Inona CRN

1. naivobe ( 02/07/2004 21:43)
Inona marina no tena tadiavin'ireo olona ao @ CRN ?
Inona no tena sens ny hoe Reconciliation nationale ?
Mba manana hevitra ve izy ireo mba hampandroso an'i Dago ?
novalian'i fijo ny 17/08/2004 21:41
2. kitjo ( 03/07/2004 04:12)
Raha manana hevitra ange afaka miara-miasa ny mpitondra sy ny mpanohitra e
Fa reo toa fanonganana no tadiaviny ko!
D rfveo izy ho avy eo nefa tsy fantatra akory oe inona hono ty mba hoentiny eo. Kabary sy lahateny?

3. dotmg ( 03/07/2004 14:26)
Ny dikan' ny hoe reconciliation nationale na fampihavanam-pirenena dia hoe arodana ny governemanta misy ary atsangana ny fitondrana teteza-mita dia zaraina ny seza ka i Zafy Albert atao PM mandritra ny teteza-mita, i Pierrot Rajaonarivelo omena ny toeran' ny Praiminisitra lefitra dia afahana madiodio ry Coutiti sy izay rehetra nogadraina dia ampodiana eto an-tanindrazana ireo rehetra nitsoaka tany am-pita ary raisina amin' ny fety be ny fiverenan' izy ireo, toy ny tamin' ilay fotoana niverenan' ny amiraly teto rehefa tratry ny apesimà i Profesora.
Izay izy ho anay CRN fa ho an' ny FFKM hafa fa mitovitovy amin' izay. (Esorina ilay fizarana seza sy teteza-mita sy famotsoran-keloka sy fampodiana ireo zanaka nania sy fety ho azy ireo; dia ampiana fanamaivanana ny fahantran' ny vahoaka).

Tsy mazava be ve izay?
4. kitjo ( 04/07/2004 08:48)
Zay tkou k!
Dia tsy maintsy hisy iray tsy hahazo izay toerany tadiaviny ao dia hisy CRN modere indray hono aveo e
5. jaombilo ( 04/07/2004 12:54)
amiko olon-tsotra indray tsy izay hevitr' dotmg izay.Noheveriko fa karazana arrangement fotsiny ilay izy ka ny olona migadra na efa nahazo grâce ,tsy namono olona havoaka.Izay mpitondra dia mitondra ihany fa tsisy teteza-mita zany,teteza-mita ho aiza?Hay ve diso ny eritreritro?
6. dotmg ( 09/07/2004 10:34)
Ny Arema, ny MFM, ny sasantsasany amin' ny Avi no mitovy @ izay hevitr' i jaombilo izay, fa ny CRN dia ilay hoe hozongozony dia arodano.
Dia io grenady mirefodrefota etsy sy eroa io.
kitjo> Eritreritra anie ny an' ny CRN fa tsy hisy hanao teteza-mita sy fizarana seza izany eo e! Contrat de travail koa ny azy io ary misy obligation de performance. Izany hoe mba handraisana an' ilay zavatra, avy any amin' ilay efa fantatsika, dia mba mody mihetsiketsika eran' ny tanàna eo.
7. ludo ( 17/08/2004 00:15)
Reo miseo milay milahatra atsy mitarik'olona ary reo d olona efa tsy izy daholo amiko ,somary manana ny rariny ihany izy ra we manakorontana ny sain'olona satria very
seza sy lay fiadanambe fa zay manaiky taritiny no tsy misy atao amiko!!!
8. fijo ( 17/08/2004 21:41)
avelao hanao fa ny vahoaka no hitsara azy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2376