Raha ny gasy moa no teo @toeran'ny vazaha

1. xxx ( 01/07/2004 08:19)
Mba lasa ny saina hoe raha ........
angamba hoy aho dia eeeee satria ny gasy rehefa mba manamanana dia miavonavona sy tsy mahalala ny hafa .
novalian'i lanto ny 10/07/2004 19:52
2. xxx ( 01/07/2004 14:34)
na manana na tsy manana ny gasy aza d manana toe tsaina miavona,sy tsy mahay hafa tsy ny manapotika ny hafa fotsiny!
oh ny adinony mitsy zany hoe fiaraha-monina malagasy zany!
sa re d ny technologie sy ny développement ny tany no nahatonga azy anana zay toe tsaina zay e!?
3. kally ( 01/07/2004 17:56)
Mahafantatra gasy maromaro azo lazaina ho manana sy mitana toerana ambony aho fa toa ry zareo ireny aza no tena tsotra.Ny miseho miavona sy be fialonana matetika ilay gasy tsy dia nahita fianarana sy mba manamanam-bola kely fa tsy mbola tena manana.
4. fijo ( 01/07/2004 22:13)
marina io voalazan'i kally io.fa za koa dia efa nahamarika an'io
5. nati ( 02/07/2004 06:50)
zaho koa manamafy an'ireo voalaza ireo satria angamba tanteraka ilay oha^-pitenenana hoe ny tapany ihany no miontsana.
6. hendry ( 02/07/2004 17:51)
Raha ny fandrosoana dia azo tsiriritina ny vazaha fa tsy hoe rehefa vazaha akory dia tsara foana ry xxx. Raha eo @ toeran´ny zavaha ny gasy dia lasa manana toetram-bazaha koa ngamba fa tsy toetran-gasy ntsony.
7. peluche ( 05/07/2004 13:02)
hendry/fa ahona le toetran-gasy?afaka tanisain'i hendry ve?
8. fijo ( 05/07/2004 23:23)
santionany.tia fandeferana.mahari pery.tia tsiky.tia fihavanana.
9. myllanah ( 06/07/2004 19:51)
ka raha mbola izao toen-tsaina gasy izao tsy ho tonga eo @ toeran'ny vazaha mihintsy, na resaka evolution fotsiny aza, fa raha toa moa izany ka misy dia izao no zavatra mety hitranga, ny eo ihany no eo satria tsy maintsy hitotongana foana raha mbola manana ilay toe-tsaina gasy, satria hisy foana ny ady an-trano satria manana toe-tsaina gasy, dia tsy maintsy ny eo ihany no ho eo afaka fotoana fohy, satria hitotongana
10. fijo ( 06/07/2004 22:25)
izany hoe amin'i myllanah izany dia olona tena kentrona ny gasy ka tsy handroso mihintsy?
11. myllanah ( 07/07/2004 04:15)
raha tsy manova ny toetsainy @ izao izy ,Ny toe-tsaintsika raha ny hoe Gasy dia tena tsara taloha faha panjaka, matoa isika nahatafa voaka ireny ohabolana sy fomba fiteny be dia be ireny, ohatra hoe aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana, tsara satria important ny fihavanana fitiavana no base, rehefa voasimba noho ny fanjanahan-tany dia lasa ny fitiavan-tena no be, ka tonga dia raikitra foana ny ady raha vao misy tsy fifankazahoan-kevitra, ary ny vola no ambony indrindra eo @ fiainana, dia tsy mivoatra mihintsy fa mitotongana indray no ataony
12. kally ( 07/07/2004 07:02)
Asa aloha na avzaha iza no resahin'i myllanah e!fa ny vazaha angaha moa filamatra?Ary ampitahao,oviana ny vazaha (asa na iza io averiko ihany) no nahazo yn fahaleovan-tenany ary ny gasy oviana?Tsy efa mba azo lazaina mandeha haingana kokoa ve isika aza?Ary ny tantaran'ny vazaha moa oviana no nanomboka ary ny antsika?Raha mandinika sy mampitaha an'ireo myllanah dia hahita fa manatombo kokoa ny gasy mihoatra @ vazaha,ekeko fa misy ny fahantrana fa ny gasy mahay miezaka sy mitolona @ tsy fananana kokoa noho ny vazaha.
13. xxx ( 07/07/2004 09:42)
fa ny resultat final no jerena...na be tsara sahala @'inona ary ny toetran'ny gasy dia tsy tafavoaka izy hatramin'izao,indrindra moa fa raha hoarina @ vazaha.Fa na hoarina @ ny toetra gasy fahiny aza.
Raha tsy diso aho ny Japon,ny pays hafa nahazo fahaleovantena niaraka t@ ny gasy,ka nefa aia ry zareo @izao,ary aia ny gasy?
misy lesoka ao zany..
14. kally ( 07/07/2004 15:01)
xxxx>(asio anarana moa fa mahakamo miady hevitra amin'olona tsy misy anarana e!)
Tsy lavina fa misy ny lesoka ary tsy hitanao angaha ny mahazo ny japoney amin'izao fotoana izao,raha hiresaka lesoka ihany isika ka Japon no alaina ohatra?Ary ianareo tsy mitsahatra ny miwawawa toe-tsain'ny gasy oy e!inona no mba nataonareo hanandratana azy?Sa faly mitsikera fotsiny?
15. yonikafopl ( 07/07/2004 19:41)
ny ahy indray dia eo @ lafiny fahadiovan'ny tena no asiako resaka, raha ny gasy no teo @ toeran'ny vazaha dia tsy hampidi-bola @ alalan'ny rano ny JIRAMA satria tsy tia misasa sy manadio tena ry zareo ireo, fa ny ranomanitra no mameno ny tsena angamba.
Tsy dia hiasa firy ny rano
16. wawawa ( 07/07/2004 20:02)
17. fijo ( 07/07/2004 22:48)
kally>marina io hevitra farany io.inona moa no mba efa vitantsika ireto hoan'ny mada?
yonik>marina koa io tsy tia mampiasa rano io
18. kally ( 08/07/2004 05:46)
ie!zareo frantsay io mataho-drano kamo misasa io!
19. hendry ( 08/07/2004 08:01)
kally> toa tsy ny frantsay ihany ilay izy ry fa ny vazaha @ ankapobeny mihitsy no tsy dia misasa matetika, mety mitsitsy rano ngamba? :-)
myllanah> dia mba ratsy loatra zany fanasokajianao ny gasy zany ka!
20. sariaka91 ( 09/07/2004 17:28)
tsy tia misasa ny vazaha ? dia inona koa ? fony zahay mbola ankizy tany ampianarana dia nolazaina fa ny vaza mpaka ra sy mpaka fo. Amiko dia vokatry ny fahamaizinantsaina no mahatonga ny olona miteniteny foana toy izany. Mifanerasera @mbazah ve nareo sa faly manao resake... fotsiny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.49