Hira chorale sy SOLFA

81. nytanetyjaona ( 18/03/2015 08:33)
Salama daholo e!
Mba mitady hira chorale miaraka amin'ny solfa za io, hira azo ampianarina chorale aty aminay ze afaka manome e
82. Manantsa ( 21/03/2017 08:32)
Sali daoly an,
Amiko dia tsotra nefa mila fandavan-tena ny fianarana solfa.

Raha manana clavier na instrument de musique hafa misy feony (tsy batterie an ;-) ) enao d tadiavo fotsiny ny: DO RE MI FA SOL LA TI DO'
Dia tendreo, averimbereno, hirao (mety daholo na tononinao ilay naoty na ataonao "lalala" na hafa koa e).
Dia enaro tsianjery ny feony => ampiaraho amin'ny zava-maneno aloha, dia rehefa hay hay dia ataovy acapella.
Tendreo ny "DO" dia aza tendrena ny "RE" fa ataovy acapella fotsiny, dia tendreo indray ny "MI" dia ataovy acapella ny "Fa" dia tohizo hatramin'ny "DO'".

Rehefa hay tsy misy diso dia dingadingano indray (oh: do mi fa sol la ti do') (do mi sol la ti do') (do mi sol do') (mi fa sol ti do') ...
Ny itako tena mahomby amin'io mandingandingana io dia izao: ataovy miadana rehefa manao ilay exercice, dia raha toa ka "DO MI SOL" no ataonao dia tonony ny "DO" dia tohizo ao an'eritreritra ny "RE" dia tonony ny "MI" dia ataovy ao an'eritreritra koa ny "FA" dia tonony ny "SOL".

Ampiharo izany dia mazotoa mikotrana fa ho itanao ny vokany.
Mety hahaizanao mitendry ihany koa io teknika io raha tena miezaka ianao.

Mirary soa daoly e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2817