Tatitra ny fitsangatsanganana

1. mcz ( 30/08/2004 15:33)
Tontonsa soa aman-tsara ihany ny fitsangatsanganana natao t@ faha 29 Aogisitra teo . Nahafinaritra tokoa ny fiarahana satria dia tonga niaraka t@ ireo tapaka sy namana hafa ary fianakaviana ny namana zay nandeha t@ io , vao teo Ambohijatovo eo ampiandrasana ny namana sasany dia efa nanomboka nikorana , fifampizarana vaovao , resadresaka samihafa , vazovazo sns....
Nihainga t@ 9ora ny namana ka tonga tany Varahina Ambohimanambola t@ 10 ora sy 30mn , noraisiny namana Ravatorano moa ny fitenenana ka nisaorany ny namana rehetra izao tonga dia tohiny mahazatra dia natao ny fifankafantarana alohany hanomboan'ny zava-drehetra .Nafanain' i namana avylavitra , Voahirana ary glou_ avy eo ny fotoana t@ lalao samihafa ,nahafinaritra fa dia niala voly tokoa ny namana ary tsy nahatsiro ny hanohanana fa voky masikita ,vazovazo sy korana arylalao samy hafa ny rehetra ka t@ 2ora tolakandro zay fa nisakafo antoandro , nitohy hantrany ny hirahira , korana , karatra, domy, tena misy manantalenta sy mahay mihira tokoa ny namana fa dia tena mahafinaritra ny mijery azy reo manala azy.
Hisaorana ny namana ravatorano t@ ireo hatsikana sy fanetanana zay nataony fa tena nahafinaritra sy hafakandro tokoa ny rehetra , ny fotoana hodiana no nalady tonga fa dia nalaihina ny hody ny namana fa nafana tokoa ny korana , nefa zavatra natomboka misy fiafarany , ka dia tsy maintsy nody ka nitohizana tany anantin' ny fiara-mpitanterana ny hirahira.
T@ io fotoana io dia notapahana tao fa hisy komisiona vonjimaika hikarakara ny statut ny birao zay hatsangana alohany hamohana azy @ namana rehetra mba hodinian'ny tsirairay ary koa mba hafantaran'ny rehetra ny tena tanjona sy ny hantony hilaina ny birao .

Teo @ 40 ny namana tonga tao anisan' isany ireo fianakaviana sy namana hafa tsy mpikambana ao @ serasera .Ireto avy ny namana tany :
Ravatorano , Voahirana ,MCZ, eritreritra, Dio16,aidan,mialy,Glou_,FyJL,
avylavitra ,candy, tolato, manjamanja, tanjy, rija,patou, tsie, blackman, doda, mozart,pilous, ralanja, spearce, hyance, rina, jox, roxan, herylo, malalason, dio, arena, dify .
Ny birao vonjimika dia misaotrana an'ireo namana rehetra izay tonga t@ io fotoana io ka maneho ny hitohizany ny firaisankina hatrany sy ny fifankatiavana, hisaorana manokana ny namana avylavitra t@ fakana sary.
2. ralay ( 30/08/2004 18:35)
Mamerina ny fisaorana anareo nampita ny vao²n'ny fitsangatsanganana ary misaotra anareo rehetra izay tonga koa nanafana izany fiaraha-mitsangatsangana izany. Na dia misy aza ny fahasahiranan'ny tsirairay dia niezaka tokoa ianareo ho tonga marobe ka dia isaorana anareo tokoa izany. Ataoko fa mbola hisy moa ny fiaraha-midinika amin'ireo birao any an-toerana sy ny mpandrindra aty alavitra ka hanatsarana izay zavatra mety hatsaraina rehetra.
Ho ela velona anie ny serasera e!
3. herylo ( 31/08/2004 12:58)
Mafinaritra aloha ny tany ho an'izay tsy tonga fa saika nanenina raha tsy tany.Misaotra an'ireo nikarakara sy nanohana ary ny faniranay dia ny mba hisian'ireny matetitetika.
Misaotra an'ireo izay tonga ihany koa eh!
4. fijo ( 01/09/2004 04:41)
miarahaba ny fahavitan'iny izany isika dia misaotra ny mpanao tatitra koa ary dia miandry ny sary e.
5. bichette ( 02/09/2004 12:49)
ataovy bedabe ny sary an !
6. mozart ( 04/09/2004 12:44)
misaotra ny namana tonga e! de @ manaraka ataontsika any Tamatave e!!!!!!sa any morondava mihitsy! de asiana matory any.....
7. fijo ( 04/09/2004 19:58)
asiana matory ?????fa ahoana le :-D :-D :-D
8. tovojay ( 07/09/2004 07:35)
za tsy nande fa mbola nanao spect ry reto ah am manarakeh :roll: :P 8O :!: :!: :!:
9. fijo ( 07/09/2004 22:05)
:?: :?: :?:
10. rafilozofy ( 08/09/2004 05:30)
Tsara fa tohizo e. 'zany an :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0888