You are here: home> Forum

Boky na mpanoratra ?

Lohahevitra : vetso.serasera.org
Fitohizan'ny hafatra : Boky na mpanoratra ?
Valiny : 29
Pejy:  1 2 > 
nikopol - 17/12/2004 12:41
Inona ny boky na mpanoratra gasy ni-marker- anareo?
Ny ahy ny \"fofombadiko\" ED Andriamalala.
Valio | Miverina eny ambony
hery - 17/12/2004 12:48
\"Vohitry ny nofy\" - ED Andriamalala koa :-(

Misy zavatra toa izao ao fa raha mba misy manome ahy ny tena nolazainy:
... toa ny mizana ny fifankatiavantsika sy ianao. Rehefa tia anao aho ka mba mieritreritra ny filan\'ny nofo dia heverinao fa mirona @ zavatry ny nofo dia miala ahy ianao. Rehefa miala anao indray aho dia heverinao fa niala tamin\'io filan-n\'ny nofo io dia manomboka tia ahy be be kokoa indray ianao...

Valio | Miverina eny ambony
nikopol - 17/12/2004 12:56
Hery ohatran\'ny ao anatin\'i Fofombadiko no nahitako an\'io resaka io, farafaharatsiny ilay \"theme\"
Valio | Miverina eny ambony
lanto - 17/12/2004 12:58
Hetraketraka (mbola tiako ho vakina foana) Fa tiako daholo rehefa ED Andriamalala.
Valio | Miverina eny ambony
kally - 17/12/2004 13:23
Ny ahy koa tiako daholo ED Andriamalala fa ny tena nampalahelo ahy dia Mitaraina ny tany-Andry Andraina.
Valio | Miverina eny ambony
chipie1 - 17/12/2004 13:47
nena le \"orimbato ny fiadanana\"
Valio | Miverina eny ambony
nikopol - 17/12/2004 15:12
lanto tiako kou io! kally tsy mbola novakiako io ! Chipie ie, io koa efa hitako fa tsara !
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 17/12/2004 15:48
Ny anà koa Mitaraina ny tany an\'i Andry Andraina sy ireo sombin-tantara be dé be ao @ Takalaka Notsongaina 2, na in-1000 averina vakiana ara tsy mankaleo.
Valio | Miverina eny ambony
sechat - 17/12/2004 15:56
nenà efa ela loatra a no namaky azy farany de tsy tadidiko tsony ny lohateny sy ny mpanoratra. Le misy an\'ilay dokotera mipetraka @na vohitra 1 de manamboatra karazana zavaboary avy @ ol sy biby mitambatra.
tsy haiko na misy mahalala fa mbola tiako tadiavina zay boky zay ?
Ny pb kou aty tsy misy boky gasy misy de tsy afaka mividy nefa za mitady mitsy. :cry:
Valio | Miverina eny ambony
nikopol - 17/12/2004 16:07
Booboo, Irene Ralima any Rabearivelo tao amin\'i takelaka notsongaina anisan\'ny tiako !
Inona izany ry sechat , film vazà no hitako mitovy io tantaranao io :\" l\'Ile du Docteur Moreau\" ! fa ny tantara gasy misy dokotera izay, dokotera rafatro angamba, dia ilay dokotera nanao anti-dote-mpitia fa tsy te hitia intsony de jokotra fa lasa surdose ! tsy tadidiko ny titre !
Valio | Miverina eny ambony
sechat - 17/12/2004 16:12
Nikopol> \"Dokotera Ravelona\" ngamba ny titre fa tena tsy tadidiko tsony le iz. Tena misy an\'io boky gasy io ka ary tena tsara le iz.
Valio | Miverina eny ambony
nikopol - 17/12/2004 16:20
sechat mety i Idealy Soa indray raha izay fa ohatran\'ny taditadiko indray !
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 17/12/2004 18:57
ny ahy takolaka notsongoina anankiroa no hitako tany le...
Valio | Miverina eny ambony
maditra - 17/12/2004 23:43
Vakivakim-piainana, Bina, kintana mainty(Idealy soa),...
Tiako be ireo ary tsy mankaleo!
Valio | Miverina eny ambony
kally - 18/12/2004 20:06
Ie!Bina tsara fa izaho kosa aloha tsy tia Idealy soa mihitsy e!tena tsy tiako!!!
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 18/12/2004 20:51
2 isika izany no tsy tia
Valio | Miverina eny ambony
mihanta - 20/12/2004 22:32
efa voatonona daholo le tiako
Valio | Miverina eny ambony
bichette - 21/12/2004 08:43
nena kou
Valio | Miverina eny ambony
lanto - 21/12/2004 11:09
mba lazao foana na de mitovy é!
Ity aloha mba misy filazana : ho an\'ze ho any Dago ka hitondra voan-dalana ho ahy de boky entina .....:p
Valio | Miverina eny ambony
tsiperifery - 22/12/2004 08:24
Fofombadiko/Vohitry ny nofy/Orimbaton ny fiadanana(nosoratan\'Andriamiadanarivo moa iny ?)
Nahitàna tsirony tokoa namaky azy ireny saingy tsy de tadidiko loatra intsony ny tantarany. Sao mba azonareo namana hanaovana famintinana tsotsotra ?
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  1 2 >