Fandehanana any ANTSIRABE

21. ombalahy ( 02/11/2004 15:47)
:) Faly amin\'ity hevitra ity fa noho ny ho enti-manana dia asa raha ho afaka fa dia mirary soa ho tsaraa mandroso ho tsara miverina.Aleo zava-pisotro iarahan\'ny besinimaro entina ry namako isany a!
22. fyjl ( 03/11/2004 06:57)
Dobodoboka fomban\'aponga
Tabataba an\'ny maro kilonga
Asakasakareo tsy ho tonga...
Ho ahy manokana aloha dia occaision à saisir io e! Sady aleo manal\'azy kely mihintsy aloha fa mafimafy ihany izay ady natrehana zay e!
Hitaona ny namana ao an-tanàna koa aho raha misy afaka mba hanatevin-daharana antsika e!
Aza matahotra fa za tsy mitondra raha tsy akama milay eeeee!
23. six ( 03/11/2004 09:43)
sali doli
d wavy miadana any zany zay an!
:D
24. fyjl ( 04/11/2004 06:20)
Ny fandaminana napetraka moa dia ny Alarobia no farany fisoratana anarana. Efa Alakamisy nefa androany. De ahoana??????????????
Tsotra kely antsoy ihany ireo n° nomena ireo fa mbola azo atao tsara ny mihevitra an\'izany.
Ary raha SANATRIA ka ny Zoma ianao vao tapa-kevitra dia mbola miantsoa ihany na vonjeo ny @ 7ora eny Ambohijatovo. Mety ho manana olana ianao nefa te-handeha!. De ahoana koa????????????????
Antsoy foana ireo n° ireo sao mba misy hevitra azo atao ihany. Ny mpinamana dia mifanampy hatrany fa tsy mifanala akory.
Ny tanjona eto dia ny fiarahan\'ny samy namana ka ezahana izay hahabetsaka antsika ary ny mba hahafapo ny tsirairay.
Tanterahana ao anaty fifankatiavana sy firaisan-kina tanteraka izany rehetra izany.
Ndao daôly ary ôôôôôôôôôôôô!!
25. ravatorano ( 04/11/2004 06:42)
six>aona marina elah ty eh
fyjl>marina ny anao rakoto ô
d misaotra anao fa tena mahay manentana tokoa enao fa d isika no tsy handeha amin izany aloha d asa fotsiny
tsara mandroso tsara hiverina isika eh :-D :D :wink:
26. voahirana ( 04/11/2004 10:25)
Dia efa milamina daholo izany ny fanomanana rehetra fa dia misaotra an\'izay namaly ny antso ka handeha hiaraka aminay an!! fa ho anao izay mbola tsy nisoratra anarana nefa maniry ny handeha dia mbola miandry anao izahay ny zoma hariva amin\'ny 7ora hariva eo ambohijatovo tongava fa mbola miandry anao ny toeranao dia izay ary fa manantena ny hiaraka aminao izany izahay izay efa nisoratra anarana e!!!! tongava fa miandry izahay
27. naritsimba ( 04/11/2004 10:36)
Dia efa miomana ianareo namana rehetra any Antsirabe @ fandraisana anay ô! fifankahitana voalohany io eh!
Tongava maro ô!
28. nanette ( 04/11/2004 10:43)
Manahoana daholo o!
Dia mirary fitsangatsanganana sy week end ho
an\'ny rehetra. Dia mitondra voandalana ary mifankatiava tsara an! Tsy afaka mandeha fa mbola miasa.
Mandrapihaona !
29. bekorontana ( 06/11/2004 11:41)
:twisted: y avait pas d\'accident? :twisted:
30. ikaretsaka ( 06/11/2004 13:55)
aza mitapitapy ry beko an
31. kitjo ( 07/11/2004 06:08)
Oadray!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5041