hevitra tapaka ny @ fihaonana tany sixsept ny 16102004

21. avylavitra ( 18/10/2004 14:52)
misaotra betsaka an\'izay nikarakara e!. Ny tenako aloha dia miala tsiny fa tena ao anatin\'ny tena maha-be asa alohan\'ny hahatongavan\'ny vazaha be mena sofina izao.!!!rehefa tonga angamba ilay fanirian\'i Ravatorana (amoron-dranomasina) dia enga anie ho afaka izahay mianakavy kely. hihihi. Soava tsarà daholo dia tongava soa ilay andro Zoma magnifique. Ho tsara mandroso ho tsara miverina
22. aladin ( 18/10/2004 18:58)
\'za alou manohana ilay hevitr\'i naritsimba e! Le mahandro mantsy sady mampihena ny depense no mampisy ambiance kokoa.
23. revimanja ( 18/10/2004 18:59)
:lol: :lol: :lol: Tena milay anie izany pro izany eh. Za anefa tsy afaka mody aty Dago. Raha taty aho dia hamonjy, indrindra fa any amin\'ny tanana no hanaovana azy. Eny andraikiba atao eh, dia mba tatero eto ny hafatra rehefa vita mba hampitsinn ny tsy tany.
24. ramoul ( 18/10/2004 19:25)
Dia mazotoa dôly zany nareo ry namako rehetra zay hoany Bira. Mahereza mifanena tahaka izao ataonareo izao. 8)
25. fijo ( 18/10/2004 21:26)
mahereza ary dia mifalia soa e
26. voahirana ( 19/10/2004 05:52)
dia manentana antsika rehetra ary mba hanome hevitra fa raha ny fijeriko ny soso-kevitra teo aloha dia azo dinihina tsara ny voalazan\'iNaritsimba fa hita eo ihany ny tena fanapahan-kevitra amin\'ny farany fa ny hevitra avy amintsika tsirairay no hatambatra hanapahana izay zavatra hatao rehetra fa ny tena mba hangatahina angamba dia ny hilazantsika mialoha ho an\'izay tena handeha mba ahitana ny zavatra tokony atao satri miankina amin\'ny isantsika handeha no ahitana izay tena tokony ho atao . Dia manentana atsika rehetra ary fa mahafinaritra anie ny miraka e! dia mba mijery ireo namana rehetra any Bira sika e!!! miandry ny fanapahan-kevitrao izany isika an! dia tongava maro e!!!
27. naritsimba ( 19/10/2004 06:36)
Salama
Nanontany ireo namana any Antsirabe aho momba ny trano hivantanana any dia nanome soso-kevitra r\\\'izareo fa any @ FOFI(akaikin\\\'ny tsena Sabotsy) taloha no tsara ho antsika fa ny any @ DIANTANA misy fepetra izay somary henjakenjana ihany indrindra @ alina.
Io toerana io izany dia malalaka tsara, azo andrahoana, rahampitso atoandro izy no miantso ahy dia alefako eto ihany ny valiny.
Ilay directeur koa araky ny voalazan\\\'ilay namana any Antsirabe dia olona fantatro tsara, saingy any Tsi/didy izy izao, fa tsy maintsy fantatsika ny fepetra apetrany alohan\\\'ny Alakamisy izao.
Na izany aza mba samia manontany ireo namana any sao mba mahita toeran-kafa r\\\'izareo.
TONGAVA MARO EH!
28. blackman ( 19/10/2004 06:44)

Sali daholo ,
ny Tenanay moa mazoto foana na aiza na aiza no aleha , ny momba ilay Fiara aty Amiko dia tsy raikitra fa tena mbola misy fanamboarana be ilay fiara dia sao hanary an-dalana dia tsy raikitra fa aleo mitady hafa indray isika . raha eo aminy fandaminana indray dia izay tapaky ny be sy ny maro dia mety aminay foana . Fa mba mangataka antsikasy manao antso Antsika rehetra izay mipetraka eto an Tana sy ny manodidina Aho mba hifanome tanana amin\'izay zavatra rehetra hatao sy hiarahan-tsika koa dia mahareza ry namana rehetra .Six daholo eeeeeeeee!!!!!!!! Wazaaaah!!!!!!!!!!
29. naritsimba ( 19/10/2004 07:00)
Vao nisy namana mpiara-miasa amiko avy any Antsirabe, nilaza izy fa mahita toerana azontsika hivantanana, izy raha teo avy any sady mpiserasera ihany koa ka mino aho fa tsy hisy olana ny trano e!
Ny fiara indray ra-Black tsy maintsy mahita isika e, fa miankina @ isantsika ihany ange vao afaka mitazona azy, fa ny azo antoka dia tsy mihoatra ny saran-dalana efa nifanarahantsika. Raha betsaka isika ny tena tsara dia fiara iray no iraisana @ izay mampitomba ny serasera tsara, sa ahoana hoy ianareo.
Mbola mamerina ny fanentanana ho an\'ireo namana hafa indray e!
TONGAVA FA AZA MISALASALA E, SORATY MIALOHA NY ANARANA.
Misaotra eeeeeeeee!
30. voahirana ( 19/10/2004 10:43)
de mahafinaritra daholo ny soso-kevitra avy amintsika fa ny fahavononana sisa izany no handrasana dia maniry anao izany mba hilaza mialoha raha handeha mba ahamora ny fitadiavana fiara hitondra antsika e!!!!
31. atmos ( 19/10/2004 17:39)
Sambatsa dôly nareo ze afaka mandeha zany kou, ny tenanay moa andakira be fa dia ny fonay no miaraka aminareo any e! Ataovy tsara ny programa rehefa tonga any sao samy mandeha samy mitady, ny sasany hanararaotra hamangy havana moa, ny sasany hanararaotra hanao shopping, ny sasany hanararaotra maskita, sns... Ka raha mba vita tsara ny progany dia ho tsara kokoa ny ambiance. Rehefa mandalo any ny vatatenanay @ herintaona, mety mba misy sortie koa angamba @ zay. Mazotoa dôly e!
32. xxx ( 19/10/2004 20:32)
mahafinaritra zany progany zany hmmm misy tamana indray ao zany , inona noazo hoentina ry glou sy voahirana de inona no tsy azo hoentina :lol: :lol: raha ande zade @ iza no manoratra anarana zao :?: :idea: sa @ vohirana de any no mitohy ny resaka :-D :-D :-D hhmmm iza no hikarakara ny gatô ny faha 5 taona ny serasera @ io sa tsa misy gatô @ io fa dia samy miala maina ve isika :D :D ra FYJL mba endraso moazay raha sendra taratara moa éé sa aona zokinaka
de any zany no mihaona ko hiaraka hikorana milay zany héhé
33. fijo ( 19/10/2004 20:40)
raha mba nanan\'elatra aho aky dia mba tonga tany.nefa indrisy fa aleo mihinana saosisy.
tena te handeha re ry zareo ny tena fa tsy hafaka e
34. andriary ( 20/10/2004 10:17)
Miady @ piesiko lay programa!!
tiako be lay hevitra fa mba andefaso vaovao farany momba ny fiaingana!sy ny lamina any!
ifonana fa hamonjy fivoriana @ manaraka e!
marina e!
35. zandrinifijo ( 20/10/2004 10:36)
andriary> inona le pièce? sô dé ramalina 22 long riffle? :-D :-D :-D
36. besoiiin ( 20/10/2004 18:13)
IZAHAY HANDEHA E! NIZANIZA HISAKANA HIHIHIHIHI...... Aleo mba ho vita 1 semaine aloha ny condition sy ny lamina rehetra e! @zay mba tsy mikoropaka loatra!
37. fijo ( 20/10/2004 20:51)
marina izany.mifalia sy mihinana dia tsarovy ny namana e.
38. cowboy ( 21/10/2004 04:53)
Izaho koa mba handray anjara e !

Manantena hifankahita sy hifaly aminareo any bira zany an !

Ôtrinonany rotsa sns ?

:D :D
39. voahirana ( 21/10/2004 05:48)
salut daholo e!! dia amin\'ny alatsinainy ho avy izao no hita eo izany ny fanapahan-kevitra rehetra momba ity fitsangatsanganana ity dia omena anao daholo ny programme rehetra fa miandry ny fahavononanao izany e!!
ndao mba hiaraka aminay eeeeee!!!!!!!!!!!!!
40. tsara ( 21/10/2004 13:30)
Slt daholo.
Mba lazao haingana kosa aloha izay toerana na olona ahafahana manoratra anarana e!
Mahazo mitondra olona hafa ve na dia tsy mpikambana ato aza?
Misaotra betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7832