Fety sy fihaonana

1. zaal ( 13/12/2004 05:09)
ndao mba hiasa amin\'izay fa aza variana mifety foana
novalian'i fijo ny 23/12/2004 21:53
2. loockx ( 13/12/2004 05:14)
ngà kosa rah mifety d tsy miasa miitsy e. nenay ny asa atao amfety tô vita tsy natao. Amzay ny asa vita ny revy mandeh :)
3. ravatorano ( 13/12/2004 06:44)
samy marina ny anareo roa fa d misaotra fa misy isainana tsara izany.
Hatramin izao aloha dia mbola eo ampandaminana tsara ny rafitra entina miasa ao anatin ny namana serasera ny namana maro2 vitsy2 izay sahy mandray andraikitra amin izany ary ho avy tsy ho ela ny asa ary dia mba minagavy an i zaal na i laza handray anjara mavitrika amin izany :wink:
4. ketoka ( 13/12/2004 12:30)
zaal> Ny anay ny fety dia fotoana fakana bahana hanovozana hery entina miasa. Ary matoa izahay miasa dia mba ahafahanay mifety.
Ajanony ny iray amireo raha izay no mety aminareo fa izahay efa vizana milaha-bary ka mila manalazy.
Tsaro fa manana 12 volana isan-taona ny ankizy ahafahany mifaly. manana 52 herinandro ihany koa ary manana 365 andro isan-taona.
Izay voaresaka eto ihany no fantatrareo fa eny an-tenatenanay eny izy fotsiny.
Ny fihaonana atao tsy sanatria fivorin\'alika akory fa ahitanay tombotsoa isaky ny mihaona. Ary ifanentanana fa tsy ifanerena.
Ka ataovy izay tianareo fa ny anay aloha dia izay e!
5. fijo ( 13/12/2004 21:21)
tsy dia hoe mankahala fety kosa ngamba ity namantsika ity,fa ny tena tiany lazaina dia ,ny mba hirosoan tsika amin\'ny rafitra na dimgana ambony kokoa mba ahitana ny soa amin\'ny fiarahantsika.tsy ratsy izay ,fa io efa voalazan\'i ravato io,vitsy ny namana sahy mandary andraikitra,ary sarotra le manentana azy.
6. ketoka ( 14/12/2004 11:15)
Ny tsirairay samy manana ny asany. Ny fihaonana no ahafahana miara-miasa. Ary tsy misy fiaraha-miasa azo foronina anaty fahatezerana fa tsy maintsy anaty hafaliana. Raha olombelona no tsy mahatsiaro asa dia tsy olombelona izy izay. Ny biby aza mahalala mitady izay harapany.
7. fijo ( 14/12/2004 22:10)
marina tanteraka io
8. fyjl ( 15/12/2004 08:13)
hihihihihi! aza de mafy fiketoka loatra klou e!
Misy fahamarinany daholo tokoa ireo.
Mety ary tokony mihintsy isika Namana mba miara-mikaroka izay hahasoa fa tsy voatery ho mahafinaritra foana.
Tsara io hevitr\'i zaal io fa somary fipetraka ihany satria na za kou aza mba taitra.Ratsy fipetraka satria ny fanentanana fet etsy an-daniny, ny hevitra toa mifanohitra koa an-kilany.
Fehiny :
Lohahevitra tena tsara io fa ny fotoana nisehoany fotsiny no tokony namboarina kely.
9. fijo ( 15/12/2004 21:57)
araka io efa nolazaiko ery ambony io
10. miharina ( 23/12/2004 21:09)
miresaka fety isika fa sendra nijery an\'i Tiana an-tsehatra tany La Réunion aho dia gaga fa hay tsara be ny fampisehoany miaraka @ ilay kambana tsara tarehy be ireny , raha mba mandalo Dago ireny dia mba ho avy foana aho fa tsy nampoiziko , ny hira koa tsy sega fotsiny fa mifangaro tsara
11. fijo ( 23/12/2004 21:53)
iza ndray le tiana ry zareo an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1543