Afoizo ny ala atsinanana

1. hery ( 01/12/2004 13:42)
Fiteny foana hono ny hoe \"Ngah ho lany ny ala atsinanana\" satria ohatran\'ny hoe amazone zany mihitsy iny ala iny... lainga be... mandehana any Tamagà dia ho hitanao fa efa babangoana ny ala atsinanana. Ny manamorona ny arabe ihany no mody misy hazohazo fa ny any anatiny efa main\'ny tavy daholo. Raha mandeha an\'le avion kely ireny dia mahita solasola maro be...

Ho desert koa zany Madagasikara raha izany kou :-(
2. cutie ( 14/04/2005 13:55)
de in ny tokony atao zany ??
Avela ho desert ve Madagasikara??
3. sipagasy ( 11/05/2005 23:48)
tokony hamboly hazo 10 ho an'ny tokantrano 1 ohatra!!!
karamaina atao inona ny depiote fa tsy hanara maso ny faritra sahaniny avy???? :-*
4. kally ( 12/05/2005 12:49)
Folo aza mbola vitsy ry sipagasy,faly mihinana ny volam-bahoaka fotsiny,tsy mbola naheno aho na olom-boafidy iray ka mba nanolo-kevitra ny @ tontolo iainana.4x4 foana no mahamay,any e?
5. pitchou ( 23/05/2005 20:14)
ny députés ve no andrasana? fa misy ihany kosa aloha ry kally ny deputés tena miasa mafy ho an'ny tontolo iainana e!

fa raha ny tsirairay no mamboly hazo 10 isan-taona dia efa mba hafahafa kokoa izay! izaho manokana aloha dia tia mamboly hazo satria izaho koa mba tia irony fanaka vita @ hazo irony (fa tsy le plastika be doré doré ireny)!

le tevy ala aloha d tsy araka hatramin'izao e! sady fomba fanao nentim-paharazana le izy d mbola mila esorina ao anatin'ny sain'ny mpanao azy
6. kally ( 24/05/2005 18:00)
Mety mihitsy aloha samy miainga @ isan-tokatrano fa tena ilaina koa ny fandehanan'ny mpanao pôlitika fa tsss,mbô iza izany miasa ho an'ny tontolo ianana izany ry pitchou?

Mhmm aza hitako marina izany hoe fongana ny ala ka tsy maintsy ho vy sy plastika daholo ny fanaka...nefa dia ho tanteraka tokoa angamba izany tsy ho ela.
7. pitchou ( 26/05/2005 20:48)
ka raha hiainga isan-tokatrano dia izao no mba soso-kevitro: aoka re hiezaka tsy hampiasa saribao sy kitay hazo! raha mahay mampiasa gazy, dia mora kokoa ny gazy (tsy mbola ampidiriko ny fanadiovana ny loto ateraky ny saribao @zany an!). Maty tsy hisy herinaratra any ambanivohitra nefa raha mba herin'ny masoandro no andrahona sakafo na d @ atoandro fotsiny aza dia efa mihena be ny fampiasana saribao sy kitay!

kally> aleo isika tsy hanonona anarana eto kosany e! fa tena misy ka! raha tsy izany tsy hiantona daholo ze lalana momba ny fandrarana reehtra mba hiarovana ny tontolo iainana?
8. kally ( 27/05/2005 07:51)
Eeee! tsara ny hevitr'i Pitchou fa raha mba fantatr'i Pitchou mantsy hoe ny ankamaroan'ny mpampiasa kitay sy saribao dia isaky ny hanokona vao mitady vola hividianana,50 na ariary zato isak'izay mandeha dia aiza no hahaitany vola be hatontona inray mandeha hividianana gaz na ny fitaovana hafa?
9. pitchou ( 27/05/2005 13:54)
izay no nahatonga ahy hanatsidika le fampiasana ny herin'ny masoandro! nisy andrana natao tany nosy-be momba io vilany sy lafaoro io! fa tena mety! tsy zavatra sarotra mankaiza akory le izy fa azon'ny gasy bricoler-na kely ! dia ny vilany ampiasaina moa dia vilany kôkôty ireny ihany saingy mainty daholo ny ivelany mba hanangona ny hafanana!
mahagaga anefa fa na dia samy nihaily aza fa mahomby le izy d tsy misy ezaka nataon'ny fanjakana hanaparitahana le izy!

ny fatana mitsitsy saribao koa dia tsy voatery hividy ireny lafo be ireny fa afaka manamboatra. Tsy sarotra an! misy koa fampiasana ny bozaka sy akofa
10. Herimiafina ( 23/08/2005 19:05)
Ny politika terena arahintsika no tena manimba ny tontolo iainana any amintsika any. Demokrasia tsy voalanjalanja, zon'olombelona, fisitahan'ny fanjakana, sns. Hany ka maro be ireo milaza azy ho madinika mba hanamparana ny tsy fanajany ny fananana iombonana.
11. Herimiafina ( 24/08/2005 18:10)
Jereo ny ataon'ny be kintana fa contraire amin,izay teneniny harahin'ny firenenna madinika. Ny Banque mondiale no ampiasainy amin'izany....
Ny hevitra ambandika: hiverina atsy hoa atsy ny colonisation vaovao à l'amerloc ka ny ressources naturelles no hanamparany ny heriny. Ankorontany ny politika any amin,ny tany be ressources naturelles amin'izay ialahy isany mangataka foana dia eo ambany fifehezany.
Miheritreritra foana aho hoe sao mba misy manakarama aza ireny mpanao politika be tsikera sy manankorontana ireny?
12. Herimiafina ( 28/08/2005 22:44)
Mba kiano io hevitra io ry zareo an, mila fanankianana aho fa mi-stagne le niveau ko, amin,izay koa aho hahita havaly foana maba hampiakatra le niveau nareo. Ny tsy fajhaizako ninoninona no hangatahako izay echange izay, omeo ny maharary mihintsy raha tianareo e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0002