soa toavina maha malagay

1. mabloo ( 25/06/2004 10:14)
mitady ho very le mahamalagasy ry reto !!
novalian'i kitjo ny 03/07/2004 04:24
2. nykanto ( 25/06/2004 12:08)
Sarotra ny hahaverezan'ny teny malagasy sy ny maha malagasy raha ny hevitro manokana, satria nosy aloha isika, ary teny tsy mba nolovaina tamin'ny mpanjanaka ny etny ifandraisantsika ... ireo antony roa ireo midika be dia be amin'ny fihazonana ny maha-malagasy ... araky ny filazan'ny unseco dia tenim-paritra an'arivony no very isan-taona noho ny firoson'ny teny anglisy sy frantsay...hamaranako azy, ny fomba iray tena ahafahana ihazonana ny tena maha-malagasy anefa dia fiandriananao ny teny ihany, miampy ny famahezana ny an'ny hafa koa anefa mba tsy hitokanantsika irery...
3. xxx ( 25/06/2004 13:04)
Izahako dia nianatra tamina sekoly niteny gasy tanteraka,nisy fotoana hoe nagasiana ny fampianarana,ary avy eo taty aoriana kely dia novaina t@ teny frantsay daholo indray,izaho zahako manohy fianarana aty ivelany somary sahirana ihany,mahay miteny gasy tsara aho fa na izany aza tsy maintsy misy lasa vary amin'ny anana foana,ary ilay teny vahiny koa anefa hita fa tsy hay tsara na izany.lasa an-tenantenany na dia hoe gasy ary no hay kokoa.masosotra.ary refa niverina tany antananarivo aho dia hitako fa ny namako sasany otran'izany daholo.
4. mcfy ( 25/06/2004 13:20)
Mety ho very ihany io rah manomboka miteny avry amin'anana ohatra ny @ zao fotoana izao daholo ny ol fa mahalana dia mahalana anie izao no mahita gasy iray miteny gasy tsy misy teny hafa ao anatin'ny fehezan-teny iray e! Mino aho fa ny an'ny sasany aza mety efa minia mafy mihitsy vao mahateny fehezan-teny iray tsy misy fangarony.
MaKaFy e!
5. hery ( 25/06/2004 15:11)
Ohatran'ny vague be izany ilay hafatr'i mabloo.
mabloo> mitady ho very le mahamalagasy ry reto !!

inona amin'ny maha-malagasy no mihavery? inona no mahatonga anao hiteny an'io? misy zavatra hitanao ve?

Ohatran'ny miteny hoe "Mafana ny andro ry reto a!!"

hmmm
6. ramoul ( 25/06/2004 20:43)
Azavao kely hoe ry mabloo fa tsy azoko ny tianao ambaraina.
Ary inona no maha very ny maha malagasy?
7. kitjo ( 26/06/2004 01:22)
be dia be izahay no tsy mahazo!
8. mabloo ( 26/06/2004 09:04)
azafady e!!ohatra ny fanajana ny fiaraha-monina ny lehibe sns,ny fahalalam-pomba malagasy,ny fomba fisainana malagasy,ny fihavanana e!!!zao mantsy toa samy tsy te ahalala zany tsony ny ankehitriny noho ny fandrosoana angamba..,ny fiteny ohatra firy am gasy zao no tena mampiasa ny teny gasy ranoray ohtra,zao lasa mangala tahaka ny foto pisainana vahiny indrindra fa ny tanora,ho very tsikelikely ilay atao hoe mahamalagasy!!
azonareo ve ,fanamarihina reo fa tsy fantatro ny fahitanareo azy!!
9. kitjo ( 27/06/2004 05:45)
azoko amin'izay ny tian' i mabloo resahina!
Izany hoe tsy dia hita ifanomezan-tsiny loatra io satria ny fiaraha-monina no mamolavola ny olona koa,
k raha any France ianao dia lasa miaina tsikelikely ny fomba fiainany, raha any USA dia tahaka izay koa,
Iza moa no ho tia hihinana Mc do lava fa refa tratran'ny hazakazaka tsy mahahinam-bary d any....

Arakaraka ilay fiaraha-monina io kanefa koa misy mihitsy ny te hanary ny mahamalagasy azy izay,
misy ireo tena mitomany ny tenany ho vazaha ary menatra fantatry ny olona oe malagasy, ireny no tsy mety

ilay nolazaiko voalohany iretsy angamba dia ny sehatra tahaka itony no tena ilaina. Farafaharatsiny na mba itenenana teny gasy fts aza. Na tsy mahay manoratra azy aza mba mba miteny dia efa zava-dehibe izay....

Ho ela velona ny serasera.org ary mankahery ny mpikarakara!
Za aloha tsy maintsy miteny gasy dia ato ihany no tena mahomby e!
Na fitaizana sns aza fa tsy resa-be fts
10. fijo ( 28/06/2004 21:27)
marina ary mampiahiahy io voalazan'i mabloo io,hodiantsika fanina izy io fa rehefa mitranga io dia isika ihany no hanome tsiny olon kafa.
11. ikaretsaka ( 28/06/2004 21:40)
amiko dia ny tsy fihinanana Mac do loatra no hahavery ny soa toavina fa any @ ara tsaina sy fihevitra
12. mabloo ( 29/06/2004 08:29)
marina ny an'i ikaretsaka,ny fomba fiasainana no tena very
13. mabloo ( 29/06/2004 08:42)
ny endrika ivelany,ny fomba fiakanjo,ny fomba fiteny ko tsy maninona loatra fa afaka miova ihany arakaraka ny tontolo iainana fa ny ao anaty kosa tsy tokony hiova e!!le fanahy maha malagasy,ny foto-pisainana sa diso ve za raha miteny zany!!
marina tokoa le tenenin'ny kitjo hoe misy ny minia manary ny mahamalagasy azy ary te ho vazaha!!sa ahona,satria aty andafy ve za de aleo miaina am'zay maha aty ahy zay!!de avelao any le mahamalagasy sy ny fahendrena nananany
14. fijo ( 30/06/2004 05:10)
za ty tia miteny hafa rehefa faly na tezitra
15. fijo ( 30/06/2004 23:11)
fanitsiana."tsy"no tiako lazaina teo.
16. ikaretsaka ( 01/07/2004 03:50)
za mahavoaka hoe .. "oay le "rehefa misy zavatra miseho tampoka
17. kally ( 01/07/2004 18:10)
Ny ahy ny tena mba halako ilay sady tsy mahay miteny vahiny hafa no tsy mahay miteny gasy koa.Ohatra hoe : hay,dommage fa tsy nandeha ianareo nefa une centaine d'invités no olona nasaina tao,j'ai voulu t'appeller fa tsy nananako ny phone-nao.
Mampi- te- hamely ny daka avy ato aoriana ny mihaino azy.
18. fijo ( 01/07/2004 19:46)
daka ve?ih,ih,ih, i kally io an.
tena marina tokoa io voalazan dry io.ary ny tena sampona dia io no mariky ny tsy fahaizana.nefa heverin'ilay mampiasa azy hoe fampisehoana fahaizana.
19. mimich ( 02/07/2004 10:17)
ka izay indrindra mantsy , ary eto mada @ izao fotoana izao dia saika torak'izany avokoa ny fomba fitenin'ireo milaza azy fa tsy mitovy @ besinimaro , rehefa oh ireny dia valiana @ teny gasy ranoray na teny vahiny ranoray dia wain izy @ izay.
Marina izany fa teny mitady ho very ny mahamalagasy, ny voalohany amin'io dia ny teny malagasy, asa ianareo raha mahatsikaritra fa na ny zaza vao miana-miteny aza @ izao fotoana izao efa salut sy bye bye no ao ambavany voalohany sy ampahafantarina azy, hany ka tsy hainy intsony rehefa atao veloma sy manahoana izy,any izany dia efa manomboka ilay fahaverezan'ny teny malagasy. Mbola eo @ ilay fianarana miteny sy mamantatra ny voambolana manodidina azy indray ny zaza dia efa miditra an-tsekoly , ka tsy mahafantatra ny masoandro sy volana fa ny soleil sy ny lune ny ampianarina azy satria ny sekoly mampianatra @ teny frantsay hatrany amboalohany indray izao no malaza , ny anglais koa mbola ao..
dia toy izay hatrany; hany ka ny antsasaky ny voambolana malagasy sisa no hainy (na manoratra io na miteny) manampy eny antsiefatsiefan'ny fahatanorana indray ny tenin-jatovo maro isan-karazany dia vao maika mihamihena ilay izy, rehefa eo @ sehatry ny asa moa dia vao maika miha very io satria ny ny teny takiana eo @ sehatry ny asa dia saika teny vahiny avokoa ka tsy dia miasa loatra ilay tenin-drazana. mampatsiahy ilay tononkalo iray izay hoe" mahagaga fa eto an-tanindrazako aho nefa tenin'olon-kafa no takiana mba ho hay vao mahazo anjara asa amelomako ankohonana".
Toa toy izany hatrany , dia raha izao no mitohy dia hiteny créole koa ny malagasy afaka 20 taona .
Ny soa toavina manaraka very dia ny fomba amam-panao( fanaovana mbay lalana , ny fifanajan'ny mpiara-monina,valin-tanana, trano atsimo sy avaratra sns)ny fitafy iny tsy idirako fa toa efa manomboka miverina izy ireny , indrindra fa rehefa mianjaika.
hatreo ihany aloha angamba no lazaiko fa lava be raha io no idirana lalina..
20. mabloo ( 02/07/2004 15:08)
mankasitraka!! mankalaza !!
andrianiko ny teniko ny an'ny hafa koa feheziko hoy ilay mpanoratra iray izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.095