Western Union

1. hery ( 01/08/2004 06:49)
Azoko antoka fa be dia be isika no mampiasa an'io fomba io handefasana vola na mandeha any Madagasikara na any antoerankafa... fa amin'izao fotoana izao ohatran'ny miha-midangana ihany ilay izy. Tsy mitovy amin'ny taux ao antoerana fa ambany be... ohatra hoe 1 euro = 10.500 fmg.
Dia tonga saina aho hoe tsy misy hevitra hafa ve ialana amin'io western union io e? Tsy mety ve raha ohatra ka manangana western union kely ny Gasy (bizna be manadala izany) ka ireo Gasy aty ivelany ihany no atao karazana masoivoho isaky ny toerana?

novalian'i eliana ny 05/08/2004 01:37
2. sipagasy ( 01/08/2004 06:55)
ka efa misy anie izany ry Hery é! aty frantsa aloha é! izany hoe manove vola ilay olona aty ianao (euro) dia omeny code mba ahafahan'ilay olona maka azy any dago miaraka @ kara-panondro, amina fivarotana iray eny @ 67Ha eny (en ariary)
3. hery ( 01/08/2004 06:57)
Marina ve? Aiza no hi-contacter-na io olona io sipagasy?
Izaho tena sahirana mafy mihitsy satria vola be ihany ilay alain'ny western union. Raha ho an'ny Gasy aloha tsy manin...
4. sipagasy ( 01/08/2004 07:00)
ao cachan ilay olona na any @ 95 cergy ihany koa
5. ludo ( 01/08/2004 09:11)
ao @ madachange no jerena ra hery a!na ito ny n°0033609701168 Mrs Vola na koa 0033607243907 Mrs yves lay madachange io cours efa ela b nonapetraky ry zareo tao fa tsara2 miantso fa misy zava-baovao iany anatin'lay site zay fa mazoto tsy aiko fa mety vacançe ry zareo zao angamba (hoy aho)!bye
6. kitjo ( 01/08/2004 12:48)
ny karana no matetika tena manao an'io.
Ry zareo manko manana reseau erak' izao tontolo izao.
Ireo karana manao change ireny, miara-miasa @ karana maro any Dago sady mifankalala aby zareo.
Dia omena ilay karana France ohatra ny vola, dia raisin' ilay any Dago,....eo no ho eo ihany....

Tsy haiko tsara fa mangala renseignement e!
7. kitjo ( 01/08/2004 12:59)
mmmhhhhh
delicat be ito resaka ito fa tsy dia ara-dalana daholo manko ireo fandehany ireo.
Ny antony dia satria ny fanjakana sy ireo institution financiere (bank, bureau de change...) mila manara-maso ny transaction de devises....
balance de payment sns....import-export.

Ferana manko ny vola azo entina en espece ka tsy maintsy atao transaction bancaire..... ahafahana manao controle, ka raha olona tsy mahazo alalana hanao an' io transaction io fa manakalo devises fts na toy io lazain sipagasy io dia azon' ireo "ara-dalana" ireo enjehina.

k sao dia tsy tokony apetraka eto @forum ity resaka ity?
hevitra iny an!!!!!
8. kitjo ( 01/08/2004 13:02)
farany:

Ny sosokevitra hitako angamba dia aleo mijery ireny olona mivezivezy ohatra oe France - Dago.
Misy am reny manana compte any Dago sy ao France.
Ka raha ohatra ka mandefa vola any Dago dia arotsaka fts @compte-ny ao France dia omeny en fmg ilay olona any Dago.
Tsy mila manakalo koa izy amzay sayd tsy misy comission an bank rehefa mivoaka.

Mbola tsy dia ara-dalana lotra io kanefa azo iafiana satria mety hoe fianakaviana ilay olona na oh zany. Tsy d manin io satria tsy "varotra" fa samy en prive.
9. ratam ( 01/08/2004 18:02)
Ny WESTERN UNION dia toy ireny service eny am banky andefasana vola ireny na andraisana vola ... ny taux dia izay ifanarahany amin\'ny Banky iasany ary misy commission maro be satria atsy USA no tena misy ny foibeny. Rehefa tonga any Dago ilay vola dia mbola misy ifanarahana amin\'ny fanjakana Malagasy ihany koa ... zay vao mametraka ilay taux ... ny taux any Dago dia local eo Madagasikara ihany fa raha te hahalala ny taux universel ianareo dia jereo ity rohy ity http://www.xe.com dia araho izay voalaza ao fa io no hahalalan\'ny olona ny valeur ny Ariary izao fa efa mise à jour tanteraka io takelaka io izao.

Ka na iza na iza alehanareo dia miafara amin\'ny izay foana ny lalan\'ny vola. Na omenareo ny KARANA io dia vao maika pofotra ny banky gasy fa ny EURO anie matoa miakatra be dia ny lalanan\'ny tolotra sy ny tinady no mifehy azy e. Omenareo an\'ny MAFIA KARANA ny vola tsy aleo ve alefa amin\'ny ara-dalana dia mba miaina ny économie malagasy toy zay alefa any amin\'ny makarakara dia vao maika tsy manana devise ny Banky dia miakatra foana ny vidiny. Tsarovy fa izay no mampidingin-drambo ireo KARANA sy ny SINOA ireo ao amintsika satria eny an-tanany ny DEVISE dia ny GASY KELY no mitsako bilina fa izy ireo no misahana ny raharaham-barotra à 90% manerana ny Nosy. Dia manenjika ny fanjakana izay efa mikely aina isika nefa ny DEVISE tokony ivelaman\'ny Banky gasy aza omenao tsotra izao ny KARANA sy ny SINOA na olom-bitsy Malagasy, asan\'ny banky anie ireo tadiavinareo atao ireo e ...

Mila tonga saina kely isika amin\'io devise io. Noho izy be mpitady no mahatonga azy miakatra ny vidiny fa tsy hoe inona akory. Toy ny volamena amin\'ny andro fahavaratra ihany io satria sarotra ny mitady azy dia miakatra ny vidiny ... Raha vao tsy mandalo any amin\'ny banky io devise io dia tadidio fa karazana spéculation izay dia mety ho lasa 15.000 Ariavy ny iafaran\'ny EURO, ny hahafantaranay ny EURO aty amin\'izao dia 2.387,78 ARIARY, io no omen\'ny Universal Currency ... izay hahalalan\'ny besinimaro ...

Taloha anie raha ho any Belgique ianao dia Franc Belge no tadiavinao e .. amin\'izao dia EURO, Raha ho any Italie ianao dia LYRE sa LIRE no tadiavinao amin\'izay EURO ... sns noho izany dia mitombo lavitra be ny fitadiavan\'ny olona EURO .. noho ny banky tsy dia manana dia lasa miakatra ny vidiny ... Ka iza koa moa no hihinanan\'ny banky raha tsy ireo izay mividy devise ao aminy ...

Hoy fotsiny aho hoe mandehana amin\'ny ara-dalana fa aza matimatin\'ny sitrany ahay fa tsy mahatafita lavitra izany, vao maika aza misitrika amin\'ny t.....y. Raha mamoaka ny banky malagasy hoe 13000FMG ohatra ny EURO iray dia ao Dago ihany zany satria izay no avoakan\'ny MID, tsy ho afaka hanao 1FMg ny 1EURO ny banky satria ny kajy tsy mamoaka izay .. raha misy olona tsotra manao bizna milaza hoe omena olona any Frantsa ny vola dia maka vola any am 67Ha ohatra dia izay ilay spéculation .. dia hahantra devise foana ny banky dia vao maika miakatra ny vidin\'ny EURO dia hiakatra ny vidin\'ny anana eny an-tsena hahaha (fa toa izay indray hono no malaza amin\'ny famalian\'ny mpivarotra hoe :ka ny EURO efa miakatra be ve ko ! ) lol.

Rehefa te handefa vola tsy dia misy commission firyn dia ity no am-piasaina, Asa anefa raha mety any Europe fa aty Amérique du Nord dia mety tsara tsy misy olana ... https://www.certapay.com dia ianao ihany no manao ny rehetra ... zara raha misy commission io satria frais forfait no alainy. Fiable io ary tsy misy olana ...

FEHINY : Mandehana amin\'ny ara-dalana fa raha raha spéculé-nareo ny DEVISE dia olom-bitsy no mahazo tombotsoa ... satria toy ny vente au trottoire de devises amin\'izay ... donc manabotry firenena ianareo ... SOIS LOYAL(E) et HONNÊTE dans la VIE ... Izay no asan\'ny banky dia am-pandalovy any aminy ny devise. Ny WE anie mandalo banky fa sao dia tsy fantatrareo e ... Tsarovy fa raha miala amin\'olona iray aty ivelany ny devise alefa any Dago dia intelo miantoana iny vao tonga any am olona tokony handray azy. Raha any Europe ianao no mandefa vola ho any Dago dia mbola mandalo atsy USA (Washington DC na New York tsy tadidiko loatra fa ny iray amin\'ireo) aloha, zay vao mandalo amina banky iray any Europe (Londre), zay vao ilay banky locale ohatra hoe Banque BFV SG, zay vao ilay Western Union locale zay vao ilay bénéficiaire ... ireo rehetra ireo dia misy commission daholo satria entreprise mitady vola ny Western Union fa tsy mpanao asa fanasoavana.

Sa ahoana ry reto ? :roll:
Mirary soa
10. kitjo ( 01/08/2004 18:12)
Ouuffff. saika narary ny masoko neveriko fa diso sujet ratam fa lava be oh anah koa,hiihhiihhi

fa marina mihitsy io analyse-n ratam io aloha e!
Fa ilay hevitra farany lazaiko io angamba azo raisina ihany satria kosa ange misy fahamaikana na koa mba efa lafo kosa ny devises ko araha fianaakviana na olona akaiky ataoko tsy dia olana loatra angamba.

Fa ny manome ireny mpanao transaction na mpanao change eny @sisiny ireny moa d tena tsy lasa mihitsy ary araka io analyse io vao mainka mandetika ny besinimaro!!!!!

Ilay resaka karana vao mainka tsy mety koa fa mampahafantatra ny zava-misy aho @ireo lafiny 3 ireo fa tsy nety ilay phrase farany angamba nanaovako azy fa lasa oh mamporisika ny olona fa azafady!

Zany hoa na izany an tsy izany angamba tokony hojerena akaiky ihany kosa ny commission alain ireny institution isan-karazany ireny fa alfo marina ange ry ireto e! nddray vola kely no alefanao d antsasany sisa tonga any @ alehany!

Concurrence ve no tokony hisy sa any @ fanjakana koa misy zvt azony atao?
Tsy haiko fa za tsy manambola anaovana anzany sady tsy mpitondra :-D :-P :-D :-D :-D
11. sipagasy ( 01/08/2004 19:01)
ireo nomen'i lodo ireo ny mikasika ilay olona ry hery ann dia mahavità be ary é!
12. ratam ( 01/08/2004 23:21)
Mampme indry ty ry Kitjo anh ... marina e ! Tena mitombina ny voalazanao fa amiko tsy dia mahalala zavatra firy dia ny manoazavatra ara-dalana ihany no tena milay ...

Ny institution anie mety ho betsaka fa ny hoe ahoana ny lalan'ny vola sao dia vola tokony hiveloman'ny firenena dia eny an-tanan'olombitsy no mifamezivezy ...

Ny dikan,izany rehetra izany dia tsara raha manokatra compte qui que ce soit ! amin'izay tsy misy ny mpanelanelana ... dia am zay fotona izany dia entre banque ny afera rehetra ianao mandeha ... raha telex zao dia mahita banque afaka manao transfert aho à 15 pour 1000 ny commission na dia tsy manana compte ao amin'ilay banque aza ianao ... efa courant izany .. manondro fotsiny ianao hoe Banque toy izao no eto akaikiko eto dia alefa any ny vola dia any ianao no maka azy .. 24h dia disponible aloha fa tsy hoe immédiatement toa an'i WE...

Sa ahoana hoy ianareo ?
Za konko Kitjo tsy manambola no tsy mpitondra hahaha :-D :-D :-D :/
13. hery ( 01/08/2004 23:29)
Ny ahy anie ny olana dia toa lany any @ Western Union daholo ny vola e. Ka ny zavatra hafa mahasolo an'io izany no tiako hojerena. Matoa misy mahavita mora noho ny Western Union dia azo atao tsara izany ilay business na dia eo aza ny MID sns...
Isaorana sipagasy, ludo, ratam sy kitjo tamin'ireo lohahevitra ireo fa hojerena izay tena mety.

Hery
14. eliana ( 02/08/2004 02:57)
ny zavatra tokony ho fantatrareo dia izao. matoa ny olona manana service proposer-na dia hitady tombotsoa izy izay. Noho izany dia misy foana ilay commission ary tsy azo ialana izany. Ataovy amin'ny ara-dalana hatrany ny rehetra tiana atao.

Sa ahoana ry Kitjo ?
Eliana
Qc
15. kitjo ( 02/08/2004 04:58)
marina izany e!
Ataovy @ ara-dalana fts d jereo izay ambany inddra ry Hery an...

sao marina tokoa tsy nisy intsn ilay vola nony tonga tany @le ol fa lasa comm dol,loza!
16. eliana ( 05/08/2004 01:37)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2797