Logo Couleur, Sonnerie polyphonique, Jeu Java, sns ho an'ny Finday

1. drtriniti ( 09/08/2004 10:48)
Salut!
Ho antsika eto amin'ny namana indrindra izay any ivelany sao dia mba misy manana hevitra na soso-kevitra mba ahafahako maka na mi-telecharger angamba no azoko hilazana azy ireny Logo couleur na Sonnerie polyphonique na Jeu Java isan-karazany ato amin'ny Internet ireny (Ohatra: http:www.goomobile.com/). Mba tena misy betsaka tiako mantsy ao anatin'io Site io fa ny olana dia ny hakako azy.
Ny Operateur aty Madagascar (Madacom & Orange) mantsy dia tsy mbola afaka mampiasa ny Internet amin'ny alalan'ny finday: Io ilay antsoina hoe "Service WAP" ka izany no mba ilako hevitra sy fanampiana ihany koa amintsika namana ato sao dia mba azo atao ihany ny mandefa azy ato amin'ny finday-ko. Izany hoe ilay efa avy ao amin'ny finday-n'ny namana no alefa mankato amiko. Izay angamba sisa no heveriko fa mety.
Marihina aloha fa "NOKIA 3510i" ilay finday.Ary mbola tsy manana ilay cable accessoire-ny ihany koa aho izay ahafahana mamindra ilay zavatra ilaiko avy ao amin'ny Solosaina mankao amin'ny finday.
Mankasitraka antsika ato amin'ny namana sahady.
Izay mba manana hevitra dia mba iangaviako mba handefa hafatra ho ahy.

Misaotra betsaka daholo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2233