Fananan-tany,inona no tandremana?

1. kally ( 10/11/2004 08:36)
Be dia be izao ny mivarotra tany atsy ,mivarotra tany aroa,mitady tany ho vidiana sns, izay mahay lalàna na manana trai-kefa,inona ry reto no tokony ho tandremana tsy ho voasoloky fa misy koa mantsy ny mimenomenona efa voasoloky?
novalian'i sheran555 ny 18/07/2005 14:58
2. maditra ( 10/11/2004 14:10)
Aza matoky na iza na iza :wink:
3. kally ( 10/11/2004 14:44)
lalànan\'ny vidy sy varotra koa ny fifampatokisana ry Maditra saingy tsy mila alefa lavitra akory ny fisainana dia efa mahatakatra fa hevitra tsy mahomby no mba arosonao :wink:
4. fijo ( 10/11/2004 20:55)
ny titre aloha no tena fotory tsara ,dia amarino any amin\'ny domena,satria araka ny fantatro dia efa misy mahavitra titre sandoka koa izao.ary mailo tsara fa be izao n mivarotra tany iray amin\'olona maro.
5. fijo ( 10/11/2004 22:30)
ka raha vao tany mizara\"morcelé\"dia aza mividy raha tsy vita tsara ny fizarana,satria ilay tany novidianao,mety tsy anjaran\'ilay nividianana azy ka loza be.
6. maditra ( 10/11/2004 23:03)
Ka izay mihitsy no ilazako hoe aza mba matoky olona izany raha tsy te ho voafitaka.
Mbola te ho voafitaka ianao izany ry Kally ka tsy koi.
7. fijo ( 10/11/2004 23:14)
kalio raha mitady hamitaka ry kally a
8. sheran555 ( 18/07/2005 14:58)
Tandremo tsara io tany io fa sarotra dia sarotra, izao mantsy no zava-misy matetika, ny tany dia nifandovana olona marobe, ka maro no mandova, amin'izay fotoana izay, dia ho sarotra dia ho sarotra ho anao ny hamidra ny titre ho aminao rehefa vita ny varotra. Mety tsy ho voafindra mihitsy, satria misy hetra tokony alohan'ny tompon'ny, misy taratasy maro koa momba ny fandovana... Dia eo ianao. Fa ny tsara dia ny mividy tany na trano an'olona tokana vitra baorina.
Sheran555
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.184