TATITRA NY FANDEHANANA TANY ANTSIRABE NY 5-6-7 Novambra 2004 
Lohahevitra : Fety sy fihaonana
Fitohizan'ny hafatra : TATITRA NY FANDEHANANA TANY ANTSIRABE NY 5-6-7 Novambra 2004
Valiny : 54
Fitohizan'ny hafatra : TATITRA NY FANDEHANANA TANY ANTSIRABE NY 5-6-7 Novambra 2004
Valiny : 54
naritsimba - 08/11/2004 09:26
|
![]() Vita sy tontosa soa aman- tsara ny fandehanana tany Antsirabe izay nokarakaraintsika \"Fikambanana namana serasera\", izany moa dia natao t@ 5-6-7 Novambra 2004 lasa teo. -Niaiga teo.Ambohijatovo ny Zoma 5 Novambra t@ 8 ora alina teo ho eo, nahafinaritra teny an-dalana satria nampiseho ny talentany @ fitendrena gitara ny namana sasany, mazava ho azy fa dia nihira foana teny an-dalana, na io hira madinika na hiram-pivavahana.(Mifankatiava ihany, Fitiavana ranovelona, Andriamanitra fitiavana sy ny maro tsy ho voatanisa) Nisakafo tao Ambohimandroso, ary dia nanohy ny dia nankany Antsirabe. tonga soa tany Antsirabe tokony ho t@ 1 ora maraina fa ny teo @ fitadiavana ilay toerana hivantanana no nampihomehy satria dia nihodinkodina eran\'ny tanana nitady azy io ka t@ 3 ora maraina vao hita. Nahafinaritra ilay toerana, misy Jiro sy rano, kidoro sns, tena tonga lafatra ny fandraisan\'ny tompon-trano nivantanana. Samy natory kely daholo aloha ny rehetra, t@ 7ora maraina niaraka nandeha nihinam-bary amin\'anana sy kafe sy mofo daholo ny rehetra ary tonga dia nividy ny laoka hatao sakafo atoandro, inona ny laoka hoy ianareo? Henan-kisoa sy haricot vert\" tonga dia raikitra ny fandrahoana t@ kitay. Nandeha nilomano tany @ Ranomafana ny rehetra avy eo rehefa masaka ny sakafo mba hanala havizanana, Nitohy tamin\' ny fitaingenana soavaly sy ny fakana sary teny @ Gara, ary avy eo dia namonjy nisakafo rehefa atoandro ny andro, fiaraha-misakafo tao anatin\'ny fifaliana tanteraka izay mampiseho ny tena fifankatiavana teo @ daholobe matsiro an…!mmmmmmmmmmmmmmm! Ny tolakandro dia fitsangatsanganana miaraka no natao tao an-tampon-tanana ary tsy adino ny niditra tao @ Cyber Paositra ka nanaovana chat vetivety. Rehefa avy nisakafo ny hariva dia nanomboka ny tsimandrimandry izay niarahana t@ ireo namana monina ao Antsirabe izay tonga tao @ toerana nipetrahan\'ny namana mpiserasera, tao koa ireo namana avy aty Tana izay ny sabotsy hariva vao tonga, nisy ny fifankahalalana fohy dia nanomboka ny Hira sy ny Dihy ka ny masoandro niposaka no nisarahana, rehefa vita ny hira sy dihy dia raikitra indray ny fandrahoana Vary amin\'anana miaraka @ Kitoza nasiana sakay, ny kafe sy dité miaraka @ ronono tsy adino, izany ka tena hoe tsara, tena tsara, miam, miam, miam...! Tonga dia nitohy t@ fandrahoana sakafo atoandro indray ny fiarahana avy eo niaraka daholo ny namana avy aty Tana sy ny tao Antsirabe nandeha nilomano tany @ ranomafana. Ny vazivazy sy ny fihomehezana ary ny tsikitsiky tsy misaraka @ namana mpiserasera rehetra. Tonga ny fotoana fisakafoanana atoandro dia niaraka nisakafo daholo ny rehetra ary niaraka nanadio ny lakozia sy ny toerana nampiasaina satria madio no novantanina dia madio koa no ilaozana, nanomboka teo dia nanao dinidinika fohy sy resadresaka ireo namana ao Antsirabe sy izahay namana avy taty Tana, sady nampirina ny entana satria tsy maintsy hody fa fohy loatra ilay fotoana. Nalaina nisaraka sy nifandao ny Namana rehetra, izahay moa tsy maintsy hamonjy ny asa aman-draharaha r\'izareo tao Antsirabe anefa faly ny mbola hijanonana satria tsy ampy ny fotoana eh! Na tiana aza ny hiaraka voatery tsy maintsy dia tsy maintsy nisaraka. Tamin\'ny 4 ora ny tolakandron\'ny Alahady 7 Novambra 2004 no niainga ny fiarakodia rehefa avy niaraka naka sary ny namana rehetra, fiarakodia izay nitondra ny namana nitodi-doha hiverina aty Antananarivo mbola naterin\'ireo namana avy ao Antsirabe ihany koa , izany no manamarika fa dia tamim-pifaliana sy fitsikitsikiana tanteraka no nisarahan\'ny rehetra. -Isaorana manokana eto ny Talen\'ny CRINFP (FOFI) tao Antsirabe nanaiky nampiantrano ny namana izay tonga tany, sady nanampy ara-pitaovana. -Isaorana eto ihany koa isika namana rehetra na ny avy taty Antananarivo na ireo tao Antsirabe. -Isaorana indrindra indrindra isika namana rehetra izay tsy tonga tany nefa nirary soa sy nitondra am-bavaka iny fandehanana tany Antsirabe iny. Izay ary aloha fa dia @ manaraka indray, ho anareo izay tsy nandeha. -Enga anie ka hitombo an-dalana toy ny dian\'andriana ny fikambanana namana, ka ho maro ireo hirotsaka ho mpikambana, hanatevin-daharana. -Irariana ihany koa ny hitohizan’ny fifankatiavana izay efa mafy orina tsara tokoa ankehitriny. Dobodoboka fomban\'aponga Asakasak\'izay tsy ho tonga Amin’ny manaraka indray. Misaotra eeeeeeeeeeeeeee...! NARITSIMBA |
fyjl - 08/11/2004 10:30
|
![]() |
oully - 08/11/2004 10:44
|
![]() |
ralay - 08/11/2004 10:52
|
![]() Bravo à tous ![]() |
glou - 08/11/2004 11:10
|
![]() hafinaritra ny fiarahana toy zany dia manasa anareo izahay mba hiaraka aminay tsy @ fitsangatsanganana toy izany ihany fa @ volana desambra any indray izao dia misy ny fankalazan-tsika ny faha 5 taona ity namana serasera ity! koa miandry anareo izahay @ fanomanana azy io fa hisy ny fety sy dinidinika hikarankarantsika azy io ato ato fa mbola manomana ny fotoana izahay izao! ka dia manasa sy manentana antsika rehetra eh! :^) ny sary rehetra nalaina t@ io fotoana tany antsirabe io dia ho avy tsy ho ela fa efa any daolo! dia miandry anareo izahay hanantevin-dahana ehhhhhh :wink: glou |
ravatorano - 08/11/2004 11:18
|
![]() Miandry ny fankalazana ny faha dimy taoana ny namana serasera indray izany isika eh ary dia eto koa ny tenako dia manaiga antsika fa hisy fampahafantarana ity site ity mihitsy izany ho an ny rehetra , izany hoe mety ho tonga any amin ny publicité ka hilazalazana ny niandohany sy ny amin izao fotoana izao >Izany rehetra uizany dia tsy ho vita raha tsy isika rehetra no miaraka mifandrimbona miara mifanome tanana mba hanatontosaina an izany. Misaotra antsika mialoha eh :D :D :D |
sipagasy - 08/11/2004 12:10
|
![]() |
six - 08/11/2004 12:20
|
![]() za kou d manamafy ny fanentanan\'i glou sy ravatorano ny mba hanatevin-daharana hatrany e! d misaotra betsaka antsika rehetra zay tonga tany! d raoviana indray le manaraka e?? six ![]() |
ravohe - 08/11/2004 13:07
|
![]() |
blackman - 08/11/2004 13:12
|
![]() salama daholo nareo rehetra . Ny teny hambara moa tsy dia misy loatra fa dia fisaorana ho anareo rehetra izay nanentana t@ ny fikarakarana ny fandehanana tany Antsirabe iny fa mahafinaritra ary mino aho fa voamaika hanamafy ny fifankatiavana @ Ntsika rehetra izany fa dia mankasitraka ary mankatelina ry namana rehetra . |
kitoza - 08/11/2004 14:10
|
![]() |
ramoul - 08/11/2004 14:11
|
![]() fa ny mampalelo de zah tsy afaka mande mintsy fa mikandra fôna de tsy mahita ny hafalin\' ny namako any Dago :( |
ramoul - 08/11/2004 14:14
|
![]() |
six - 08/11/2004 14:32
|
![]() manasa anao ho tonga refa misy ny manaraka |
fanja1 - 08/11/2004 18:19
|
![]() |
mozart - 08/11/2004 19:26
|
![]() |
fijo - 08/11/2004 22:03
|
![]() soa ihany aloha za fa tsy tany fa raha izany kitoza sy hena kisoa izany no nisy ahy sahirana tao nareo. :-D :-D :-D nefa nalahelo ihany aho tsy tany ka. |
ikaretsaka - 09/11/2004 00:54
|
![]() |
naritsimba - 09/11/2004 07:20
|
![]() Raha ny isan\'ny nandeha aloha dia io efa nomen\'ny mozart eo ambony io fa ny nahafinaritra dia ny namana vaovao dia nitombo. Raha ny fangatahan\'ny maro amintsika ary fanirian\'ny rehetra rahateo dia ny hisian\'ny fandehanana lavidavitra ivelan\'Antananarivo toy io nankany Antsirabe io. Aoka anefa ho fantatsika namana rehetra eto fa, tsy mora ny fanomanana an\'izany noho ireto antony ireto: 1-Tsy maintsy jerena ny daty ahafahan\'ny rehetra miaraka. 2-Tsy mora ny mitady trano na toerana hivantanana indrindra raha ao anatin\'ny Fialan-tsasatra lehibe(Grande vacances), fa mila fifandraisana matotra tsara @ ireo namana any @ faritra izay aleha. 3-Jerena tsara ny fahefa-mividin\'ny tsirairay mba tsy hiteraka vesatra, ka manjary sakana tsy hampandeha ny maro. 4-Maro amintsika izay mangataka ny hisian\'izany no olona tsy eto an-toerana akory fa dia milaza ny andeha sy mamporisika kanefa tsy ho hita tabilao mihitsy na dia tonga aty Dago aza dia tsy mahasahy miseho mivantana fa mbola miafina ihany, tsy fantatro hoe ahoana no mahatonga izany? Raha ireo endri-javatra ireo no jerena dia mety ho azo antoka fa: -ireo efa nandeha hatramin\'izay no mbola handeha @ manaraka, ary ireo ihany koa no miezaka ny mitaona ireo olom-baovao,(zà izao anisan\'ny vaovao) -ny azo antoka aloha dia tsy maintsy misy olom-baovao foana hita isaky ny misy fotoana ihaonana, fara-faha keliny 6, izay dia efa mampirisika ireo namana tafahoana hatramin\'izao fa tsy ho very akory ny fikelezan\'izy ireo aina. Koa dia samia mandinika sy mieritreritra ny tsi1-1, fa raha izaho aloha dia vonona foana raha mbola eto Madagasikara no andehanan\'ny \"Fikambanana namana serasera\" Ho ela velona anie ny NAMANA SERASERA. Mandra-panoratra eh! |
fyjl - 09/11/2004 11:25
|
![]() Tsotra ihany ny azo atao dia ny mandeha mamonjy ny fihaonana isaky ny misy. Ireo namana te-handeha nefa mipetraka lavitra aza efa tsy fidiny kouu!!! Mbola tsy nahita fihaonan\'ny NAMANA aloha aho hatramizao ka ny nahafinaritra e! ary miha-mifankahazo sy mifanampy ary mifankatia hatrany ireo tafahoana. Aza matahotra anefa fa tsy ho ela ny fankalazana ny faha-5 taona ka miomana dieny izay fa miha-atomotra indray ny fotoana aaann! |