Fihaonana teny Ampefiloha (15 Aout)

1. fyjl ( 16/08/2004 11:56)
Misaotra antska rehetra namonjy io fihaonana io. Misaotra ani Lucien sy Voahirana ary mcz sltenan'ny Birao nanatrika izany. Misaotra ihany koa nanam-pikasana ny ho avy nefa tsy tonga noho ny antony samihafa.
Mahafinaritra ary mahavelom-bolo raha toy izao no mitohy satria :
1 - Nisy ny fifankahalala toy izay efa nahazatra ka nahitana fa mitombo ihany ny namana noho ireo vaovao izay vonona ny hanantevin-daharana antsika sy ireo efa namana hatramizay nefa tao vao tazana. Arahabaina manokana izy ireo.
2 - Tamim-pitiavana sy tamim-panajana tanterna no niarahana nifanankalo hevitra tao.
3 - Nisy ny fifanoroana sy fizarana traikefa tsotsotra momba ny fiainana sy ny fampiasana ny takelaka www.serasera.org.
4 - Tapaka ary tahorian'ny fifanankalozan-kevitra fa raiketina ny 29 Août 2004 ny Fitsangatsanganana izay atao eny Varahina Ambihomanambola. Eo Ambohijatovo ambony no fotoana @ 8h ka h@ 8h 30. Ary samy mitondra izaysakafo sahaza azy avy.
5 - Na efa nirava aza ny fivoriana dia tsy mbola afa-po ireo namana vitsivitsy fa mbola nifampitaona mba hifankahalala bebe kokoa. Nifanontany ny mombamomba ny tsirairay, nifanome adiresy sy n° tél. Nifamarafara fa samy ho avy @ 29 Août.
6 - Fehiny : Mahavelom-panantena ny toa ireny satria sady ahitana soa no mahafinaritra ka manentana antsika rehetra ho tonga @ sortie eeeeeeee!
novalian'i fyjl ny 27/08/2004 06:03
2. fyjl ( 16/08/2004 13:30)
Marihiko fa mbola ho avy ny tatitra fa mba mitantatra izay hitako sy tsapako fotsiny aho
3. hery ( 17/08/2004 14:12)
Tatitra tany amin'i mcz
-------------

Tontosa soamantsara ny fiaonana ny namana tao @ EPP Ampefiloa t@ faha 15
Aogositra teo , natomboka t@ fifankalalana toy ny mahzatra moa ny fotoana.
Nasiana resaka kely ny fomba fidirana tchat sy ny mahatonga ny olona ho
Anonyme rehefa miditra satria zavatra manahirana tokoa izy io, ddia
nampafatarina ireo namana tsy mbola mpikambana tonga tao koa ny takelaka ny
serasera.org.
Nohony vita izay dia samy namosaka ny heviny daholy ny tsirairay momba ilay
fitsangatsanganana izay hatao, nahafinaritra tokoa ny fiarahana satria dia
samy nahay niady hevitra sy nanafana ny fiaonana tokoa ny namana rehetra .
Ka toy izay ary ny zavatra tapaka t@ izany fihaonana izay natao t@ io
fotoana io :
- Raikitra fa hatao @ 29 Aogositra izap ilay fitsangatsaganana
- Any Varahana Ambomanambola ny toerana hanaovana azy
-2000 Ar na 10.000Fmg ny fandraisana anjara ny tsirairay
- @ 8ora ka hatr@ 8.30 ny fotoana farany hiandrasana ny namana eny
Ambohijatovo ambony eo @ arret ny bus Ambohimanambola ny fotoana
- mahazo mitondra namana tsy mpikambana ao @ serasera ny namana
Hiangavina izay mba manana zavatra azo hialanavoly mba hitondra hoatra
Baolina , karatra , gitara sns
dia mba hiangavina isika tsy hotara fotopana fa tsy hafaka hiandry izay tara
ny namana.
Dia tongava maro fa ny fahatongavantsika betsaka no mahafana ny
fitsangatsanganana hoento ny tapaka sy namana rehetra izay any.
Raha mila fanampimpanazavana dia hatsoy ireo laharana ireto
-Voahirana 033 12 609 87
- FyJL 033 11 30 733
- Glou_ 032 04 16 886
- MCZ 032 40 396 42
Raha zendra taraiky enao nefa efa eny andalana dia hatsoy ireo laharana
ireo mba hanamboarana ny programa
Dia manatena ny fahatongavantsika rehetra izany
4. zankol ( 19/08/2004 09:28)
mba te ho tonga any aho fa lavitra loatra!
misaotra :) :) :)
5. fyjl ( 20/08/2004 06:14)
Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia http://serasera.org/forum/index.php?rub=viewthread&msgid=m41220de109c4b
6. andrygti ( 21/08/2004 08:39)
Miaraha ba nyreehtra !
tena tsara zany ! tsy maitsy ho tonga ihany dray andro any fa mbola lavitra eh !
mirary ny fitsagatsaganan ho tateraka!


7. mina ( 21/08/2004 16:41)

Salama daholo ve o. Mahafinaritra be zany o, mba te ho any aho fa tsy afaka e. NEFA na izany aza dia manaraka anreo any an'eritreritra.
Mahazoa fafinaretana daholo an. BIZZZ
8. heric ( 26/08/2004 11:16)
Tena mahafinaritra ny fanapahan-kevitra hitsagatsangana. Te handeha ny tena saingy sahirana sy lavitra. Maazoa fahafinaretana daholo e!!!
9. sarondrahona ( 27/08/2004 06:00)
Ialàna tsiny indrindra ny tsy fahatongavako tamin'ny 15 Aogositra 2004, fa namonjy ny fivorian'ny Mpanolotsaina tany amin'ny Kaominina aho, heveriko kosa anefa fa zava -dehibe izany fanapahan-kevitra izany, vao androany 27/08/04 aho no tonga ary mbola hanao ny fandaminana rehetra dia te -hihaona aminareo mihitsy raha tsy misy ny sampona. Sady hiezaka ny ho tonga aloha fa tsy mbola mahita ilay toerana.
Miala tsiony Fy a ! Aza matahotra fa ny diavolan -ko lava e ! Ny lalao mbola ho ela
Tongava soa daholo àry e !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
10. fyjl ( 27/08/2004 06:03)
Misaotra eram-po eran-tsaina ireo namana mampahery fa santatra ambavarano tokoa izao fa ny manetsa be mbola ho avy e! Mbola manantena foana aho fa tsy maintsy hisy ny andro izay hiaonantsika rehetra, ary mino tanteraka fa ho fifaliana hatrany izany rehetra izany. Sôtrééééééééééééééééééé!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5256