Kiwi

1. jantina ( 05/08/2004 07:09)
Nitondra kiwi tany Dago izahay fa tsy hay ny namboly azy. Ahoana kay ny fomba fambolena an'ireny any? Sady voankazo be vitamine mantsy io no mahasalama. Sady sakafo no haingontanàna.
2. kally ( 05/08/2004 13:41)
Dia tsy haiko loatra ry jantina fa ny fantaro fotsiny dia ambolena @ toerana talaky masoandro voaaro @ rivotra ary @ tany be azôta.Sa fambolena azy ahoana?
3. jantina ( 07/08/2004 14:27)
Misaotra betsaka kally a. Ny tiako ho fantatra dia hoe efa nisy nanandrana nitondra ve tany amitsika ka vanona? Dia nisy voany ve?
Misaotra betsaka e
4. tsilan ( 20/08/2004 03:16)
Maha be voalavo ireny fa aza mba ambolena amoron'ny trano. Ilay fitarotarony mantsy tena azon'ny voalavo ialofana tsara, no manampy azy mianika trano.
Tsara manko ny hevitra fa tohizo eh
5. ikaretsaka ( 03/09/2004 20:09)
ho an'izay mamboly kiwi dia efa hamelana izy izao (ny any madagasikara) sady misy fofona izay ny vonikazon'izy ireny izay manintona tokoa
6. jantina ( 04/09/2004 07:45)
misaotra anareo fa hampitondra an'i Dadanay sy Neninay aho rehefa mody any Dago izy.
7. kitjo ( 05/09/2004 13:22)
tsara kosa zany fa za tsy mba mahalany betsaka @ reny.
8. ikaretsaka ( 06/09/2004 03:35)
ilay mbola mamofy azy no tena mahakamo azminy.. indrindra ilay bebe volony be iny
9. fatsoraly ( 06/09/2004 03:48)
tsilan> sady mahabe voalavo ve no be volony dia lasa mampihinana amam-bolony ao an-dava-boalavo?
:wink:
10. ikaretsaka ( 06/09/2004 03:55)
aza ratsy saina kosa le
11. fatsoraly ( 06/09/2004 08:16)
aza ratsy saina rehefa mamaky
12. kitjo ( 06/09/2004 10:23)
oadray, haninona any andavam-boalavo koa ry fatsoraly?

ika> tsy hitovy @ mamofy poma sns ihany v iny sa manahirana kokoa? Ary lazainao hoe tsy d misy volony le any Dago sa karazany hafa? sa arakaraka ilay tany?

D aiza no mety misy mivarotra zanany kay ao Dago? sa tsy maintsy entina?
D ahoana koa ny ahafantarana hoe lahy na vavy le izy fa za mihinana oh tsy mahita anzany?
Sa ze lavalava fts d lahy? Oh papay..
13. ikaretsaka ( 06/09/2004 21:56)
ny kliwi any singapore no lazaiko @ le hoe tsa ty mamofy ka.. ny any misy volony !
ny paoma ange sefa maika tonga de hoanina @ zao e.. fa ny kiwi tsy afaka fa tsy maintsy mamaofy aloha .

tsy misy zanany amidy ao dago (tsy mbola nahita aloha aho fa bebe ihany izay mpivaro-boly natoniko izay) ary io ilay manavaka ny lahy sy ny vavy io no manahirana kely aminy raha ohatra hoe alaina aman'olona izy satria mety lahy be aby no miala any na vavy be fa aleo ilay expert ihany no anontaniana
14. fatsoraly ( 06/09/2004 23:35)
kitjo> vakio ilay nosoratan'i tsilan dia ho azonao ilay voasoratro
15. fatsoraly ( 07/09/2004 02:58)
16. fatsoraly ( 07/09/2004 03:27)
iza lety izany "mety resin'ialahy" izany?

nanaovan-dramaso
pi-maso
novokisany tsaramaso
ka revo avy hatrany...ilay malaso

hahaha
17. ikaretsaka ( 08/09/2004 03:32)
ho lany tempo gaigy ihany ialahy ity ry fatsoraly ... saingy ilay tempo tsy mbola ao aloha!
18. fatsoraly ( 08/09/2004 03:50)
hahaha! 8)

Mpandefa : ikaretsaka 04/09/2004 01:24:28
Lohateny : Val : NY GASY ETO PARIS
aza mifanonpa hoa ra fatsoraly an.. ny haine personelel an la mba tazomy ho an'ialahy azafady fa lasa simba le discussion

19. ikaretsaka ( 04/10/2004 04:49)
kiwi ny resaka fa tsy gasin\'i paris sy ramaso manao pimaso le
20. ikaretsaka ( 07/10/2004 03:40)
ny anay hono mbola mantakisoka :cry: :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3978