tena misy ve ny lalàna eto madagascar

1. kitoza ( 15/07/2004 14:36)
mahita aho fa somary mitongilana ny lalàna eto madagascar misy mahatsapa izany ve sa za no diso hevitra?
novalian'i rurik ny 18/03/2005 14:36
2. ramoul ( 15/07/2004 20:26)
Teny mitongilana tokoa ny lalàna eto Madagasikara ka mila fanarenana.
3. mcfy ( 16/07/2004 10:29)
ny lalana aloha d misy na ratsy aza ny sasany ary ny lalàna dia manaraka ny lalana koa rah ny fahitako azy hihi
4. ds ( 16/07/2004 11:10)
Tsy ny lalàna angamba no tsy misy na mitongilana fa ny fampiharana azy.
5. ramoul ( 16/07/2004 13:25)
Mitongilana koa ny fampiharana ny lalàna eto amin-tsika ka mila fandinihina mintsy ary mila fanarenana izy io.
6. kitoza ( 19/07/2004 07:00)
ka inona ary no tokony atao e!
izaho mantsy efa victime an'io fitongilanan'ny lalàna io
7. fijo ( 11/08/2004 22:52)
ny fampiharana azy tokoa no mila harenina,fa ny lalana dia misy.io dia miankina amin'ny finiavan'ny mpanao politika hanatanteraka azy.ary indrindra koa miankina amin'ny vahoaka izay tokony hitaky ny fampiharana azy.
8. pitchou ( 15/08/2004 14:21)
ngamba azo kilasina ho isan'ny tany maro lalana isika ka! saingy eto kou d avo be ny tahan'ny tsy fahafantarana ny lalana! ny mpanao politika maro no manararaotra angaha ny tsy fahaizan'ny vahoaka ny lalana (raha mahafanbtatra ny lalana misy izy!!!!) moa ny mahay taratasy manararaotra ny tsy fahaizan'ny sasany taratasy! d eo le we tsy voatery mitongilana le lalana fa nisy fanararaotana nialoha lalana azy d lasa otrany izy ndray no diso
9. crrlanto ( 25/09/2004 20:15)
tokony misy bokikely ,@ teny malagasy momba ny lalàna eto dago ,mba ho takatry ny maro sady mora vidy ,@ izay tsy voambaka intsony ny gasy
10. tsilan ( 26/09/2004 01:21)
Ka tsy azo atao hono io ry Crrlanto, satria tsy afaka manambaka antsika intsony ireto fikambanana marobe mifirona ireto an. Efa mba nanipy io teny io ihany mantsy ny tenanay tamin\'ny mpamatsy vola, mikasika ny fampiharana ity ady amin\'ny kolikoly sy ny zon\'olom-belona ity. Saingy indrisy hoy lay tapa-tsosisy.
11. pitchou ( 26/09/2004 17:53)
crrlanto> ny boky angamba mety misy ihany saingy mila hanaovana fikarohana etsy sy eroa kou! :{
12. fijo ( 27/09/2004 22:37)
mila famatsiana io ka eo no olana kely satria tsy vaindohandraharaha amindry zareo izany.
raha ny vidin\'ny 4x4 nomena ny solombavam bahoaka sy ny lehiben\'ny faritany dia efa nahavita boky zaraimpotsiny isika saingy ny azy aloha vao ny anao.
13. tajo ( 11/10/2004 06:32)
tena misy ve ny lalàna ? asa tsy haiko aloha raha izaho manokana fa ra tena misy tokoa ,ianareo ve efa nahare lalàna nanafoana fa tsy miasa intsony ny vola ariary dimy tokana ,satria @izao fotoana izao ny mpivarotra de milaza fa tsy mandray ireny intsony indrindra moa iny @ faritra andoharanofotsy iny ,ka aiza ho aiza re ny lalàna eo anatrehan\'izany ?
14. fijo ( 12/10/2004 21:18)
misy ary be ny lalana ao mada saingy zara raha misy miasa ilay izy.
mamakia ane tranona mpitondra raha tsy hitanareo fa tena misy io lalana io e.
15. rurik ( 10/03/2005 23:24)
Manararaotra @ity resaka lalana ity aho dia saika mba haka toro hevitra aminareo . Ny vadiko dia avy eto belgique. nipetraka tany mada izahay taloha. Raha nipetraka tany izahay dia efa akaiky ho lany ny visa, nakany @polise naka rensenement.nilaza ry zareo fa misy taratasy ilaina avy ao Nosy be satria tao izahay no nipetraka avy eo izy makany tana miprolonge azy. Ka tao nisy ramatoa miasa @ imigration nilaza t@ hoe omeovola kely fa misy olona afaka mikarakara haingana an'io taratasyio haha haingana azy, dia nanome izahay ary azo ilay taratasy nakany tana inprolonge ilay visa dia nahazo. nampiasa io visa io izy nandritran'ny 8 volana nisy fisavana nandritran'izany tsy nisy olana.alohakelin'ilay problem Ratsiraka iny dia nisy fisavana indray dia nilaza ry zareo fa fot ilay visa satria olona roa no mitovy n° ka nataondri zareo t@ prison 52 jour avy eo nalefandry zareo nody.Nandalo tribnal kanefa ry zareo manome fot azy @ izao te hoany mada izay no olana .Mba omeo toro hevitra raha misy afaka. misaotra mialoha
16. rurik ( 18/03/2005 14:36)
rurik:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2917