Fandraisan\'anjaran\'ny Namana Diaspora @ Fifampiarahabana

1. hery ( 26/01/2005 17:57)
Manahoana daholo,

Araka ny hitantsika rehetra dia hanao fifampiarahabana tratry ny taona ny Namana any Madagasikara (Antananarivo no marimarina kokoa). Fotoana lehibe ifampihaonan\'izay afaka izany.
Rehefa misy fotoana mahafinaritra toa ireny anefa dia betsaka ireo mba te hanatrika kanefa tsy afaka noho ny antony ara-bola. Fantatsika ihany ny toekarena any Madagasikara. Tsy ho ary ho vitantsika ny handefa Western Union raha vola kely mba tsirambin\'ny tanana no tiantsika halefa... ka izany indrindra no nahatonga ahy namoaka ny hevitra ny hanakambanana ny fanampiana kely izay azontsika atao.

Toa izao ny fandehany.
Mangarahara hatrany no hitantanana azy. Ka mba ahafahana manao izany dia ny PayPal no ampiasaina. Satria amin\'io PayPal io dia ho voa-araka tsara hoe iza no nandrotsaka fanampiana.

Ny fandrotsahana fanampiana dia mampiasa Carte de Credit amin\'ny serveur sécurisé an\'ny Paypal (mampiasa an\'io ny ankamaroan\'ny olona ary tsy atahorana io...)
Ny Rohy eto ambany no ampiasaina:
https://www.paypal.com/xclick/business=hery%40tim.it&item_name=Namana+Madagascar&item_number=200501&no_shipping=0&no_note=1&tax=0¤cy_code=EUR&lc=FR

Ny vola azo dia alefa any Madagasikara (amin\'ny adiresin\'i Naritsimba efa nomeny ahy) rehefa mihoatra ny saran\'ny fandefasana azy ao amin\'ny Western Union. Ny fandefasana western union aty aminay dia 9,50 Euros raha mandefa vola hatramin\'ny 65 euros. Koa raha mahangona vola mihoatra ny 9,50 euros isika dia alefa any Madagasikara hanampiana an\'io fety io. Raha tsy mahangona dia mijanona ao ihany hanampiana ny hetsika ataondry zareo amin\'ny manaraka.

Ny olona mandrotsaka vola rehetra dia hahazo fanamarinana avokoa... Ary ry zareo any Dago kosa dia hanome ny tatitra amin\'izay hampiasana ny vola.

Hetsika maharitra izao atomboka izao fa tsy hetsika fety fotsiny.

Dia misaotra antsika rehetra. Raha misy fanontaniana dia azo apetraka eto.

Hery
novalian'i iriana ny 23/02/2005 14:49
2. fijo ( 26/01/2005 21:06)
salama aby e.
i hery no tonaga aloha fa efa niresaka sy nisaina an\'io koa aho ka izao no fika ahamora azy.
ny fitiavanamana tsy natao hamono nefa koa tsy mety raha mijery fotsiny satria hita sy tsy porofoina amintsika intsony ny fahavitrian\'ny namana any mada mihetsika sy manao zavatra.ny anjarantsika dia ny mamporisika sy manohana.

fanohanana.
tsy mila hoe mandany vola be,fa izao no tanjona.isaky ny faritra iray dia atao izay ahazoana 10euros.ohatra(marseille=10euros)
raha misy bandy roa fotsiny izany ao dia samy manome 5euros aby dia tratra ilay izy.tsy be izay ary tsy ahafatiantoka antsika.
ko raha misy olona 5 ao izany dia 2 euros isany dia ampy,dia isika indray mandefa azy any amin\'i hery.
raha toa ka irery ianao ohatra any ambanivohitra dia jereo ny tanana lehibe eo akaiky anao dia amin\'iny ianao no miray.

jereo fa raha paris marseille lyon toulouse ary strasbourg fotsiny no mahavita io dia efa mahatratra izay vitany izay hoan\'ny namana any ka tsara ny mankahery ry namana fa mbola mety kokoa ny mandray anjara.
ka dia antsika ny mahita azy e.
3. ikaretsaka ( 26/01/2005 22:26)
ary raha olona 1 ihany no ao @ le faritra 1 lety?? atao heo misy nicaragua ato na philipines izay gasy 1 ihany no namana any dia ahoana?
dia ao paris misy 200 mahery dia ny ao iznay 5 centimes/pers?
eritreritra ny ahy a
4. fijo ( 27/01/2005 00:02)
dia miankina aminy izay ka.ny nanaovako an\'io dia ny mba ahamora ny fomba fanampiana.raha 200 ka samy manome 1 euros vao miha milay e
5. naritsimba ( 27/01/2005 08:06)
Miarahaba anareo rehetra eh!
Dia hisaorana mialoha sahady ianareo rehetra na ny vonona na koa ireo misalasala.
Izahay aty dia misy hetsika izay omaninay aty izay entina hanasoavana ny tsirairay sy ny manodidina azy. Tsy mora anefa ny manao izany satria mila ezaka goavana, araka ilay fiteny hoe: Antananarivo tsy vita iray andro ary ny tao trano tsy ho efan\'ny irery. Tsy voafetran\'ny isika namana ato ihany koa no mifandray fa misy ireo namana hafa izay tsy afaka miditra sy mijery ity tranonkala ity fa naman\'ny namana ary vonona foana hifanohana sy hifanampy, ao ihany koa ny fikambanana izay efa miara-miasa @ Fikambanana namanaserasera amin\'kitsipo izay tsy azo odian-tsy hita. Ary anisan\'ny zava-dehibe ho tratrarina ny fanapariahana ny Fikambanana mba tsy ho eto Antananarivo ihany no hisy azy fa hanerana ny Nosy mihitsy @ izay toerana tratran\'ny \"Internet\".
Hisy ihany koa ny hetsika izay hatao hitsinjovana ny tontolo iainana (fambolen-kazo) izay ho ezahina ho tanteraka @ ity taona ity.
Ireo zavatra ireo dia tsy vita mora avokoa fa mila olona sy mila vola daholo satria sao ny sasany alaim-panahy ka hilaza fa fety ihany no tena ataon\'ny namana aty Madagasikara fa manana ny tanjona mazava izahay aty ary ao anatin\'ny mangarahara tanteraka ny fitantanana rehetra.
Misy tokoa ireo namana izay te-handeha rehefa misy fihaonana nefa tsy azo omena tsiny izy ireny satria iaraha-mahalala ny hasarotry ny fiainana aty madagasikara @ izao fotoana.
Noho ireo antony voalaza ireo izay ambangovangony ihany dia tena ilainay tokoa ny fanohanana avy aminareo koa dia manolotra ny fisaorana an-tanandroa ho anareo sahady izahay.
Amin\'ny anaran\'ny namana rehetra.
NARITSIMBA
6. hery ( 27/01/2005 10:04)
Sao dia manahirana le resaka paypal? mitadiava fika hafa indray ary e.
Ny numero compte-n\'ny bankiko ve?
7. fijo ( 27/01/2005 22:09)
io hevitra mitambatra io no mahamora azy.fa ny finihavana sisa e.
8. hery ( 28/01/2005 08:48)
Ok, hatramin\'izao aloha mbola tsisy tonga na avy aiza na avy aiza. Miandry hatrany... fa miandry hevitra koa raha misy hevitra hafa.
9. iriana ( 23/02/2005 14:49)
Sao dia afaka jerena ihany ilay fandefasana sy fandraisana vola avy @ alalan'ny paositra (malagasy) satria ry zareo koa toa manao toy ny fikan'ny western union sao dia mora kokoa ny sarany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4899