Ny maha zaridaina ny zaridaina

1. xxx ( 19/10/2004 20:16)
Indray andro hono dia nisy Andriana iray nifehy vohitra atao hoe Ambohibe. Tsara tokoa ity vohitra ity satria dia misy rano eo atsimo tanana tsy lavitra akory ny hadivory. Koa dia nanana hevitra ny Andriana fa dia atao saha fitsangatsangana eo ary dia volena voninkazo.
Novolena ny voninkazo, ary dia ny hova sy ny ankizy rehetra teo Ambohibe dia tsy maintsy nanao tomban-dahasa ho an\'ny Andriana. Rehefa afaka telo volana anefa dia nizaha ilay toerana ny Andriana, ary gaga fa tsy nisy voninkazo teo fa daina no nameno ilay toerana. Tezitra ny Andriana ary niantso ny mpiadidy hizaha ity toerana nolazaina fa saham-boninkazo. Nidina nianatsimo ny mpiadidy ary gaga sy nanontany ny hova sy ny ankizy hoe : Nankaiza izay voninkazo no zary daina daholo no maniry eto? Dia nanomboka teo ny fiteny hoe : Sahasahan\'Ambohibe koa zary daina ny voninkazo. Ary dia laza zaridaina moa no fiantsoana ny saham-boninkazo taty aoriana.
Angano tany amin\'izany Ambohibe izany.
novalian'i Ovybe ny 02/03/2005 17:12
2. zandrinifijo ( 20/10/2004 10:10)
itako misy doro tanety
3. tsilan ( 20/10/2004 17:57)
Hadinoko no nilaza, fa taloha moa dia nampiasain\'ny hova sy ny ankizy ny daina mba hakana hery amin\'ny asa sandry. Koa rehefa niasa ilay tayn izy ireo dia mba somary nandonaka kely. Teny am-pamonosana anefa dia betsaka ireo voan-daina no raraka tamin\'ny tany noho ny tsioka mahery teny ambony tendrombohitra teny
4. jhouhlambout ( 20/10/2004 18:21)
5. ikaretsaka ( 21/10/2004 03:34)
ary tadidio fa teny gasy efa fiteny t@ faha Ntaolo ny hoe Daina ary Nidaina ny olona mpanao asa vatana taloha... niarakaraka t@ faha tangena sns io
6. ikaretsaka ( 21/10/2004 03:42)
ary dopage no nilainy ilay daina t@ iznay fa tsy rendrarendra toin\'ny ankehitriny f any hanome hery azy ahavitany ilay asa.

ny naha-daina ny daina koa hono hozizy ilay lahiantitra any ambanivohitray izay dia nisy foko fia saika mpifoka daina aby ny mpanao raharaha ara-batana tao .
Dia sendra nisy Solontenan\'Andriana saika hanao ireto mpiasa niha natanjaka sefa avy nifoka azy ireny dia nitantara t@ andrianany hoe \"Dia aina tompoko izany!\"
Dia lasa nohafohezina hono ilay izy hoe Daina dia lasa fiteny mandrak\'ankehitriny!
marihina fa noraran\'Andrianampoinimerina ny fampiasana azy io nony nanjaka izy dia vita hareo ny fampiasana azy legal!
7. tsilan ( 21/10/2004 16:27)
Ary nareo koa kay mahay tantara koa. misimisia ny ohatranareo eto.
8. methode ( 21/10/2004 23:27)
Mety avy nidaina koa izany ireo mitantara ireo satria mahavita asa tsara!! Hihihihi
9. ikaretsaka ( 22/10/2004 03:05)
tsy haiko aloha fa mba nitantarana aho dia nitantara e
10. zandrinifijo ( 24/10/2004 08:48)
ra zany tokony any amy \"eritreritra mandalo\" no asina an\'ito evitra ito :-P
11. tsilan ( 27/10/2004 14:54)
Fa mety koa hoe avy amin\'ny teny zary eden ny zaridaina sa ahoana?
12. tsilan ( 29/10/2004 19:02)
Mety ho marina ny an\'i Ramaso saingy tamin\'izany tsy nahay niteny frantsay ny pokna teto koh
13. bekorontana ( 05/11/2004 12:55)
:twisted: MÔLY :twisted:
14. ikaretsaka ( 05/11/2004 15:09)
zaridaina=saha = genre eden dia nataon\'ny frantsay hoe jardin ilay teny angalisy hoe garden nabajaijy azy kokoa..
dia nataon\'ny gasy hoe zaridaina
15. booboo ( 08/02/2005 12:29)
ny gasy koa moramora eny ihany rehefa hitady na hanao raha. tsy maka sarotra mitsy
16. ikaretsaka ( 08/02/2005 23:23)
zay nge hao e.. fa zao ny gasy vao mitady teny hafahafa @ ireto teny vaovao isankarazany
anjerimanontolo e.. vatolahy mivalandrano e
nefa ange misy mahay ihay hoe oniversity sy paompy na any @ tany very any an-tampon'i bemaraha aza e!
17. blondin ( 18/02/2005 19:37)
Rehefa izy mampiakatra aingam-panahy. aingam-panahy rehetra io an! :-P
18. majakely ( 23/02/2005 12:30)
Ary indray andro hono nisy bandy iray nafana be de mba nialokaloka teo ampoton-kazo zay , kanjo tafatory leiry ;nilatsahan-javatra ny lohany de torana izy , ka refa taitra ingama de hoy ny namana iray nanontany azy;;;;;;;; fa inona no nahazo an'ialah ?
Voan'io ah ,de izay hono nahatonga ny teny hoe voanio =coco
19. booboo ( 24/02/2005 17:48)
hihihihihihi
20. Ovybe ( 02/03/2005 17:12)
Notezeran'Andrianampoinimerina mafy koa hono ny fampiasana io daina io. Ka dia natao sava hao daholo ny toerana rehetra. Tsy maintsy avory amin'ny toerana iray ny daina rehetra ary dorana tsy misy atak'andro.

Rehefa avy nanao ny fisavana ny miaramila, dia nanontanian'i Nampoina hoe : "Aiza avy ireo daina tratranareo androany"

Dia namaly ilay miaramila iray : "Tsara antitra ianao ry Mpanjaka, irony am' gony 'rony".

Isaky ny manontany ny Mpanjaka dia toy izany foana no valiteny nomen'ireto miaramila.

Ary dia raikitra hoe "rongony" no niantsoana ny daina nanomboka teto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2219