Raikitra ny fiaonana ny namaa @15 Aogositra zao

1. mcz ( 09/08/2004 15:04)
Toy izay ny hevitra tapaka ny birao sy ireo namana sasan-tsasany fa horaiketina @ 15 Aogositra izao ny fiaonana ny namana mba hanomanana ny fivoahana , ka hatao ao @ EPP Ampefiloa @ 3 ora tolakandro , holazaina ao koa raha tian' ny namana hitsangana @ zay ny birao maharaitra na tsia , hilaza vao2 ao ny birao vonjimaika @ io , ko manasa antsika namana rehetra hotonga :D
novalian'i fyjl ny 15/08/2004 05:58
2. ramoul ( 09/08/2004 19:34)
Eny ary zany fa dia voaray ny afatra fa dia any zany tsika fantahita ndray. :wink:
3. ari.malala ( 10/08/2004 05:31)
aiza ho aiza moa no misy ilay EPP dia @ firy ny fotoana?
4. gasitiako ( 10/08/2004 05:55)
manentana antsika jiaby aza e
tongava ry namako isany an
any indray mihaona e
5. ahi ( 10/08/2004 07:46)
8O Ngah nisy an'zany fihaonana 'zany 'reto à????Zah kou mou tena raik'ts b de tsy nahalala n'inon'inona.K'izao é: Mbô lazao hoe :!: inona no tokony hatao rah hamonjy io f'tôna io?
Misoratra anarana ve sa misy cot's sa gratos :-P :-D sa mahazo mitondra havana aman-tsakaiza na vady aman-kilonga :°)
De lavà ny aina hohanin'ny h........é!!!
6. ravatorano ( 10/08/2004 08:13)
misaotra ny birao sy ireo namana hanatanteraka ity fivoriana hanomanana ny fivohahana ity ny tenako .
Tokony hamonjy io fivoriana io aho fa nohon ny antony tsy azoko anoarana d tsary afaka fa kosa dia vonona hanatanteraka izay lany ao momba n y fivoahana miaraka amin ny namana io.
Sosokevitra ary :
_ mety v raha amin iny ambatofotsy iny satria iny mba misy fiara b afaka mitondra sady mety misy namana afaka mifampiraharaha amin ny tompon ny fiara ihany eo amin ny resaka frais sy ny fanaterana ary ny fangalana.Amiko efa manamaivana ny tsi1-1 izay.
- izay handeha defa misoratra anarana na eto @ forum na izay hitanareo fa mety.Izao mantsy tsara fantatra mialoha ny mandeha mba hahafahana manao komandy ny fiara hitatitra sady eo koa ny fanomezana vola avanssy ilay fiara na tsy haiko.Izao koa mantsy sao d be ny misoratra anarana nefa vitsy no tonga ka d iza no hidiran ny fantian toka eo fa mba izay misoratra anarana izay dia ho tonga dhl satria isika dia namana tena mahafinaritra dhl.
-ny daty efa mba izay 29 izay ihany no hitako.
Izaho izany defa isan ny mandeha eh na aiza ny toerana na aiza !
Misaotra é
7. haingou ( 10/08/2004 08:20)
Dia mba ahoana zany zahay aty Bira aty. Mety hamonjy ilay 29 ihany aloha ny tenanay raha tratra e. Mety handeha tana mantsy zay amin'io ka raha mifanandrify amin'ny iakaranay aty dia isan'ny tena mavitrika amin'ny fahatongavana za amin'io
Fa dia isaorana daholo ny namana amin'ny ezaka e
8. xxx ( 10/08/2004 08:36)
Na dia tsy any an-toerana aza ny tenanay dia manohana io voalazan'i Ravatorano io e !
Tadidinay tsara ny tenin'i Fyjl tany @ 67 ha hoe " matoa isika nifankahalala dia noho ity internet ity. Samy mahay mampiasa ordi izany. Donc, tsy n'importe qui ! "
Arak'izany dia efa samy namana matotra isika ka mitaky organisation matotra izany. Tsara milaza mialoha izay tena vonona ny hande fa tsy manome toky pôkaty sanatria !
Mahafinaritra tokoa io Ambatofotsy voalaza io sady tsy saro-dalana. ( Raha misy olana aza ny namana dia mety afaka mialokaloka ao @ i Ravatorano angamba fa tsy lavi-podiana izy. :-D :-D )
Mirary soa anareo rehetra ary dia hiara-paly aminareo an'eritreritra e !
Samoina
9. fyjl ( 10/08/2004 08:40)
Alahady 15 Août @ 3 ora tolakandro ao @ EPP Ampefiloha ka eo @ CNaPS ny fotoana mialoha ny @ 3ora ho an'izay sahirana mitady io EPP io. Tazana avy eo @ CNaPS izy io ary azo atao tsara ny manontany olona satria raha mbola mponina Ampefiloha dia tsy misy tsy mahita an'io EPP io.
Ho dinihana @ zany ny Sortie @ 29 Août sy ny fananganana Birao raha ekentsika ny hanaovana izany.
Tsy mitondra afa-tsy taratasy sy stylo nefa mitondra ihany vola sao misy plisy plisy refa mirava! hihihihihihi
10. jabert ( 10/08/2004 08:40)
manentana antsika zany ho tonga maro amin'io fivoriana ao ampefiloha io fa ny hevitry ny maro no mahataka davitra eh fa ny anontaniako fotsiny de we salle firy no hanaovana io fivoriana io fa sao fanina izay tonga ao ka mody fotsiny!
jabert alias glou_
11. naritsimba ( 10/08/2004 09:23)
Salama daholo eh!
Tena mazoto tokoa ny tenanay hamonjy fivoriana fa saingy miala-tsiny mialoha fa tsy ho afaka @ 29/08/2004 io fa andeha hanao asa fitoriana any @ FJKM Salazamay-Toamasina izahay ny 27-28-29/08/2004.
Koa dia mirary soa ho anareo mba hahatontosa antsakany sy andavany izay rehetra kasaina.
Ny zavatra kely mba azoko anampy dia izao raha misy fotoana dia afaka manao fampisehoana maimaim-poana izahay mba ahafahantsika mahazo vola mba ho entina ampihodinana ny Firainkinantsika eto @ namana. Ny toerana no mba tadiavinareo sy ny fotoana anaovana azy.
izay fa mandra-panoratra eh!
12. idealy ( 10/08/2004 10:59)
salut daholo eh
izaho moa na te handeha aza tsy afaka mihintsy rehefa alahady fa mianatra katekomena fa manaraka ny vaovao eto ihany eh mahavità soa daholo
13. mcz ( 10/08/2004 13:01)
ok tsy maninona izay tsy hafaka fa isika rehetra izay tany @ 67 ha hiangavina mba hotonga daoly éééé , izay hafaka de mba lazao ny namana sasany izay tsy mbola nade ho tonga ko ééé de manatena ny fahatongavantsika @ io :D :lol:
14. nykanto ( 10/08/2004 14:47)
Mahafaly ny mahita malagasy mifankatia manana hevitra tsara hihaonana sy hifaliana,
dia mirary indrindra indrindra ny fitohizan'izany. Hitondra ny mahasoa sy ny mahafinaritra ho an'izay mpandray anjara rehetra, araky ny tandrifiny azy avy, anie izany fihaonana izany ... manentana ny rehetra any an-teorana ho tonga hanatevin-daharana ireo izay efa mikasa ny handeha ... fa ho avy any daholo raha ny lazany efa manako hatraty ireo karazan'olona manana talenta rehetra, ary raha tany an-toerana tany ny tenanay dia tsy mba nanaiky ny ho diso anjara tamin'izany lanonana izany. "Ny lasa tsy mba miverina " hono koa asakasakao izay afaka nefa tsy handeha amin'io, sady ny manaraka indray mbola tsy hay hoe rahoviana... Koa tongava maro eh!

Ny Kanto.
15. fyjl ( 11/08/2004 05:34)
Misaotra an'i naritsimba fa zava-dehibe izany fandavanena izany ary fanomezana lehibe ho an'ny namana. Misaotra ihany koa an'ireo namana tsy afaka ny hanatrika io fihaonana io satria hery lehibe ho antsika tokoa ny fampaherezana natolony.
Salle enina (6) ihany no ao @ io EPP Ampefiloha io ka iray @ reo no hisy antsika.
Ny hany hiangavina antsika rehetra indrindra ireo izay mety ho sahirana @ fitadiavana io toerana io dia ny hahatongavana mialoha e!
Koa tsy sasatra mihintsy manentana antsika ho tonga maro.
Mahereza ry namana isany
16. ravatorano ( 11/08/2004 09:36)
fyjl> :-P misaotra indrindra fa dia mahay mamerina tokoa ianao amin io razandry.
Aza adino ilay sosokevitro mba ento any :
toerana Ambatofotsy
andro na daty dia ny le 29 août izao
farany i fyjl mitady ny fitanterana hihihihi
misaotra mialoha anareo namana rhtr eh
:wink:
17. fijo ( 11/08/2004 22:17)
akory aby e,dia tena mbola tany mada tokoa aho ny 02/08 teo saingy tsy nahalala io fotoana io,ary na dia nahalala koa aza dia tsy hafaka tonga satria nanao akisida ny alin'ny 01/08 ka naika tsy hita teto intsony.ka dia mankahery izay tapaka ao ary e
18. raimble ( 11/08/2004 22:59)
Mazotoa daholo amin'ny fivoriana é!
Fanontaniana : ary ny (fikambanana) namana aty am-pita angaha tsy mba mahavita fivorivoriana tahaka ny any Madagasikara é !
19. rowdy ( 12/08/2004 06:43)
zay te handeh fa tsy hitanay akory le epp ampefi-tete?AIZA KAY
20. fyjl ( 12/08/2004 07:47)
Averiko indraymandeha fa :
Alahady 15 Août @ 3 ora tolakandro ao @ EPP Ampefiloha ka eo @ CNaPS ny fotoana mialoha ny @ 3ora ho an'izay sahirana mitady io EPP io. Tazana avy eo @ CNaPS izy io ary azo atao tsara ny manontany olona satria raha mbola mponina Ampefiloha dia tsy misy tsy mahita an'io EPP io.
Aza atao vato misakana ny mbola tsy fahitana azy @ zao fotoana izao satria tsy sarotra noho ny mitady zavatra hafa ny mitady io EPP Ampefiloha io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7191