sakafo maina

1. chipie1 ( 26/08/2004 11:36)
iza no mahay ny fandrahoina ny sakafo maina ireny ? (anana maina, ravitoto sns...) .
2. sipagasy ( 26/08/2004 12:01)
Tsy misy tsara nohon'ny sakafo "frais" retsy ann fa raha sendran'ny anana maina indry ilay avy any @ tanàna ireny dia avelao hilona 1 alina dia karakarao tahakan'ny fandrahoana azy mahazatra ihany é! dia mazotoa homana é!
3. belle ( 26/08/2004 12:04)
Manao ahoana Chipie1,
alona ao anaty menaka mahadifotra azy indray alina ilay sakafo maina. Fihazana avy eo, raha sakafo mivaingana toy ny anana raviny ohatra, dia andrahoina toy ny mahandro sakafo tsotra ihany. Tonga dia andrahoina avy eo raha toy ny ravitoto vovony maina.
Mazotoa homana,
Belle
4. chipie1 ( 26/08/2004 15:32)
sipagasy> misaotra akia
belle>tsy be menaka be ve zany alona indray alina aminy menaka zany?za efa nanadrana ilay tonga de andraoina io fa ratsy be ny tsirony hihihihi
misaotra anareo
:-*
5. ramoul ( 26/08/2004 18:58)
sasao tsara am' rano mafana ny anana maina (ô moin 3x) de apangotrahana de arina ny ranony avy eo zay vô atao sôsy.
Mazoto homana tompoko :wink: :)
6. ftma ( 26/08/2004 19:14)
ramoul tsy misy tsirony intsony raha ariana ny ranony, aleo alona @ rano mafana ny mandritra ny alina indrindra fa ny ravitoto.
7. belle ( 26/08/2004 20:24)
Chipie1,
Efa nandramako daholo ireo fomba fandrahoina azy voalaza ireo fa ilay asina menaka ihany no tena mety. Raha alona amin\'ny rano mangatsiaka fotsiny izy dia mamasipasika be rehefa masaka ary ilay hoe apangotrahina indray dia tsy misy tsirony tafajanona intsony rehefa masaka.

Izay mampazoto anao no ataovy e,
Belle
8. fijo ( 26/08/2004 22:43)
tsy lany tsirony izany raha ampangotrahana e.ny ahy ampangotrahako dia ariako in telo vao tena mahandro aho mbola tsara ihany.
9. chipie1 ( 27/08/2004 08:28)
ramaso> ary ny tsonjo ka.
belle> misaotra anao fa andramako io asina menaka io.
misaotra betsaka anareo namaly .Andramako de hoteneniko eto iany ny tena itako fa mety
:-*
10. ramoul ( 27/08/2004 12:35)
ka mila soloina fôna nge le rano mafana andomana anazy é!
Sady ampiarahana am' hena fotsiny le izy de zay.
11. chipie1 ( 30/08/2004 12:32)
belle> ilay nalona taminy menaka matavy be hihihi :-*
ramaso> ka aty tsinn maina ny anana gasy misy . Fa tsy maninn ka lany fona hihihi :-D
12. bichette ( 30/08/2004 12:38)
ary maninona tokoa hoy aho ny ravitoto maina na dia alona elab aza dia fasipasihana foana ? sa izany mihitsy ???
13. ikaretsaka ( 31/08/2004 00:01)
ko tsy matax be ve zany ry lety?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3723