministre : secdc@wanadoo.mg
Senat : senat@dts.mg
Assemblée nationale : calvin@assemblée-nationale.mg
HCC : hcc@simicro.mg

Ho an”izy ireo dia halefa tsirairy ny mail ary hasiana fomba fanajana,torak’izany koa ny ambassade fa azo hatao miaraka ny mail

Ambassades :France,Allemagne,Sénégal,Chine,Maurice,EU,Canada,Italie,Japon,Ethiopie,Belgique,ONU,ONU Suisse,UNESCO,
Consuls : Afrique du Sud,Marseille,Le Havre,Amiens,Lyon,Moulins,Californie

ambamadparis@tiscali.fr , Madagaskar-Botschaft@t-online.de , ambamad@sentoo.sn , ambapek@yahoo.com , madmail@intnet.mu , repermad@ren.com , ambamadott@on.aibn.com , ammad@hotmail.com , ambtyomd@mb.kcom.ne.jp , Amba.mad.addis@telecom.net.et , info@ambassademadagascar.be , repermad@ren.com , ambamadsuisse@bluewin.ch , depemadu@wanadoo.fr ,
consul@infodoor.co.za , Madulat2@wanadoo.fr , info@consulatmadagascar-havre.fr.st , madagascar.consulat.amiens@wanadoo.fr , consmadalyon@wanadoo.fr , consulatmad@libertysurf.fr , info@madagascar-consulate.org ,


Midi Madagasikara, Madagascar Tribune , Express Mada,Les Nouvelles,LGI,Madonline,Madagasacar online,MATV,dmd,Wanadoo mg,l’annuaie de Lanto et Seheno,Mdagasacar magazine,Sobika,

midi@midi-madagasikara.mg , tribune@bow.dts.mg , lexpress@malagasy.com , administration@les-nouvelles.com , administration@lagazette-dgi.com , redac@madonline.com , contact@madagascar-online.com , matvonline@matvonline.tv , dmd@wanadoo.mg , webmaster@wanadoo.mg , rakotonandrasana@masombahiny.com , madmag2@wanadoo.fr , sobika@noos.fr ,

Ireto koa hangalana adresse mail :
-Diaspora : [www.mylinea.com]
-Associations : [www.mylinea.com]
-Institutions : [www.mylinea.com]
-Actualités et médias :
[www.mylinea.com]
-Moteur de recherches iray : [www.afriqueindex.com]

Ankoatr’izay efa voatonina ery ambony.Mety misy adiresy afa fa tsy voatanisa,anjaranareo ny mameno azy ary milaza izany eto.


Teny farany :

Mba hahatsara sy hanatanterahana ny faniriantsika soa aman-tsara dia raisina ny hevitra mahasoa.
Ity hetsika ity dia hanomboka eto @site TIM fa hiparitaka any @forum rehetra, satria fiaraha-miasa no tadiavina ary ny asa tsy vita tsy hifanokonana.
Soa ho antsika rehetra ity sy ho an’ny taranatsika.
Manantena ny fiaraha-miasa ny rehetra ary dia manomboka androany izany ity hetsika ity.

Ny tanjona : « DIASPORA MIFIDY @ 2007 »

Misaotra anareo rehetra. mandrikana

novalian'i fijo ny 10/02/2005 22:31
2. fijo ( 01/02/2005 23:24)
tiako tokoa io hevitra io,saingy tsy haiko ny manao ilay fika teknika fa hatoroy ao amin'ny hafatra azafady
3. mandrindra ( 02/02/2005 15:48)
Izao mihitsy no hevitra sady mahomby no ahitakosoa. Mety hoa azo atao ve hoe atao mpanao sonia eo ambany ny anarintsika malagasy izay monina aty ivelany. Raha be mpanasonia mantsy nety ho tsara kokoa sa ahoana ny hevitrareo.
4. ikaretsaka ( 02/02/2005 20:54)
dia ahoana ny fika aloha raha ohatra hoe gasy 1 ihany no mipetraka any @ le tany?
any bahamas, nicaragua, colombie, nepal, cambodge, argentine..
misy gasy izao fa 1 ihany.. de ahoana ny hatao @ reny?
5. fijo ( 02/02/2005 23:05)
raha misy cosul any dia mifidy izy ko.
6. ikaretsaka ( 10/02/2005 14:29)
ka izy aza letsy efa 1 ihany ny any @ le tanana .. "honjohonjony izy samirery" ko ahoana indray?
7. fijo ( 10/02/2005 22:31)
dia hafaka maifidy amin'ny famindrampahefana izy ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1509