Fankalazana ny 5 Taona Namana (Tatitra)

1. fyjl ( 19/12/2004 04:36)
Miarahaba antsika Namana rehetra tsy ankanavaka tratry ny faha 5 Taona.
Arahaba sarasara ry Namana Serasera, tsy dia hanao sirasira aho akory fa efa soarasoara ihany vao nisaraka ny Asabotsy. Afaka ny sorisory ary nisinda ny serisery. Sursur ny tenako fa efa azonareo sarisary an-tsaina ihany angamba izay niseho :
Tamin\'ny 2 ora ny fotoana nifanomezana nefa maro ireo namana tonga mialoha io fotoana io, eny fa na dia fotoan\'ny orana aza eto Gasikara dia tsy nahasakana ny Namana nentanim-pitiavana izany.
Efa nampoizina fa tsy ho ampy ny 4ora iarahana nefa tsy maintsy natao izay nahampy azy.
Rehefa vita ny teny fohy fifampiarahabana sy fisaorana dia roso ny lanonana.
Nanala rôdazy kely t@ tsinjaka aloha dia niroso t@ fifankalalana araka ny mahazatra.
Tsapa fa mitombo isa hatrany ireo namana ary hita fa misy ireo izay tsy voasoratra ato @ lisitra Namana nefa tonga hatrany @ fihaonana tahaka ireny.
Araka ny fifandaminana napetraka moa dia samy nitondra izay zakany. Ary ireny no nampifanampiana t@ ireo sakafo efa nomanin\'ny mpikarakara mialoha.
Tsy nisy nankana aina mihintsy ny finday fa sesilany ny antso filana hevitra ny @ ilay toerana hanaovana ny lanonana sy ny mombamomba izany.
Efa tsy ho antonona efitrano intsony isika ka @ manaraka angamba atao ankalamanjana izy ity.
Eeeee! zany hafaliana mitsinjaka sy mitotorebika miaraka @ ireo mpikabary nanao hira gasy (Gasy ka Manja), mahafinaritra ka. Tsy fahita firy e!
Tao ireo be fihatsehana, jejojejo fa nalaina sary t@ camera. Tao kosa ireo izay nitsitsy haina ka naka tsy taitra. Ny mpanao PV moa dia somary naka sisiny araka mahazatra. Nifanome adiresy, finday, fotoana, anarana, sns...
Maro ireo nilaza fa hisoratra anarana fa toa mahafinaritra ny miaraka aminareo.
Rehefa tonga ny fotoana dia niarahana nanapaka ny mofomamy (Gateau) ary niarahana nizara. Nanana hendrika hafa tsy toy ny mahazatra io mofo io, efa-joro ihany izy fa misy tendrony telo eo ambony. Ho hazavaiko etsy ambany ny heviny fa sao lava loatra raha eto.
Indrisy anefa fa poa toy izay dia tonga ny t@ 6ora hariva. Hody sahady ve? Sao dia tsy rariny?
Tsy afa-manoatra anefa satria na tiana foana aza ny hiaraka voatery tsymaintsy hisaraka.
Tsy nanaiky ireo namana maromaro fa mbola nifanaraka teny ary nitady toerana hafa indray mba hanohizana ny \"ambiance\" ary efa tena alina be mihintsy vao nisaraka. (Mandeha ihany ny PV @ io).
Raha fintinina dia afa-po tanteraka ny tenako ary na herinandro aza nankalazana izany faha-5 Taona izany dia tsy ho ampy mihintsy raha ireny no jerena.
Ho ela velona éééééééééééééééééééé!
novalian'i faravavy ny 10/01/2005 02:05
2. fyjl ( 19/12/2004 04:46)
Mofomamy :
Ireo tendrony telo no mampiavaka azy. Inona no heviny? Fifankatiavana - Firaisankina - Fifanampiana. Tsy natao naranitra anefa izany fa miendrika silabolana satria tsy natao hanindrona akory. Ny hitsiny tsara (bord franche) no midika fifampifehezana ary ny nametrahana azy tery ambony dia noho izy lolohavina an-tampon\'ny loha.
Telo ireo voalaza ireo nefa iray ihany raha tena adiadiana.
1 - Ny fifankatiavana no mampisy ny firaisan-kina ary ny firaisan-kina miha mahatonga ny olona mifanampy.
2 - Ny firaisan-kina dia tsy vita raha tsy anaty fifankatiavana ary tsy afaka ny hifanampy raha tsy misy ireo.
3 - Ny fifanampiana tsy vita raha tsy misy fifankatiavana ary ny mifanampy no antsoina hoe miray hina.
3. mozart ( 19/12/2004 05:46)
misaotra betsaka an\'i Fyjl t@ famintinana ny tantara, ny tenako moa de efa mpiaraka aminareo fa noho ny olana teo @ lafiny asa de tsy afaka nandeha na de efa nifanome RDV aza fa tsy maintsy handeha, ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona e! na de tsy tany aza ny tenako de nanjohy anareo mandrakariva! misaotra ny namana nifanampy nikarakara sy ny tonga rahateo satria zava-poana izay natao raha tsy teo ianareo ireo! ho ela velona anie ny namana serasera (l) (l) inoako fa nisakambina nitondra nody ny sasany an! :* :* :*
dia mirary fety sambatra ho anareo ny tenako ary enga anie ho tratry ny taona vaovao 2005 isika rehetra sy ny serasera.org
fisaorana manokana ho an-dry Ravatorano, mcz, fyjl, naritsimba, glou_,herylo,voahirana, aidan,capitou,mimich,blackman,bainah,sns..........................tsy ho voatanisa eto eh! enga anie mba hitohy hatrany izao fahavononantsika izao ry zalahy a! bonne chance jiaby e! mozart
4. ralay ( 19/12/2004 16:45)
Tsy hita moa izay ho lazaina fa dia nanaraka anareo an\'eritreritra tokoa tamin\'iny andro iny fa dia tena tonga lafatra tokoa ny fankalazana ny faha-5 taona iny. Isaorana daholo ianareo rehetra tamiin\'izany ary indrindra ireo izay nikarakara sy nanampy t@ fanatotosana izany fety izany. Isaorako manokana koa ireo mpanao tatitra rehetra izay manome fahafinaretana anay izay tsy tonga tany an-toerana. Ny hirariana dia ny hitomboan\'ireo toko telo voalazan\'i Atoa fyjl ireo.Ny hamaranako azy dia mirary antsika rehetra ho vita soa ny fety daholo ka samy hanana ny fahasalamana dia ho tratry ny faha-10 taona indray isika rehetra. :lol: dia ampy.
ralay
5. naritsimba ( 20/12/2004 05:26)
Miarahaba antsika namana rehetra.
Tsy hanalava resaka intsony akory ny tena raha hanoratra eto ary tsy hoe tsy ampy akory ny tatitra nataon\'ny fyjl fadia tena feno tokoa.
Mety hisy alaim-panahy indray angamba ny namana sasany hanontany hoe firy ny mba isanareo tonga tao, raha ny vinavina no omena eto dia manodidina ny 100 mianadahy mianaka eo izahay rehetra tonga nankalaza ny faha-5 taonan\'ny namana serasera iny.
Isaorana manokana eto ireo CAMERAMAN mirahalahy izay nanaiky ho tonga ary nanolotra ny fahaizany maimaim-poana mba handrakitra an-tsarimihetsika iny fotoana tsy misy toa azy iny na dia tsy mpikambana feno ato @ Namana serasera aza izy ireo dia tonga nanolo-tanana satria ny Naman\'ny namana dia namana koa. Nampihetsi-po ny maro ihany koa ny hira natolotry ny Tarika Hanitra Nentin-Drazana avy eny Ambohipo izay nampiseho ny maha-iray antsika Malagasy rehetra na ny avy eto an-toerana na ireo any am-pitan\'ny ranomasina, ka nanehoan\'izy ireo fa ny Namana dia iray ihany na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany( Tiavo gasikara na aiza misy anao na aiza fa aza Complexé) fa ny fifankatiavana, fihavanana, firahalahiana, firaisankina, ny anatranatra dia voalaza tao anatin\'ny tononkira avokoa ary ny fihetsika sy ny dihy dia tena nahavariana ny maso,.afa-po ny maso sy ny sofina.
Koa dia asakasakareo tsy tonga t@ iny indray mitoraka iny.
Ny adidy vita, ny namana azo, ny kibo voky, ny tenda afa-ketaheta, ny fahafinaretana tsy ambakan\'ireo rehetra ireo.
Ny azo lazaina dia ny hoe: mahay mifaly ny namana, koa mateza ny aina e!
Enga anie tsy harary raha tsy tonga ny aretina, ary tsy ho faty raha tsy tapitra ny aina.
Ho ela velona ny mpikambana namana serasera.
Ho ela velona ny NAMANA SERASERA.ORG

Amin\'ny fifampiarahabana tratry ny taona indray mihaona izay tsy afaka tamin\'iny fotoana iny ô!
:D

6. xxx ( 20/12/2004 05:52)
Salama e!
Misaotra an\'i fyjl nanao ny tatitra sahady, izany tokoa no mampiseho fa mahay mifandamina sy mifandrindra ny mpinamana.
Ny tenako moa dia mbola vahiny raha ny namana serasera no lazaina kanefa dia ôtran\'ireny efa nifankahita ela ireny tonga tao @ INTH, tsy nisy vahiny tao fa dia tompo-trano daholo. Isaorako ny namana izay nitondra ahy t@ iny fotoana iny.
Raha ny fahitako iny fihaonana nentina nankalazana ny faha 5taona tao @ INTH iny aloha dia tsara nahafinaritra nahalalako ireo mpinamana mpiserasera rehetra eto ary nahitako ny tsy mbola fahitako ary nahalalako ny tsy fantatro, aiza no anampoizako fa izany Naritsimba izany ange ka mahay mandihy tena dihy Malagasy, ny fahitana ireo namana sasany izay niezaka nanaraka ny dihy nataon\'ny tarika Hanitra nentin-drazana.
Ny fandihizana afindrafindrao @ zava-maneno malagasy(angorodao, aponga, langoraony) izay nahavariana tokoa. gasy ka manja.
Maniry ny hitohizan\'ny toy ireny ny tena, ary misaotra @ fandraisana fa tena nahafa-po tanteraka.
Hiezaka ny hirotsaka lalina @ manaraka fa vao santatra ihany iny indray mandeha iny.
mankasitraka mankatelina ireo izay nikarakara.
misaotra betsaka ô!

MEME
7. ravatorano ( 20/12/2004 06:15)
za aloha d tsy hitako loatra izay ho tenenina satria tara vao tonga fa tsy nahita ny fiatombohany ka vakavaka ihany niditra tao ary nifandipatra ny tongotra nahita ireo naman nitombo isa indray >
Mahafinaritra ny toy ireny fa hiezaka amin izay zany isika amin ny manaraka mba hanao lamin asa hafa ankoatran ny fety na izany aza ny fety dia tsy hadino fa io no mampiray.Ny hetsika toy ireny dia azo hitarafana fa namana mahatsapa tena sy manana ny maha izy azy ireo namana tonga tao satria vita hatramin ny farany tsisy tomika ary taoa anatin ny filaminana fifanajana ary tsikitsiky feno fifaliana fa tafahoana indray eh.
Favy daholo nareo ry namana ah :-*
8. mimich ( 20/12/2004 07:38)
Nahafinaritra ka !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!, tsy nahasakana ny maro ny andro ratsy sy ny orana nijohy tsy an-kiato.
Ny tena marina koa dia izao e ! t@ fotoana hatongavan-dravato zany efa feno hipoka ny trano, dia tsy afaka niditra izy fa teo am-baravarana ihany, de izy moa io somary kelikely iny ihany, dia olona roa aloha navoaka ahafahany miditra fa nilaina izy t@ fanapahana ny mofomamy.
Naritsimba> ny 99 mbola manodidina ny zato, fa ny mahalaza azy kokoa angamba dia 100 mihoatra (mahery)
Poupounesana sy arimalala> ahoana ilay resaka tany anaty taxi-be e ! raikitra an!!!!!!!!!!!!
9. xxx ( 20/12/2004 08:19)
Mahafinaritra tokoa ny maheno izany fa dia ho ela velona ny 3F noraiketin\'ny mofomamy e !
Samoina
10. mimich ( 20/12/2004 08:52)
samoina> efa nametrahako sambos sy mofomamy mihitsy ianao sy didi fa ny olana dia tsy hita izay fomba nandefasana azy :-D :-D
11. poupounesana ( 20/12/2004 09:48)
d zé tsy tonga tany d mbola entanina eh!
12. arimalala ( 20/12/2004 14:42)
mimich, poupoun> aôna le resaka e
efa nanoratra kely ihany aho d sonia olona telo d ...... ny tao aoriana
13. xxx ( 20/12/2004 14:45)
mimich > tsy azo no-congeler-na angaha ? hihi
Misaotra na izany aza e ! Voky enao, voky zahay rahavana ! :-*
samoina
14. tenio ( 22/12/2004 09:33)
mimich, poupou, arimalala> inona indray izao complot-nareo 3 mirahavavy ao izao?
15. fijo ( 22/12/2004 22:28)
kay poupou very frezy ko.raha tany aho laniko ny gateau ndry
16. xxx ( 28/12/2004 05:40)
Manao ahoana daholo.
Nanontany aho hoe inona no tokony atao fa am-pitandranomasina no misy anay ,dia fomba ahoana no azonay hanampiana.,dia tsy nisy namaly mihintsy dia bon anniversaire fotsiny sisa no azonay atao.Veloma ô.
17. fijo ( 28/12/2004 22:39)
za koa tsy nahita le handefasana ny fanampiana fa sady maty ny ordi ka amin\'ny manaraka isika mba mihezaka e
18. faravavy ( 10/01/2005 02:05)
Aty alavitra aty moa no misy anay.Sambatra ery ianareo izany.Hita soritra @ny tatitra fa olona sympa daholo.Misento tokana fotsiny!Ka inona ary no atao eo.Ny mentalité toa mihova rehefa aty ampitan-dranomasina aty.Raha mba misy ary izany fihonana izany toa hitako hifampijerijery eo fotsiny dia avy eo indray tonga ny fitsikerana fa tsy ohatranreo mifamporisika (féliciter) rehefa vita ny fety.Esy mbola ho ela e!!Sambatra ianreo nihaina an\'izany.Mazotoa dia veloma ny aina mba hitohy ila 3F. (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1728