Faha 5 taona : handray anjara ny aty ivelany?

1. hery ( 10/12/2004 20:38)
Ho an\'izay mipetraka aty ivelany indrindra ny hafatra.
Resaka efa nandeha any amin\'ny forum manokana vitsivitsy ka atrangako eto hifampidinihana.
Manomana fety faha 5 taona ny Namana any Dago. Mila vola daholo ny hetsika ary hitantsika ihany ny fahasahiranana any. Nahazo hafatra avy amin\'ny mpiandraikitra iray aho raha ohatra ka mba misy azon\'ny aty ivelany hanampiana azy ireo ahafahan\'ny rehetra tonga na dia izay sahirana tsy afaka mandray anjara amin\'ny fitondrana sakafo aza.
Mazava ho azy, tsy vitan\'ny \"Foibe\" izany (ny ato antranonay ve izany? :-) ) ... koa manokatra ity hevitra ity mba hifampidinihantsika.

Ny hevitra voalohany hitako dia ny fanokafana compte kely (paypal) dia izay voarotsaka ao no alefa any alohan\'ny 18. Hmmm herinandro sisa.

Aza adino. 1 euros = 12.000 fmg
novalian'i hery ny 17/12/2004 12:32
2. mcfy ( 11/12/2004 23:53)
Azavao tsara ary aloha le hoe paypal fa mety betsaka ny ts mahazo an\'io. Dia ho hita eo izay hita fa mety.
3. mcfy ( 12/12/2004 00:04)
Saika adino: le 12.000fmg nefa inn no azony? sao d tsy mahazo botakely akory k ho fisaka eo daholo ny pokona. :lol:
4. fijo ( 13/12/2004 22:45)
raha handefa fanampiana any tokoa anie,ka tsy hita hoe aiza no tena tsara handefasana azy e.
5. mihanta ( 13/12/2004 22:49)
za mitrotro anareo am bavaka mba hahatomombana anzany.refa mitsinjaka any paris za mahatsiaro anareo
6. naritsimba ( 14/12/2004 06:06)
Miarahaba anareo namana any ivelany rehetra.
Raha ny fanontaniana apetraky fijo hoe: aiza no andefasana ny fandraisana anjara ataonareo dia tsotra be. Azonareo alefa amiko io fanomezana alefanareo io satria izaho ato @ Western Union no miasa.
Koa alefako any @ Hery ny adiresy dia izy no mandefa azy.
Dia misaotra betsaka anareo sahady.
7. ravatorano ( 14/12/2004 06:52)
hita sy voavaky fa d misaotra amin ny fahamoram ponareo namana rehetra any na ny mitrotro ambavaka na ny mitrotro ara pitaovana na ireo mitrotro ny tsy fanadinoana eh :-*
8. fijo ( 14/12/2004 22:11)
ok izany e
9. yonikafopl ( 15/12/2004 19:53)
za kosa kalou tsy handefa vola hividiananareo botakely e!!!
Fa nga tsy mifety raha tsy misotro toaka ??? :cry:
10. fijo ( 15/12/2004 21:58)
fety ve letsy dia rarana ny sasany amin\'izay reviny le
11. yonikafopl ( 16/12/2004 18:42)
samy malalaka @ ataony ny tsirairay ka! fa we za fotsiny no tsy hanome raha hividianana toaka
12. fijo ( 16/12/2004 21:01)
ary ireo tsy misotro toaka?
13. hery ( 17/12/2004 12:32)
Rahampitso ilay fety :-)

- Tsy mbola misy vola natao ho an\'ny fety rahampitso tonga aty amiko.
- Tsy mbola nisy adiresy nalefan\'i naritsimba ihany koa (sa tsy voaraiko)?
- Henoko fa nisy nandefa vola direct any Dago ny avy aty Italie ka inoana fa ho voaray (raha lasa tokoa)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3321