SABOTSY 18/12/2004, faha 5 taona NAMANA SERASERA

1. fyjl ( 29/11/2004 06:17)
Faly miarahaba antsika namana rehetra

Araka ny tapaka t@ fivoriana natao ny 27/11/2004 tany @ Glou, dia atao ny 18/12/2004 ny fankalazana ny faha 5 taonan\'ny Namana serasera.
Izany dia atao ao @ INTH (Complexe Ampefiloha), ny fotoana dia manomboka @ 2 ora tolakandro.
Ny zavatra atao amin\'izany dia:
-Fifankahalalana
-Fitafatafana ary dinidiniky ny mpinamana rehetra
-Hirahira sy Dihy
-Fiaraha-misakafo

Ny fandraisana anjara dia ny fahatongavantsika, samy mitondra tsakitsaky sy zava-pisotro ny tsirairay araka izay zakany.
Afaka mitondra ny namana izay entiny na dia tsy mpikambana ary.

\"vimbino izay zakanao miala any an-trano, ary sakambino izay zakanao rehefa mody\"

Aoka mba ho mari-potoana fa andro iray ihaonana io andro io, koa aoka tsy hisy anao kobaka am-bava.

Am-pitiavana sy am-pirahalahiana izany rehetra izany.
Raha misy mila fanazavana fanampiny dia afaka manoratra na manontany ireto namana ireto:Fyjl, ravatorano, glou, capitou, voahirana,naritsimba,mimich,mcz sns...!

Tongava maro
novalian'i ralay ny 17/12/2004 16:58
2. naritsimba ( 29/11/2004 08:38)
Dia miarahaba antsika eh!
Raha izaho manokana aloha dia miala-tsiny fa tsy afaka t@ Sabotsy teo, fa na izany aza tonga dia maharaka ny vaovao ary tsy maintsy tonga.
Hitondra namana be dia be zà @ io fa aza matahotra eh! Ary vonona ny hampirevy hira ihany koa( kalon\'ny fahiny, vako-drazana, sns)
Tena ny masoandro maty no hampalahelo @ io fa efa hitako eto sahady.

Namana namana ihany
Namako namana foana
Namako namako hatrany
Namana mandava-taona

Maha pôety tsy fidiny ity serasera ity fa atao ahoana moa.
3. arimalala ( 29/11/2004 10:37)
d misaotra an\'i fyjl nitatitra izay tapaka tany @ fivoriana tany
za moa efa niala tsiny mialoha fa tsy afaka fa d hiezaka ny ho afaka @ 18 desambra io e
d mirary soa ho an\'ny namana rehetra
4. six ( 29/11/2004 11:25)
misaotra e!
ay v e? ary sns miavonavona b fa mba nantsoiko d ts novaliany mitnsy za!
manasa antsika rehetra ho tonga e!
5. glou ( 29/11/2004 14:28)
dia manamafy ny tenin\' ireo namana eo ambony ireo ny tenanay eh, tongava fa hahafinaritra indray io fiarahana io toy ny fiarahana h@ izay .efa natao izay hahamaivana ny fahafahan- tsika rehetra fa tongava daolo eh!
glou_
6. bainah ( 29/11/2004 15:40)
aleo atao we manomboka am\' 1h30 kle... raha le fotoana tam\'sabotsy mantsy ohatra hoe sao dia fohikely ny am\'2h ka hatramin\'ny 6h.
aleo atao hoe amin\'ny 1h30 dia zay tara no tonga am\'2h
sa aona???
7. fijo ( 29/11/2004 21:18)
izay le fotoan gasy an.hatraty io e.
8. ikaretsaka ( 30/11/2004 01:35)
atomboy @ 12 mihitsy dia misy kaly atoandro e :-D
9. ravatorano ( 30/11/2004 08:12)
d manasanao hiaraka hikaly aminay amin io andro io izany izahay Ikaretsaka ary ny fahatongavanao no tena andrandrainay :idea: .
Tsara ny maka marge tokoa aloha sady misy namana maro mbola hanao ny installation matos ny table sy ny hafa d izay tonga aloha mbo afaka mifanampy eo mandrapanomboky ny fite eh.
Mamaerina ny fiantsoana ny namana rehetra izay te ho tonga any fa dia ho fety lehibe io ary natao ihany koa hifankahalalana b b kokoa eh :D :D :D
10. fijo ( 30/11/2004 20:56)
mahereza ry namana isany,fa ny anay aty mbola miandry.
11. sipagasy ( 30/11/2004 21:32)
dia manaova fety sambatra é! izahay miandry ny tatitra & ny sary ihany é! :lol:
12. mimich ( 01/12/2004 07:06)
za afaka @ izay @ ity ndray mitoraka ity ka!
fa dia asaina koa isika rehetra namana ato ho tonga maro. Ny 5 taona tsy miverina in-2 anie e!
TONGAVA MARO EEEEEEEEEEE!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
13. arimalala ( 01/12/2004 09:43)
da fety b da fety b zany @io an
za alou d manamafy ny fahatongavako raha tsy misy ny sampona manakantsakana e
d manentana antsika rehetra ihany koa
14. ravatorano ( 01/12/2004 10:08)
tsy misy sary amin io fa bedin i bichette hihihihih
15. fijo ( 01/12/2004 22:03)
ny fandroany amin\'io hafaka dimy taona indray ka.
izany ny andry ry bibi
16. gasy41 ( 02/12/2004 14:44)
Coucou!!!!!
dia misaotra nampilaza mialoha e :D
Mino aho fa ra tsy misy ny sampona dia tonga any.Bye
17. voahirana ( 02/12/2004 15:49)
Dia manamafy ny filazana nataon\'ireo namana teo aloha izany fa manentana anao namana rehetra mba ho tonga amin\'io fa manja be io fety io an!!! raha mbola tsy nanatrika ny fihaonanan\'ny namana mihintsy ianao hatr@ izay dia mba handramo kely io @ 18 io fa mino aho fa tsara mihoatra ny tsara rehetra an!!!
Dia miandry sy manantena ny fahatongavanao ary eee!!!!!!!
18. sechat ( 02/12/2004 16:49)
de zay zany ahoana? :-P
19. booboo ( 02/12/2004 17:35)
sechat>any @ RNS ...@ herintaona :-D
20. pitchou ( 02/12/2004 18:52)
toa hahafinaritra tokoa izy izany! d mahavita be ary e! d tantarao anay an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2667