recette na sôsêty

1. haingou ( 07/08/2004 14:09)
Za mba omeo recetina sôsety raha mbo misy. Zay mantsy mamboly sôsety be de dakan'ny alika fotsiny fa tsy hay ny mahandro azy
Dia misaotra mialoha daholo ô
novalian'i Miela ny 11/05/2005 14:38
2. six ( 07/08/2004 14:12)
LASARY:
voasana d tetehina atao lavalava hotran'ny stylo, ampangotrahina d refa masamasaka d alàna rano, d avy eo manao sôsy voatabi s tongolo d menaka sy poivre! ny sira aza adino!
MAZOTOA HOMANA
3. lanto ( 07/08/2004 14:16)
Io tenenin'i six io koa no itiavako ny sosety
miammm
4. sipagasy ( 07/08/2004 14:16)
Miarahaba,

Fa aiza aloha ny misy anao é!, ny ahy aloha ny fanaovako azy dia atao salade é! izany hoe ampangotrahina miaraka @ hodiny dia atao tahaka ny makandro vomanga ireny é! fa tsy atao masaka be dia voasana rehefa mangatsiaka dia tetehina manify dia ampiarahina @ voatabia, katsaka, ....
NY faharoa indray dia andrahoina tahaka ny ovy miaraka @ hena na toton-kena izany hoe andrahoina aloha ny hena, miaraka @ épices isankarazany izay tianao dia rehefa akaiky malemy iny vao arotsaka ny sôsety efa voavôfy & voatetika atao fangarony tsy dia atao ritra be fa atao somary misy ranondranony é!

Dia mazotoa homana ary ré!
PS: mba andefaso zà :)
5. haingou ( 07/08/2004 14:37)
Misaotra betsaka daholo fa tena nahafapo tanteraka ny recetinareo.
Aty Bira sady aty tena vokatra be mihitsy ireny
6. rniaina ( 08/08/2004 20:21)
lay fahandro num 2 an'i sipagasy apiana totom-boanjo, tsy tena atao potikabe, :lol:
7. hendry ( 09/08/2004 10:03)
Tsy tadidiko tsara ilay recette fa asa na misy mahay. Saosety atao sauce blanche miaraka @ ronono dia rarahana fromage voakiky eo amboniny rehefa vita.
8. methode ( 09/08/2004 15:00)
Atao lafika trondro ihany koa ny sôsety tsara. Tetehina fisapisaka dia sasana tsara avy eo dia ilay rano kely sisa tavela tamin'ny nanasana azy iny ihany no andrahoana azy aloha rehefa napetraka eo amboniny ny trondro. Araraka eo ambonin'ilay trondro ny sira. Tapohana tsikelikely mandra-pahamasaka tsara ilay trondro. Ny voatabia sy tongolo sy ny sisa koa atao eo ambonin'ilay trondro fa ny menaka rehefa hita fa tena masaka ilay trondro vao arotsaka. Tsy atao be rano rehefa manampy rano an. Raha maharitra ny fandrahoanao azy dia mety halemy mbamin'ny taolan'ilay trondro ka azo hanina amin'izao fa tsy mila esorina ny taolany. Dia atao laoka vary amin'izay.
9. methode ( 09/08/2004 15:04)
Tsy haroina mihitsy ilay izy mandrapahamasany. Izany hoe tokony tsy potika ilay trondro raha kelikely ny rano anampohanao azy. Azo ampiasaina ho lafika koa ny anana sy ny sisa. Ny trondro koa azo hatsaraina ny fanomanana azy ohatra asiana sesika na koa hosorana saosy mampatsiro azy mialohan'ny hametrahana azy eo ambony sôsety na anana!!!
Rehefa masaka izy dia ritra tanteraka ka mila ro mazava raha tsy misy saosy hafa!!
10. sipagasy ( 09/08/2004 17:24)
mmmhhh, ary tena mpahandro kay ty methode ty annnn raovina isika no hanokatra réstaurant "serasera" hihih
11. ramoul ( 09/08/2004 20:47)
Atôvy lasary rehefa tsy hitanao tsony ze atao ra zany kou! :wink: hummmm
12. cutie ( 16/08/2004 20:18)
domazy, tsy mahita sosety za aty. :(
13. sambatra73 ( 18/08/2004 11:03)
haingou> zareo antillais tena adalana sôsety "christophine" na dé lafob azany aty. Ataony sôsy miaraka @ tongolo sy vôdaby, ataony gratin koa, nisy coktail nandanako d nisy tartelettes nisy zavatra maitso2, naveriko oe zavokà, kay gratin sôsety, miammm
14. xxx ( 18/08/2004 13:35)
Mofo sôsety koa milay be. Rapena amin'ny rape fanaovana lasary karoty ireny dia asaiana lafarinina sy levure kely ary voatabia dia atao ohatran'ny pate mofoanana ny pateny dia endasina ôtran'ny mofoanana ireny mihitsy
Dia mazotoa daholo ô
15. chipie1 ( 21/08/2004 07:33)
andrahoina miaraka aminy hodiny de avy eo voasana de tetehina madinidinika de asiana mayonnaise zay kou tsara asina mofo
16. kally ( 21/08/2004 10:06)
Tangosana dia andrasana hitsiry ilay voany efa antitra be iny dia omena an'ilay olona eo akaikinareo hamboleny koa fa izy tsy manana. :wink:
17. hendry ( 21/08/2004 15:22)
kally> lazain´ny olona fa adala ngamba aho satria tapa-tsinay irery aho ato mamaky an´ito, recette no angatahin´olona koa ny an´i kally zavatra hafa no lazainy.
18. kinaoly ( 21/08/2004 19:58)
sôsy 13: sô6 sy sô7
19. Miela ( 11/05/2005 14:38)
rapez ny sosety manta, atao ohatra ny manao lasary carotte lavalava madinika ireny ihany. eo ambony afo malefaka, atao anaty vilany dia asiana poivre kely, eo amin'ny 5mn eo dia afangaro tsara mba ho tratra daholo di alana ambony afo dia ampangatsiahana.

ankoatran'io dia efa manao sauce vinaigrette, asiana tongolo oignon sy persil, ciboulette.
Asio jaune d'oeuf natao oeuf dur naparitaka eo amboniny dia arosoy rehefa voafangaro tsara daholo


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1785