Bononoka

1. tsiperifery ( 27/08/2004 08:04)
Iza no tia ? Mbola misy mivarotra ve izy ireny ? Aiza no ahitàna azy ?
Ary ahoana ny fomba fanamboarana azy ?
2. sipagasy ( 27/08/2004 08:08)
fa inona izany??? :?:
3. nykanto ( 27/08/2004 09:25)
Any mahitsy be dia be, tamin'izaho farany tany teo. Tsenan'i Mahitsy.
Ny Kanto


Bononoka = mangahazo nialon-drano sy fotoana, tena manana fofona mahery (fromazy), fa tsara hono hoy ny olon asatria mitondra hery, tsy haiko ny tena fahamarinan'io farany io...
4. ramoul ( 27/08/2004 12:09)
bononoka!!!hihihii zany ve tsy masiso be klé! :lol: :lol: mitovy am' camambera antitra ny fofony rehefa masaka tsara ao anaty rano le izy :lol: :lol: mazoto homana ho anareo ze te ihinana :-D :-D
5. kitjo ( 27/08/2004 12:29)
ENy Imeritsiatosika no tena feno . FOnosiny @ sachet refa voavofy ilay mangahazo d asitrika any anaty dobo na rano so feno rano mandritra ny roa alina(??)

Tena masiso tokoa aloha raha ol ts mahazkaa e, fa ny fanaovako azy an, vidiana androany d avela hijanona @toerana iray aloha hiala ny fofony indray alina, d ny ampitso andrahoina d asiana rano kely sy siramamy. Mbola mamofona iany fa kely d rarahana totomboanjo rehefa mihinana azy amzay fa sady tampenana ny orona. Raha olona tia camembert aloha dia tia azy e

Lazian' ny olona fa marina aloha le oe manome hery fa tsy haiko e, Ny Dr fts ndray no milaza oe tsy mampi- decalcifier tsn io ka raha samy te hihinana d aleo io toy izay le mangahazo amzao. Tsy haiko aloha fa za dia tia fts d hohaniko.
6. ludo ( 27/08/2004 12:49)
vo mivoka ny RN1 enao d mahita bononoka d midina d anontanio azy ny fanamboarana azy fa tsotra doli ny ol eny zany we tsy miavona!
7. hery ( 27/08/2004 15:46)
Izahay avy any amin'ny faritr'Arivonimamo iny ka manamboatra bononoka i bebe :) dia mba jerena eo ny fanaovana azy. Marihiko fotsiny fa efa nihoatra ny 10 taona aho tsy tany.

- Mangahazo lena ihany no anamboarana ny bononoka dia fonosana atao anaty gony dia iny indray no atao anaty sobika dia avy eo atao anaty rano daholo izy rehetra. Alona any mandritra ny roa andro sy roa alina. Dia rehefa mivoaka avy eo vao andrahoana tahaka ny mahandro mangahazo.

Tsara ilay izy (ankoatran'ny fofona izay mampiavaka azy ihany koa). Asiana siramamy na tantely no fihinanana azy. Be mpitia any amin'iny faritr'Imamo sy iny Ambaniandrefana iny ny bononoka kah. Ifandrombahana mihitsy rehefa vao mafana.

Misy karazana mofo atao hoe ketapotsy koa any aminay any :) fa amin'ny manaraka omeko ny recette
8. ludo ( 27/08/2004 21:00)
d iza zany iRainizafybononoka???? :-D :-D
9. sipagasy ( 28/08/2004 08:29)
:-D :-D :-D ;-)
10. ikaretsaka ( 28/08/2004 19:13)
manao resaka masiso ndray reto
11. kitjo ( 30/08/2004 02:36)
ika> enao nga ts mbola manana mask SARS ,hiihihih, tapeno @iny ny orona fa ny tsirony no henoina :-P :-P
12. ikaretsaka ( 03/09/2004 22:14)
:{ :-D
13. fijo ( 04/09/2004 20:59)
hay rahery avy any arivonimamo?ny ramanonaka no tiako tany.efa vita tsara izao ny lalana mankany.
14. kitjo ( 05/09/2004 12:52)
ny anah solovolo no tena tiako any koa. (feta katsaka)

Fa ny ketapotsy ry hery matsatso an, mba efa nanandrana mpivarotra maromaro ihany fa matsatsoooo, nefa tsy hay hoe ahoana ny manao azy. Fa tsara aloha le izy e, arahina kafe be ronono :-P ..ronono @ kafe manko e, fa za ts misotro kafe
15. fanja1 ( 26/09/2004 11:46)
hery avy any arivonimamo?
16. fanja1 ( 26/09/2004 11:47)
Fijo kou angaha avy any?
17. ikaretsaka ( 26/09/2004 22:58)
fa iza ny tsy avy any? za aloha tsy avy any
18. fanja1 ( 27/09/2004 06:09)
:-D :D ikaretsaka
19. tsiperifery ( 27/09/2004 08:26)
mamon\'ny bononoka angà ireto avy any sy tsy avy any ireto sa sempotry ny ramanonaka ? hihi
20. fanja1 ( 27/09/2004 08:32)
tsiperifery! za tena tia bononoka sy ramanonaka mihintsy. :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1654