kaly gasy matsiro

1. roulio ( 10/08/2004 11:24)
Inona no laoka tianareo indrindra?
Dia omeo ny recette mba ataonay,mba andramanay
novalian'i mira ny 20/07/2005 14:42
2. nykanto ( 10/08/2004 11:51)
Henakisoa sy tsaramaso no tena tiako ... tsotra, alona indray alina ny tsaramaso dia andrahoina mitokana, atao saosy ny henakisoa ny tongolo sy voatabia, refa vonona dia afangaro, asiana sira araky izay itiavanao azy... tena mafilotra!
Ny Kanto.
3. ramoul ( 10/08/2004 13:24)
ravitoto sy voanjo no tena tiko njinja.
Tsotsa ny fanjahona anazy.
Anjahoy ny ravitoto de rehefa akaiky ho masaka tsara de asio sôsy de totona ny voanjo manta de afangaro fotsiny avy eo.
hmmmmmmmmm mazoto homana tompoko. :)
4. fifi ( 10/08/2004 13:52)
ravitoto sy henankisoa kou milay an!!!!!!! mmmmmmmmm! :-P
5. hendry ( 10/08/2004 14:19)
ravitoto sy henakisoa
trondro andrahoina @ coco
hen´omby ritra
6. lema ( 10/08/2004 16:07)
anamamy sy enan-kisoa
7. sipagasy ( 11/08/2004 08:04)
ary ny desert gasy mba tianareo??? ilay godrogodro taty frantsa za vao nihinana fa tiako kannn
8. voahary ( 11/08/2004 14:07)
mbola hiverina @ le lôka zah fa tsy dessert aloha eh : ne nah ndray totoken'omby sy legumes variés (sous fleur, haricot vert, carottes...) fa atao efilé ny fitetehana azy
asina tongolo gasy+ tomates no sauce atao aminy dia ridritina fa tena matsiro be
9. haingou ( 11/08/2004 15:16)
Ny ana njay ravim-botavo sy henakisoa dia asiana lasary karoty. Ny fandrahoana ilay loka njay a: esorina le ôtsany volony amin'ny le tahony sy raviny esorina hatreny amin'y tahony dea somary ampifampikosehina amin'ny tanana na totoina otsan'ny ravitoto dia anjaoina masaka tsara ny anana vao arotsaka ny henakisoa dia avy eo andraona tsara fa sô misy vôvary le henakisoa. Dia miam amin'izay refa veo.
De vôtavo sy voanjo koa matsiro be anjaona ny vôtavo de rehefa akaiky masaka de totoina ny voanjo manta de avy eo arotsaka amin'ny le votavo rehefa akaiky masaka le vôtavo
Fa ny tena milay an! de rambon'omby sy voanjo (tsy voanjo bory fa le voanjo fanendy ireny voanjo mena re a) de izy manta mbola tsy voanendy iny dia anjaona miaraka amin'ny hodiny ôtsany le mahandro tsaramaso ireny dia anjaoina miaraka izy sy le rambon'omby izany hoe le rambon'omby no anjaoina mialoha fa somary mafy mantsy izy ireny dia atao masaka tsara de somary atao petsapetsa fa tsy atao be rony be fa manjary ratsy.
Tena milay be io fa anjamo anie e
Dia mahazotoa homana daholo
10. kally ( 11/08/2004 18:03)
Aiiiy! ny fitantaranjy an'azy koa akia ry Haingou mampahatsiaro ahy an'ilay kôfa teny anjanomanalina,mpiakam's be izahay dia miaraka mankany @ tsaky pôp foana izahay mitsam t@ izany.Dia ravintoto sy pâte zôn no kômandinay,reveko an! ;-)
11. kinaoly ( 11/08/2004 23:19)
tongotromby sy kabaro, diovina tsara le tongony kalou , esorina ze mety tsy azo hoanina sy ze tsy voadio teny antsena , kikisana @ny antsy maranitra no tena mety, de le kabaro efa alona @ny al kalou a, de aveo atao sosy le tongony : tongolo votabia, oignon sy sakamalaho ( :-P nona be za ) aza ampina menaka fa efa matax be le hena, de avela hitanika kely le hena vao arotsaka le kabaro, aza adino ny sira avela malemy tsara doly ny hena sy ny kabaro zay vao esorina ambony afo (elaela kely vao masaka fa raha mety de ataovy autocuiseur :idea: )
12. bichette ( 12/08/2004 06:26)

Miam ! miam ! :P mampite hihinana daholo izany rehetra izany.
13. kally ( 12/08/2004 08:12)
Ramaso< ka efa hoe teny @ tsaky pôp ka enao kounkououou tsy tadidin-jamaso nga le teo Andvamamba e!t@ anjon'i Deba mikaly eo dôly ny pokona :-D
Itonjàko Ramaso @ le fihaonana.
14. ftma ( 13/08/2004 08:52)
ron-trondro:
endasina kely ny tongolo miaraka @ thym, arotsay ny tongolo gasy ny sakamalao voatoto, ary ny voataby notetehina madinika, asio safran kely, afangaroy dia asio rano kely, handraoina mandritra ny 10 mn, arotsay ny trodro voatetika, asio sira sy poivre dia afangaroy. hadraoina madritra ny 10mn. asio rano in 4 ny vera lehibe avy eo, azo asiana karoty sy poireaux voatetika madinika dia andraoina 30mn indray.
15. roulio ( 13/08/2004 16:34)
mmmmmmmmmmmm
matsiro be daholo zany laoka rehetra zany mi-lela molotra sahady za.
c'est partis, ataoko daholo zay vitako rehetra ka misaotra eeeeeee
16. xxx ( 14/08/2004 05:46)
Ty aloha tsy matsiro fa maivamaivana e
Trondro romazava:

Asalisaly kely ny trondro (atono, na endasina e), tsy atao masaka be fa refa mafy2 sy miova loko kely fts.
Ampangotrahina ny rano, asina voatabia (tsy endasina an), anamalaho, angivy, na ravim-bomanga, asio jumbo keeeeeely fts, sira

reha mangotraka tsara dia arotsaka ilay trondro, mandrapahamasaky ny ao anatiny fts, 10 a 15mn eo sao potika,
Maztoa!
Sady milay be le atao betsaka ny anamalaho d somary may.
Za aloha tsy tia angivy fa mba manome tsirony @le ro fts le angivy fa tsy hohanina :-P

kitjo
17. xxx ( 14/08/2004 05:47)
Sady tsisy menaka mitsy io ho an'zay tsy tia matavy raha asaly (atono) ilay trondro.....

kitjo
18. yonikafopl ( 14/08/2004 09:30)
hummmmmmm
inn amreo re no tsra atao laoka anjoany e!!!!!!! :roll: :roll: :roll: :roll:
ny henakisoa malany aty aminay, donc tsy mety, tsy misy anamalao .......
aleo angamba le ron-tsonjon'i ftma no anjamana. :-*
19. nikopol ( 16/08/2004 10:28)
Ary le kompôze gasy, misy voatabie sy tsaramaso lena somary misy ranondranony, dia misy ovy efa masaka. Rehefa avy mikotrana mihinana an'io fa avoazako tsara mihintsy.
Rehefa mangatsiatsiaka koa, dia misy lasopy, sokril na rambonomby, asiana voatavo, ovy, selery, karoty, tongolo, navet (kubor raha ho an'izay tia). Manala azy mintsy io refa avy mikotrana ara-pitiavana iny. :lol:
20. rurik ( 09/03/2005 00:05)
ny ahy dia anandrano sy hena no tiako.raha tianao dia omeko recette ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1594