FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA

1. naritsimba ( 06/01/2005 07:22)
Mbola mamerina ny fiarahabana antsika namana rehetra tratry ny taona vaovao 2005.

Araka ny fangatahan\'ny namana maro dia hanao fifampiarahabana tratry ny taona isika rehetra.
Izany dia atao ny SABOTSY 05 FEBROARY 2005 tontolo andro manomboka @ 9ora maraina.
Ny zavatra entina dia ny sakafo atoandro, zava-pisotro, tsakitsaky isan-karazany, fitaovam-pihinanana(lovia, sotro, vera sns) izay sahaza ny tsirairay sy ny namana entinao.

Ny toerana dia ho lazaina antsika eto ihany satria ao ny mangataka ny mba ho akaiky no aleha ary ao ny mitady ny toerana izay mivoaka kely somary ambanivohitra, koa ho an\'izay mahita toerana aleha dia afaka manoratra amiko.

Misaotra antsika mialoha.
NARITSIMBA
novalian'i fijo ny 25/01/2005 22:49
2. ramoul ( 06/01/2005 12:45)
Dia faly miarahaba anao tratrin\' ny taona vaovao2005 koa aho ry naritsimba :wink:
3. ralay ( 06/01/2005 17:35)
Mahafinaritra izany naritsimba fa dia misaotra anao mikarakara tokoa sady miarahaba anao ho tratrin\'ny mitsingerina ihany koa e. Dia hitohy hatrany anie ny fiarahan\'ny namana :D
4. lity ( 06/01/2005 22:19)
de ahona zany zay aty jangila :?:
5. arimalala ( 07/01/2005 09:18)
lity> d tongava aty re fa d hitombo mihitsy ny hafalianay e
refa tsy afaka tonga aty mo enao d azonareo namana any mahajanga anie ny miorganisé fihaonana ôtran\'ny ataon\'ny eto tanà e
6. eisy ( 07/01/2005 09:42)
organizeo fa zahay ho avy!!!!!
7. harena ( 07/01/2005 10:10)
any mahitsy misy toerana milay be , any amlay toerana hoe vangaina, misy ranobe (farihy) ala, voromanidina , hazo be azo ialokalofana , rano be afaka anjonoana, sns, 1000Ar, isaky ny fiara, tamazay tany farany aloh eh vao tam septambra 2004, ok
8. mihanta ( 07/01/2005 20:50)
d refa mifandom bera d tsarovy zahay,tratry ny taona daholo
9. ravatorano ( 10/01/2005 12:07)
mety ilay daty 05 febroary fa ny toerana kosa dia tohanako ilay hevitr i Harena io raha manaiky ny hitarika antsika any izy.
Ny antony dia izaho manokana aloha mbola tsy nahhita ilay toerana nefa toa tsapako fa milay marina araky ny fitantarany azy eo.
Raha misy namana hafa moa mahita toerana dia hodinihitsika miaraka eto ihany fa mba alefaso aloha fa manakaiky ihany ny fotoana.
Misaotra antsika rehetra
ravatorano
10. naritsimba ( 11/01/2005 05:58)
Miarahaba antsika namana rehetra eh!
Marina io tenin-dravatorano io, fa aoka koa ho voadinintsika fa fahavaratra ny andro koa tokony mba hisy toerana azo ialofana raha sanatria ka avy ny orana, sady malalaka ny toerana no misy trano azo ialofana izany no tena ilaina raha misy mahita.
Misaotra antsika rehetra.
NARITSIMBA
11. ikaretsaka ( 11/01/2005 06:29)
fa ilay sary moa hatr@ izoa dia lasan-ko resaka fotsiny fa nanjavona hatr@ ilay pelicule angamba :roll:
12. ravatorano ( 11/01/2005 06:59)
ika>fa sary taiza indray io ?
raha ilay farany teo dia mbola tsy vita kosa .Ny olana mantsy dia any amin ny namana hafa any ilay pellicule na ny K7 vidéo dia tsy hita hoe atao ahoana fa raha vao vita dia andefasana ihany ianareo kah !
13. ikaretsaka ( 11/01/2005 07:09)
leampefitety.. aiza ve ka efa t@ herintaona :-P
14. naritsimba ( 11/01/2005 07:12)
Raha ny sary photo no tianareo ho fantatra aloha dia tsy nisy naka t@ io fotoana io fa raha K7 Video dia efa vita daholo ary efa hitan\'ny namana sasany, tena milay be eh!
Efa eo ampamadihana azy ho VCD ankehitriny ireo tompon\'andraikitra @ izany.

Didy maso asiam-panafody r\'ikaretsaka mahareta fa hanana ny soa eh!
15. notron ( 12/01/2005 06:35)
- Raha ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona aloha dia tohanako 100%. Ataovy ny fandaminana rehetra de mba ilazao izahay rehefa vonona. @ frais sns...
Maro ireo namana mahavita ka mino aho fa tsy maintsy ho raikitra io e!
Mbola somary sahirana mantsy ny tenanay zao.
Aleo mba ilay asaina indray eeee! hihihihihi

- Ilay sary t@ 18 Déc anaty K7 VHS fa tsy afaka mamadika azy aho fa rah atoa ka misy afaka manao izany dia isaorako mialoha eto.

- Dia mahereza daholo ry namana, tongava maro fa tsy maintsy tonga foana no anaranay!

FyJL
16. sahouly ( 12/01/2005 06:56)
o ry zareo ah! fahavaratra anie ny andro e!!!!! izany hoe tsy maintsy mila trano izany, fa raha ankalamanjana dia tsy mety . Firariana aloha ny hahatsara ny andro e, saingy raha oh t@ ireny toetr\'andro teo ho eo izay dia tontolo andro ny orana fa tsy voatery ho hariva na alina foana.
17. ravatorano ( 12/01/2005 08:28)
sahouly v sira ka mataotra rano eh nenah aza ampiarahiko mihitsy amin ny vato ny rano kouh :-D :-D :-D
iza no ahafahana maka ireo K7VHS ireo ary eh mba ho jerenay na koa avadika ho numerik raha mety.
misaotra eh
18. sahouly ( 12/01/2005 08:58)
ie , sira vovony mihitsy aza
19. naritsimba ( 12/01/2005 12:57)
@ zoma dia tokony ho vita ny famadihana azy ho VCD raha tsy misy ny sampona eh!
20. chipie1 ( 12/01/2005 13:00)
miandry zany eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7119