hevitry ny nofy

1. lanto ( 01/07/2004 18:05)
inn doly ny hevitry ny nofy fantatrareo na inoanareo, na efa renareo ? ohatra hoe raha manonofy trondro (tsy tsonjo ao @ chat io ry mpanjono an!) de ho bevohoka na efa bevohoka, manonofy enjehin'ny omby de misy tsy tia na te-hanao ratsy ny tena....
novalian'i hery ny 05/10/2014 21:45
2. ikaretsaka ( 01/07/2004 19:10)
bibilava.. hitera dahy koa hono
3. booboo ( 01/07/2004 20:30)
miampita rano dé oe misy raha tsy maintsy hosedraina eo @ fiainana
dé raha manidina dé oe misy tanjona tiana ho tratrarina na raha tiana hioharana eo @ fiainana
4. ikaretsaka ( 01/07/2004 20:34)
raha manonofy maloto (kaka) dia hahazo vola
5. fijo ( 01/07/2004 22:11)
manofy maty dia ela velona
6. mcfy ( 02/07/2004 00:44)
ary rah manonofy ol manofy d ahoana?
7. nati ( 02/07/2004 06:45)
manofy mariage dia misy ho faty hono
8. terra ( 02/07/2004 08:57)
Ny nofy tsara raha tantaraina dia tsy tanteraka,nefa kosa ny nofy ratsy raha tsy tantaraina dia...
9. booboo ( 02/07/2004 08:59)
...terrible !
10. ftma ( 02/07/2004 10:07)
raha manofy tsy afaka fanadinana dia ho afaka, marina io an!!!
11. rambofrau ( 02/07/2004 14:44)
Ary le manonofy miteny mba ahoana????? sy ny manofy manao @ olona tsy fantatra??
12. olly ( 02/07/2004 14:48)
manofy miampita tetehezana : mandritra ny nofy raha tafita , dia satria nisy tanjona notratrarinao teo amin'ny fiainana ka tanteraka na an-dalam-pahatanterahana , raha tsy tafita dia tsia zany(boky no namakiako an'io koa)
13. hendry ( 02/07/2004 17:48)
manonofy misy manindry: misy mpamosavy ao ambaravarana.
14. booboo ( 03/07/2004 07:12)
manofy oe misy ady dé misavoritaka ny tanàna ôtra ireny oe misy guerre civile ireny dé misy tsy milamina zay eo @ fiainana ka manenjika anao fôna
15. kitjo ( 03/07/2004 07:14)
hay v zany izy ty?
ary inona ndray le oe "nofy ririnina"?
16. fatsoraly ( 03/07/2004 13:52)
Manofy antoandro!
17. fijo ( 05/07/2004 23:20)
ary raha manofy manofy.izany hoe manofy ianao hoe manofy?ih,ih,ih
18. myllanah ( 06/07/2004 20:02)
ny nofy dia faniriana izay tsy tanteraka na zavatra atahorana hitranga, na aterakin'ny manodidina anao mandritra anao matory, rehefa maniry be ny mba hilomano ianao dia matetika ianao tsy maintsy manonofy milomano, matahotra alika ianao dia manonofy enjehin'alika foana, misy olona mierotra be eo akaikinao rehefa matory ianao dia lasa manonofy mandeha train ianao avy eo, fa akoatran'izay dia tsy dia hitako ny dikan'ny nofy
19. myllanah ( 06/07/2004 20:10)
Possible ny olona iray manonofy ao anatin'ny nofy, nanonofy izy izao hoe niaraka t@ olon-tiany dia rehefa avy eo taitra izy hoe avy natory mbola ao anatin'ny nofy io an, dia nahatsapa tena hoe kay nofy ilay izy teo mbola ao anatin'ny nofy ihany anefa izy mahatsapa tena fa hoe nanonofy teo iny , dia avy eo indray taitra fanin-droany izy zay vao tena taitra t@ torimasony.
20. fijo ( 06/07/2004 22:23)
kay milay izany ka.izay ny ahy no tiako satria lava be ilay izy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4595