Ny arts martiaux sy ny misteriny!!

1. ludo ( 06/08/2004 06:42)
Azafady tsy we mitsikera ny mpakafy ny sy ny tariny fa resaka no atao
eto MARINA VE FA NY MPANAO ARTS
MARTIAUX SASANY MIVAVAKA @ SAMPY???
novalian'i ZAPRO ny 14/01/2017 14:09
2. hendry ( 06/08/2004 08:23)
Miankina amin´ny famaritanao ny atao hoe sampy io.
Marina fa misy zavatra itokiana na ifikirana matetika ho an´ny mpanao kung fu na yoga, mety ho sampy mety tsy ho sampy. Raha vao miresaka sampy manko matetika dia ohatran´ny zavatra ratsy foana, sa tsy zany?
3. fijo ( 13/08/2004 04:18)
marihiko aloha fa ny hay ady"arts martiaux"dia tsy fivavahana na dia mpivavaka aza no tena nanao azy taloha.mila herintsaina be io sy fandinihan tena maharitra koa ka izay angamba no hafangaron'ny sasany amin'ny finoana sampy.
4. gasykely ( 17/10/2004 23:29)
Oh zahaly eh, tsy azo farintana ho sampy mihitsy aloha ilay izy eh, fa saingy tsy aiko hoe inona aloha ilay ataonao hoe sampy???, arakarak`izay ihany manko io, ny arts martiaux dia mila fitoniana, fandinihantena, fiarentana sns, rehefa tena mandala sy manao azy eo amin`ny fiainana, ka mety izany no hilazan`ny olona mpijery avy ety ivelany hoe manompy na mety manompo sampy. Nefa kosa dia tiako ny milaza aloha fa misy ny mpanao arts martiaux diso lalana ( malagasy no tiako lazaina an), ka tena azo lazaina fa manompo sampy (sampy = zavatra manome hery), vitsy manko ny fampianarana arts martiaux gasy no mahavita sy mampifandanja ilay hoe sady fanantanjahatena no fitaizana fanahy (tsy hivavahana akory an), ny antony angamba dia bediabe, misy ny manao fahoanifahoany fotsiny, misy indray entina hireharehana ilay izy, misy koa nohon`ny faniriana hantanjaka sy havita zavatra tampoka nefa tsy te hiaritra ny fanantanjahatena.
Ny hitovizan`ny fivavahana sy ny fanaovana arts martiaux dia ilay fandalana ny marina sy mandeha amin`ny lalana mahitsy.
izay aloha fa mazotoa sy mahareta izay mpandala an`io taranja iray io
5. fijo ( 19/10/2004 20:35)
marina io ry gasy be
6. sahary ( 06/01/2005 09:39)
ny arts martiaux aloha de marihana fa tany Inde sy tany chine no tena nandala azy io fahiny i.e firenena tsy kristiana ,koa mazava be raha toa ka misy ireny fombafomba isan-karazany toy ny manompo sampy ireny,fa de anjaranareo ry zalahy no mamakafaka sy mandinika fa tsy hoe izay rehetra ampianarina ao de raisina daholo na de efa hita aza fa tsy mety sy tsy mifanaraka @ finoana arahinao.
7. fijo ( 02/02/2005 05:38)
na sampy io na inona rehefa manao ny mety izy amiko dia izay no tanjona,fa tsy hoe za kristianina nefa ny toetra alika
8. pd ( 25/02/2005 11:38)
Mialatsiny aho tsy hoe mizest fa anisan'ny nandalina an'io taranja io aho nandritra ny 10 taona fa mb ola tsy nahita resaka sampy mihitsy , ary efa anisan'ny nandray anjara t@ fampisehoana goavana ary maana porofo mazava azo raisina tanana raha mila izany porofo izany ianao dia afaka mandefa sary izay anisa'ny souvenirako aho . Ny hafatra kely apetrako aminareo fotsiny dia izao : raha misy zavatra ataonao dia aoka ianao hatoky ny tenanao dia ho hitanao fa hisy hery tsy ampoizinao mipoitra tampoka , ny olombelona rehetra anie samy manana hery iazy namen'i Andriamanitra azy avokoa fa izy no tsy mandalina azy sy mamelatra azy .
9. nounoum ( 27/09/2005 12:41)
Ilay resaka art martial zany de tena mampisangôjy ny pokona @ tanàna nefa anie zavatra tsotra io e!ho an'oll sasany zao de te hiala voly izy de io art martial io no ataony ka refa tonga ny fotoana hialany voly ka mampiasa io art martial io izy de tratrany izany ny tanjona we miala voly izy.Misy in-1 ny manao azy ho fanatanjahan-tena de sahala @ zay ihany e! refa tonga ny fotoana te hanaovany izany de manao izy ary tratrany ny tanjona.Io zany de izay hanaovanao azy e! refa tratranao fotsiny ny tanjona de izay e! sa ahoana?:?:
10. ZAPRO ( 14/01/2017 14:07)
zah aloha dia tena tia ARTS MARTIAUX EH! ary nadalina kel mits..fa mbola tsy nanao ART manao méditation zany ee!!! betsaka no milaza fa betsaka ny zavamiafina ao @le izy ...tsy manakiana zah na milaza hoe manompy sapy na otrizany izy ireny aa...fa in marna le we méditation....
11. ZAPRO ( 14/01/2017 14:09)
zah aloha dia tena tia ARTS MARTIAUX EH! ary nadalina kel mits..fa mbola tsy nanao ART manao méditation zany ee!!! betsaka no milaza fa betsaka ny zavamiafina ao @le izy ...tsy manakiana zah na milaza hoe manompy sapy na otrizany izy ireny aa...fa in marna le we méditation....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.345