Fanabeazana ve?

1. ikaretsaka ( 30/12/2004 05:22)
Tantara tena niseho ity! ary tany madagasikara.. sekoly anankiray ao Antananarivo!

Malaza moa izao ny mpivarotra mandende ka lasa lamaodin\\\'ny ankizy vavy classe de secondes no miakatra ny fanaovana Lokomena rehefa mianatra

Iny eo ihany fa mazana dia any ankabone ry zareo no mihosotra ary manana fahazaran-draty rehefa avy miosotra dia atao ba kely ny fitaratra dia asiana trace na lokomena, izay manahirana tokoa ilay ramatoa mpandio sekoly ny manala azy.

napetaka ny fandrarana da e e e.. misy ihany ny ampitson\\\'iny.

Farany dia nahita fika ny surveillant general
nampanantsoiny tany @ toilettes ry zavavy de nanaovany kabary ary ny antony nampanatsoiny azy dia ny hampiseho ny fomba fandiovanan\\\'ilay mpamafa trano ilay fitaratra . Nasaina nodiovin\\\'ilay mpamafa ary :
nalainy ny torchon ilay avy namafany kabone dia nolemany rano dia iny no nandiovany azy!

nanomboka hatr@ izay dia tsy nisy diana lokomena intsony ny fitaratry ny efitrano fivoahana tao @ ity sekoly ity...

Alefa ary ny eritreeritra sy ny ady hevitra! :
fanabeazana ve ? sa inona?
novalian'i moi ny 24/02/2005 11:04
2. chipie1 ( 30/12/2004 08:13)
zay alou nanao lokomena tany aminy toilette fa zamé manoroka fitaratra izany e!
3. sechat ( 30/12/2004 08:37)
:-D :-D :-D fanabeazana + sadisme :-D :-D :-D
4. xxx ( 30/12/2004 09:42)
Tena fomba milay be ny nataon\'ny mpanabe teto satria
de nahita ny fomba hampitana ny hafatra izy , sarotra ny mampita ny hafatra @ olona miala tantsakana toy izay lazaina eto ( surtout que en classa de seconde ) de zaza mbola tena mitombo sy miadaladala na dia afaka BPS aza izy ireo . Ka hitanareo fa mila atidoha be ny fanabeazana @ izao fotoana indrindra hoan\'ny zanak\'Andrenivohitra fa tsy vitan\'ny hoe \" aza manao toy izao na aza manao toy izany rankizy a. Ka tena fanabeazana io amiko .
5. ikaretsaka ( 30/12/2004 13:47)
chipie> ilay izy manao lokomena toa tsy olana loatra anie fa le fomba ratsy heo manoroka ilay fitaratra no tian-dry provizera esorina e!
6. sechat ( 30/12/2004 14:07)
ikaretsaka a! tsy mitombona zany eritreritry ry provizera izany!

Ny hafatra tokony hilentika ao an-dohan\'ireo ankizy reo de hoe:
\"reraka le ramatoa mpamafa fitaratra raha isakin\'ny voafafa le izy de lotoan-dry zareo fôna\" na hoe \"mba asio vidiny ny ezaka vitan\'ny ol hanadiovana ilay fitaratra\".

nefa ny azon-dry zareo zô @zany de hoe:
\"tsy horoana ny fitaratra fa maloto\".

Ity zany le jeu de 1 erreur fa tsy 7 erreurs tsony
:?: :?: :?:

marina fa hoe tsisy nanoroka tsony le fitaratra fa le fananarana tsy tafita.
7. ikaretsaka ( 30/12/2004 14:11)
ka marina ihany anefa ilay tenin\'i XXX hoe sarotra @ ilay ankizy miala sakany ny hahazo ilay harerahan\'ilay ramatoa raha mandio izy na ilay proviseur miteny hoe e tsy azo orohina ny fitaratra .
dia aleo ny antony anankiray hafa no ampisheo azy.. ilay miraikitra tsara ao an-dohany ...
8. sechat ( 30/12/2004 14:15)
de refa avy eo izy périmée ndray ny poudre de tezitra izy de afafiny eny @ fitaratra de ahôna? :-D :-D :-D :-D
9. xxx ( 30/12/2004 14:19)
raha za ny proviseur de asaiko manety ny volom... ny ry zareo dia plumeau vita @ volon.... no amafana azy ohatra na tsy haiko!
10. sechat ( 30/12/2004 14:22)
:-D :-D :-D :-D
11. rmbary ( 30/12/2004 15:59)
isika zany ra tsy atao tahaka izany tsy mba hatsapa tena mihitsy.
ilaina ve ny manafay @zany fomba zany?
ary raha ny fomba mahazatra ny olona sasany ary dia inona no vaha olana? :roll:
12. ikaretsaka ( 31/12/2004 15:01)
efa henoko koa ilay heo nanoratsoratra teny ratsy t@ saribo eraky ny rindrina dia nasain\'ilay mpanabe nolelafina!
13. pseudo ( 03/01/2005 21:10)
rmbary>tsy oe isika! fa rehefa tsy laitran\'ny balan\'ny fananarana kosa ve iza no handany rora sy fotoana aminy eo?
fa raha mbola mahatsiaro fa tompon\'andraikitra ianao de tsy maintsy mitady fika masaka kokoa!

mino aho mantsy fa ny fandraràna izay natao teo aloha dia nisy vokany ihany fa tsy 100%

tsy misy bemarenina mihoatra izay tsy te-ihaino.
14. ikaretsaka ( 03/01/2005 21:13)
izay mihitsy
15. fijo ( 04/02/2005 05:22)
amiko nety le anatra satria tafita ny hafatra hoe tsy mila lotoina ny fitaratra.
16. moi ( 24/02/2005 10:54)
Izay tsy vita ihany no asiana fitenenana e !

Tokony ho ny lokomena rehetra mihitsy no nosasana aloha mba tsy handoto satria vao miova sekoly ry zavavy dia manao ny hataony indray !
17. moi ( 24/02/2005 11:04)
Izay tsy vita ihany no asiana fitenenana e !

Tokony ho ny lokomena rehetra mihitsy no nosasana aloha mba tsy handoto satria vao miova sekoly ry zavavy dia manao ny hataony indray !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1602