FIRARIANTSOA KRISMASY

1. naritsimba ( 27/12/2004 06:02)
Dia faly miarahaba antsika namana rehetra ato amin\'ny NAMANA SERASERA.ORG tratry ny Krismasy 2004, enga anie hitondra fiadanana sy fifaliana ary fifankatiavana ho antsika rehetra ny fahatsiarovana ny nahaterahan\'i Mpamonjy dia Jesoa Kristy ka tsy ho iny ihany no ahatsiarovantsika azy fa ho tsarovantsika foana isan\'andro isan\'andro, ka ho tahafintsika ny fanetren-tena nananany satria tsy mba tany amin\'ny trano soa no nahaterahany fa tao an-tranon\'omby.
Enga anie isika rehetra ho tratry ny Krismasy maro mifandimby.
Dia mirary antsika rehetra ho tratry ny taona vaovao 2005.
Enga anie ho fifaliana ho eo ambany fitahian\'Ilay Nahary no ho entintsika miatrika izany faran\'ny taona izany sy iarahabantsika ny taona vaovao.
Manaova fety finaritra daholo e!
NARITSIMBA
novalian'i eisy ny 30/12/2004 06:57
2. fanja1 ( 27/12/2004 06:41)
Dia samy ho tratry ny xmasy marobe mifandimby indray e!!!!!!!!! :-*
3. yonikafopl ( 27/12/2004 12:02)
Ny fahasoavan\'Ilay Tsitoha anie ho amin\'ny fiainantsika rehetra.
Dia mirary soa hatrany ho an\'ny namana e
Manaova fety sambatra daholo :-* :-* :-*
4. mira ( 27/12/2004 13:48)
miarahaba antsika rehetra ny namana rehetra tratrany noely dia mba ho tahiny tompo ho tratrany noely lava be dia ho tratrany taona vaovao 2005 koa nie isika rehetra dia manao fety sambatra daholo e!
5. iarivo ( 27/12/2004 15:17)
(l)
6. fijo ( 27/12/2004 21:47)
dia hisinda anie ny krizy mafy any an tanana fa tena mampalahelo ny olona.
7. ramoul ( 28/12/2004 13:09)
misaotra betsaka Naritsimba a!
Dia samy ho tratrain\' ny krismasy am\' taona manaraka indray anie isika mianakavy eto am\' SERASERA.OGR
8. gegee ( 29/12/2004 22:37)
:* (l) :lol:
9. eisy ( 30/12/2004 06:57)
De mirary soa ny namana rehetra ;ny hafanan\'ny afon\'ny Krismasya anie hijanona ao an-tokatranontsika tsirairay avy mandritra ny taona vaovao. De mivavaka amin\'Andriamanitra hisy fifandeferana sy fanetretena lahibe eto amin\'izao tontolo izao.
De mba ho mora ny vary aty amin\'ny tanĂ na e!
Eisy!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1932