serasera "nahitana soa @ lafiny maro"

1. bichette ( 13/08/2004 13:09)

Maro tokoa ny olona ato amin'ity tranonkala ity, ao no efa mpikambana, ao ny mandalo fotsiny, ao ny miserana, ao ny miara miasa amin'ny Hery, ao ny manolotra ny tenany hanatsarana ny tranonkalo.
Ny tenako manokana dia nahita soa tokoa: ireo fifanankalozana ao forum, ny talenta ao amin'ny tononkalo, ny hira maro samihafa ao tononkira sns ..... ary ankehitriny dia nanokatra ny masoko ny hanisy lanjany ny mahamalagasy ahy.
Hisaorana manokana i Hery ny amin'ity tranonkala ity, antenaiko fa mitondra zavatsoa ho anareo rehetra izay efa mpikambana, na ireo mandalo ary mampahery ireo miara miasa akaiky amin'ny Hery koa aho hazoto hatrany !
novalian'i methode ny 05/03/2005 20:55
2. nykanto ( 13/08/2004 15:01)
Soso-kevitra avy tamin'i Ny Eja, poety namako sy anakfiziko ny sanganasany, no nidirako teto voalohany (ISAORAKO azy manokana izany), fikasanay efa hatrany dago ny hoe hanangana fikambanana iray hivondronan'ireo mpanoratra sy mpankafy ny teny malagasy aty ampita ... anisan'ny nitondra nanakaiky izany tanjona izany ny fandalovana teto ... efa manangasanga izany tanjona izay ary efa azo orohina rahampitso, tsy ho ela ... maniry koa aho fa mba nahita izay nirinao ianao raha nandalo teto satria ianao no mampalahelo indrindra raha toa ka ho very maina ny andro sy fotoana nolanianao teto. Mamerina ny fisaorana an'i Hery manokana sy ireo namana mahafinaritra niara-nitafa teto...

Ny Kanto.

3. oully ( 13/08/2004 19:13)
Raha ho ahy manokana dia tsy takatry ny saiko ny zavatra niainako sy voaraiko teto amin'ity sehatra iray ity. Tao ny mangidy dia tao ny mamy. Tato no nahitako ny tena namana ary tsy afeniko fa tato koa anefa no nahitako ny mifanohitra amin'izany :lol:
Mahereza daholo dia mino tokoa aho fa nanampy anareo rehetra hanomana ny ho avy izay voarainareo tato. (Na ilay mangidy io na ilay mamy an!).
Dia aoka amin'zay ho'ah ny teny mahery amin'ny lohahevitra sasany any. :-D
Mankasitraka anareo eh! tsy manadino na dia somary nangina aza.
4. besoiiin ( 14/08/2004 04:43)
salut daholo! isan'ny hisaorako manokana koa ity site ity! nisy tokoa ny tantara izay napetrany teo@ fiainako! tsy hadinoina raha ny fisiany e! koa ankaherezana ireo nanorina sy mpikarakara rehetra! ary koa ireo mpikambana tsy hadino. na dia izany aza ry oully mba ilaina ihany ny mifanala kely sy ny manisy sira sy poivre eny antsefatsefany eny a! na izany aza anefa rehefa @ zavatra serieux dia mba tokony ho matotra daholo!
mahereza e!
5. yonikafopl ( 14/08/2004 08:36)
Misaotra an'i bichette ny @ ity lohahevitra ity.
Tena nahitana ny soa ary hinoako fa mbola betsaka ny soa ho azo @ alalan'ity site ity ry Hery fa dia isaorana ianareo ao.
Firarian-tsoa hatrany no hatolotra anareo, ary dia mirary fahendrena avy @ ilay Ray any ambony ho anareo hahatontosanareo antsakany sy andavany ny adidy ataonareo.
6. ramoul ( 14/08/2004 20:21)
Teheka mafy tsika zany ho an' bichette ééééééé(clap,calap,calp... marary ndray ny tanako fa ôk' zay! :lol: :-D )
dia mankahery antsika rehetra zah mba haharitraz atram' farany ô! :wink:
7. ftma ( 15/08/2004 20:14)
Izaho aloha dia tena faly nahita an'ity site ity, tato no nahitako namana betsaka afaka mifanoratra sy miresaka amiko amin'ny teny malagasy, tato koa no hahafahako miheno hira, mamaky tononkalo malagasy.
Misaotra an'i bichette tamin'ity lohahevitra ity ary fisaorana koa no hatolotra an'i Hery sy ny mpiara-miasa rehetra.Dia mirary soa ho anareo rehetra.
8. bichette ( 16/08/2004 06:37)
Tsy misy fisaorana ry zareo a ! manantena fa ho maro ireo hahita soa ato.
ramaso > Marina tokoa izany, ahitana fomba fisainana maro, toe-javatra maro dia maro ary torohevitra maro dia maro hi hi hi !!!!!! maro loatra indraindray hi hi hi !!!
9. methode ( 16/08/2004 22:41)
Zao re vao mba afaka niditra indray a! Aty aminay tena manahirana ny connexion! Tsy voatanisa eto ny soa azo teto e!! Be dia be ny namana hitako teto ary dia tena mahafinaritra fa sady manome toro hevitra no manampy be ihany koa amin'ny zavatra atao. Betsaka no zava-baovao hitako teto!!
Kisendrasendra ihany aloha no nahitako ny serasera e!
10. bichette ( 19/08/2004 14:28)
ny ahy, fiarahana misakafo dia niresaka teo ny ol dia hoy aho hoe : andeha mba jereo izany serasera izany
11. methode ( 20/08/2004 22:35)
Fa matetika ny olona miditra ato amin'ny serasera toa hisangy fotsiny no tena antony hidirany raha tsy hoe mitady namana na mitady sipa!!
12. methode ( 21/08/2004 21:57)
ramaso> Sao de mba diso adiresy kosa ianao!! Sa matahotra vehivavy no tsy sahy miresaka mivantana! Ato ange tsy fantatrao mihitsy ny momba ilay olona e! Mety lehilahy izy fa mody manao hoe vehivavy!! Hihihihi
13. nikopol ( 22/08/2004 09:34)
methode, fa mumu nga lehila kle? sao de mba betsaka ny diso fanantenana...hihihi
14. methode ( 24/08/2004 22:15)
nikopol> De tsy haiko aloha e!! Mety mila savàna vao fantatra angamba ko!! Hihihii
15. bichette ( 25/08/2004 06:33)
methode > inona klou no savaina e ???
16. nikopol ( 25/08/2004 07:22)
Methode, manja be nefa i mumu io ! fa na bandy ary io aleoko tiavina ihany! :lol:
17. chipie1 ( 25/08/2004 08:35)
:-D aiza njay njy ry mumu ato
18. chipie1 ( 25/08/2004 08:40)
mbola naitako ny mamy alou hatramizao tato aminy serasera , ilay fiainona hira gasy , fifanakalozana hevitra eto aminy forum ...
mafinaritra, misaotra any i hery sy ny rehetra :-*
19. tsiperifery ( 25/08/2004 09:25)
Ato dia fianarana miresaka, mifandefitra, fanalàna henatra, fakàna torohevitra, fanalàna hamohamo, fanadinoina sorisory, fihainoana hira, fitadiava-namana, na vady koa aza.
Fehiny: ahitàna ny rehetra ato. Na namana mora sendôtra enao na mpivavaka na saro-kenatra , etsetra ...dia mahazo ny anjara tandrifiny avy sy mitondra tsikitsiky mody hatrany :D
20. nikopol ( 25/08/2004 14:14)
Misy sipa manja vraky be ato amin'ny namana, hisaorana ny mpandrahara! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7243