governemanta iraisampirenena ve ity ?

1. camkz ( 09/07/2004 10:08)
Tato ho ato dia nifamahofaho be ihany ny tontolo iainana arapolitika teo @ tsika .Ny zavatra tsapako dia misy finiavana ihany teo @ ireo mpitondra fanjakana nisy teto fony izy ireo tsy teo @ toerany saingy rehefa eo dia tsy hitany intsony izay atao. Ny mahatonga izany dia ny zavamisy erantany izay anjakan'ny araekonomika tanteraka izay iarahatsika mahita ankehitriny fa ry zareo amerikana no manjaka .Tsy vao izao io fa hatrizayfony mbola nozaraina ambony latabatra ireo zanatany fahiny no niandohany. Saribakoly fotsiny ny mpitondra Afrikana rehetra fa vao misy mitrerona dia mipirina daholo .Miantehitra lava amin'ny fanampiana avy any ivelany . Amiko dia ny domination Americaine sy ny christianisme no tokony asiana fiheverana vao ho tafavoaka isika .Rehefa ny fitaovampiadiana no miresaka dia tsy nahomby izay ny lamina ambony latabatra. Tsy adala akory ry Castro,sy ny sisa raha mifikitra amin'ny heviny fa efa hatrizay io toetsaina te hanitatra fanjakana io . Izay te ho filoha dia mandady any dia OK jereo ny lasa fa conflit foana no misy aty Afrika , ry zareo no ao ambadik'io . Tsy efa governemanta mondiale ve izao no misy? FMI sy BM !!! ka maninona no mbola asiana police des frontieres
novalian'i nykanto ny 09/07/2004 13:34
2. dotmg ( 09/07/2004 10:53)
Inona no idiran' ny kristianisma amin' izany? Rehefa te hivadika ho silamo ingahy mandehana miondrana any komoro.
Ny fivavahana kristiana ange tsy manery an' iza na iza hoe tsy maintsy manaraka azy ianao e! Hafa ny tany sasany fa aty amin' ny tany kristiana (90%) tsy miditra amin' ny politika ny fivavahana, ary tsy anagadrana olona ny tsy idirany am-mpiangonana.
Aiza dia ny fivavahana no omena tsiny rehefa tsy mahomby ny mpitondra firenena?

Azo atao ange ny miala @ vahohon' ny tahirim-bola sy ny Banky iraisam-pirenena fa isika mimenomenona io no tsy hahazaka ny vokany voalohany e! Mazava ho azy fa raha vao misy ny ankivy, na mivantana na ankolaka dia tsy hahita horaisina eo isika. Dia ny mpitondra hatrany no hahazo tsiny.
3. nykanto ( 09/07/2004 13:34)
Ny fahitako azy tsy dia ny mpitondra fihavavahana na ny fivavahana kristianina, na ny amerikanina na ny mpitondra fanjakana ihany no tena tompon'andraikitra amin'ny zava-misy miseho eo amin'ny firenena, fa na dia ianao io koa aza dia tompon'andraikitra, isika rehetra no tiako holazaina, raha miainga avy aty amintsika tsirairay avy ny finiavana ny hivoatra sy handroso dia hahomby ny politika atao, fiovan-toetsaina faobe no resahiko eto... ary tsy ny hoe fiaraha-miasa amin'ny amerikanina no ratsy, fa ny fahaizantsika mihazona ny fiandrihanam-pirenenna ao anatin'izany fiaraha-miasa izany no tokony hojerena akaiky, ny Frantsay anie taloha efa niteny hoe " La France n'a pas d'amis, il n'a que des interets, i De Gaulle no niteny an'io" ... toa izany koa ny fiaraha-miasa amin'ny firenena hafa ... efa natao ny financement parellele fa tsy nahomby, dia inona no soso-kevitrao raha hiala amin'ny BM sy ny FMI, firenena vitsy no nahomby raha tsy niankina tamin'ireo fa tena sarotra ary tsy mbola zakatsika malagasy izany izao raha ny laharana misy antsika manerantany no jerena...Farany, ny fivavahana kristianina dia tena anisan'ny fanoitra iray koa azo entina hanitsiana ny fahadisoam-pitondrana sy ho fanovana ny toe-tsaina ... amiko manokana tena ilain'ny firenena malagasy ny manan mpitondra krsitianina tsy miatsaravelatsihy anefa, fa tena krsitianina.
Ny Kanto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6657