Sortie @ faran'ny volana Août

1. fyjl ( 07/08/2004 05:13)
Nahafaly ny fihaonako t@ solotenan'ny birao satria nilaza izy fa :
- Antsika rehetra izay zavatra atao eto
- Miaraka amintsika mandrakariva izy ireo
- Tohanany izay fanapahan-kevitra lanintsika satria tsapany fa mendrika ary ho mendrika hatrany.
- Ho raisiny ny fikarakarana izany
Kanefa :
- Nampitondra fialantsiny izy noho ireo adidy maro tsy maintsy iantsorohany. "Asa vadidrano izy ity ka tsy vita tsy ifanankonana."
Noho izany:
- Miangavy antsika mba hifanampy aminy @ fananatanterahana io fikasantsika izay sady mahasoa no mahafinaritra io.
Ka rehefa natambatra ny hevitra rehetra dia :
- Hita fa ny 15 Août no tsara indrindra hihaonantsika izay hiketrehana ny sortie
- Hita ihany koa fa ny 29 Août no mety @ maro ho an'ilay sortie.
- Noho ny fahasarotana anefa dia mbola tsy afaka manondro toerana (15 Août io) aloha isika nefa mino aho fa tsy maintsy @ mora hita sy mba tsy hanahirana ny hatongavana any. Ho fantatra tsy hoela ihany koa anefa ny moma an'io
Koa :
- Apetratsika ary fa ireo no tapaka nefa tsy maintsy dinihina hatrany ny fomba hanatanterahana izany mba havesatra amintsika.
- Mbola miangavy antsika ihany koa hanome sosokevitra hatrany mba hahamora ny fikarakarana sy mba ho @ itiavan'ny rehetra azy izany.
Misaotra antsika isika eeeeeee!
novalian'i fijo ny 17/08/2004 20:16
2. kally ( 07/08/2004 05:59)
Misaotra anareo nahafoy tena sy fotoana @ fikarakarana.Inona moa fa dia mirary fahombiazana.Ary oeee!raikitra ihany le 29!! aiza ary i Hendry sy Ravatorano hitsinjaka.
3. fraulo ( 07/08/2004 07:48)
salama daholo !
Ouff, izay ahay mba misy fanantenana, raha vao ilay 15 aout iny no raikitra dia saika fanindroany no tsy afaka ny tenanay, kinanjo misy fanantenana tampoka raha 29 no raikitra.
Dia isaorana tokoa ny mpikarakara e, raha sendra misy fahafahana ve moa ny tenanay tsy hilaza eny antsefatsefany eny ihany !
a+
4. mcz ( 07/08/2004 11:03)
Misaotra antsika rehetra namaly ny antson' i FyJL , ka anjaran-tsika namana rehetra no manamasaka ilay fotoana , fa harakarakan' ny fotoana mampalalaka sy maha betsaka hafaka antsika rehetra no maharaikitra indray ny fiaonana , ka harosoy ary ny hevitra izay misy any @ tsika rehetra any fa vonona handinika ny hevitrareo izahay @ birao vonjimaika , @ Latsinay na Talata ny birao milaza vao2 misimisy kokoa avy aty @ ka ny rehetra dia hafaka mapandroso ny heviny fa antsika rehetra io éééé ,
5. kally ( 07/08/2004 13:06)
Raha izaho manokana aloha dia hevitra tsara le 29/08,mety daholo na hitsangatsangana na hihaona handihindihy fotsiny.Ny toerana aloha aza atao sarotra be fa izahay tsy maintsy mandeha mivavaka aloha vao afaka mankany.
6. six ( 07/08/2004 14:08)
dia miandry ny fanapahan-kevitra zany izahay, zay mou d vonona lalandava hanatrika araka zay azo atao refa misy ny fihaonana!
7. igliky ( 07/08/2004 15:42)
Alefaso fa izahay vonona foana e!
8. hendry ( 09/08/2004 11:03)
Misaotra ny birao nanapaka ilay fotoana. Ny toerana zany sisa.
kally> omeo soso-kevitra hafa ary @ ilay toerana e!
9. mimich ( 09/08/2004 12:54)
dé mahavita soa ry reto ah! , zà mety tsy afaka le 29 /08 , na izany aza ho avy ihany aho 15 raha tsy misy ny sampona
10. fyjl ( 09/08/2004 13:38)
Eny ary fa raikitra zany fa 15 Août no fihaonana manaraka ka natao indrindra hanapahana ny sortie @ 29 Août.
Momba ny toerana hivoriana araka ny hevitro dia ao @ EPP Ampefiloha. (Eo anelanelan'ny Superette sy ny CNaPS no misy azy eo ambanin'ny building atao hoe Batiment C, tazana avy eny @ CNaPS izy io) Raha mbola mponina Ampefiloha dia tsy maintsy mahalala an'io ka tsara ny manontany olona ho an'izay tsy mahita. Ary tsara raha @ 15h ihany no hanombohana azy.
Koa raha misy mahita hevitra hafa dia raisina hatrany izany.
11. mimich ( 09/08/2004 13:57)
ilay takelaka ahalalana hoe serasera FyJL aza adino @ izay a!na samy mahita ny lycée ampefiloha aza mety mbola hitsitokotoko eny ivelany eny indray dé hody ny sasany raha vao tsy misy olona fantany sy tsy misy toerana iray voatondro hoe eto ny sersasera alohany hidirana any.
12. ravatorano ( 10/08/2004 08:04)
kally>tena fijinjaha bevata tokoa aloha nenah fa raikitra le 29 é
zà dia miala tsiny dieny mialoha fa tsy tratrako ilay daty ny 15 aout io nohon ny antony sambiafa ka dia maporisika antsika namana handray anjara mavitrika ary koa mankahery ny mpivory rehetra fa izay tapaka amin io dia manohana tanteraka ny tenanay.
Ny sosokevitra angamba dia tsisy ho lazaina fa defa io 29 io no mba atsofoy any ka mba ataovy anisan ny andro ho laniany amin ny fivoriana eh
Misaotra ny birao sy ry fyjl nanolotena amin io fampivoriana io.
Mankalaza ry akama ah
mimich>tsy eny amin ny lycée ilay toerana fa eny amin ny epp ampefiloha ka sao d ery amin ny tokony tsy ijanonana miandry no mijanona fa d izay vao ho tavela tanteraka ianao an
:-D
13. kally ( 10/08/2004 08:22)
Dray!masaka izany Ravatorano a! raiketintsika ny oatsa oatsa amin'io sa aôna ozy enao?
14. fyjl ( 10/08/2004 08:31)
FANAMARIHANA : Tsy lycée Ampefiloha fa EPP Ampefiloha.
Tsara raha mifanao fotoana eo alohan'ny CNaPS mialoha ny @ 3ora ho an'izay sahirana mitady io EPP io. Marihiko ihany anefa fa tazana avy eo @ CNaPS izy io.
Koa manentana antsika rehetra mba ho tonga maro e!
Araka ny fanasana voaraintsika any @ Admin dia ho dinihana @ io fotoana io ihany koa ny momba ny hananganana ny Birao.
Misaotra antsika rehetra @ zany.
15. mimich ( 10/08/2004 09:31)
ok! hitako io fa efa lasa dia tsy voahitsy intsony ilay diso e!
16. fyjl ( 11/08/2004 05:38)
Misaotra ireo namana tsy afaka ny hanatrika io fihaonana io satria hery lehibe ho antsika tokoa ny fampaherezana natolony.
Salle enina (6) ihany no ao @ io EPP Ampefiloha io ka iray @ reo no hisy antsika.
Ny hany hiangavina antsika rehetra indrindra ireo izay mety ho sahirana @ fitadiavana io toerana io dia ny hahatongavana mialoha e!
Koa tsy sasatra mihintsy manentana antsika ho tonga maro.
Mahereza ry namana isany a!
17. fijo ( 11/08/2004 22:23)
fa ngaha i kally izao any le?
18. fyjl ( 17/08/2004 05:39)
Raikitra fa ny 29 Août 2004 @ 8h - 8h30 no fotoana eo @ arrêt Ambohijatovo ambony. Hitsangatsangana any Varahina Ambihimanambola isika. http://serasera.org/forum/index.php?rub=viewthread&msgid=m4120a0f4dbbac
19. mimich ( 17/08/2004 09:50)
fijo> vo ndray ianao t@ iny an! lasa vao tonga ny oll hihi
20. fijo ( 17/08/2004 20:16)
tena tsy mety wa zany.lasa ve za vao misy ilay fitsangatsanganana le.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3399