teny malagasy

1. mimich ( 24/06/2004 14:53)
Andao hiteny malagasy ranoray tsy misy fangarony eto, dia ezahina ihany koa mba tsy ho diso tsipelina . sa ahoana hoy ianareo?
novalian'i fijo ny 01/09/2004 21:20
2. kitjo ( 24/06/2004 15:04)
Tena vao nieritreritra an'izany koa aho....
Mety mihitsy izany, miresaka izay tiana horesahina fotsiny ve?
Fa samy miezaka ho teny gasy tsara manaraka tsipelina izany.
Tsy asiana fanafohezana.....

ny anarana tsy maninona!
3. lanto ( 24/06/2004 18:18)
dia ahoana ireo zatra mpi.....(inona re e ?) mpikarajia ?
4. voninkazokely ( 24/06/2004 18:57)
Tsy maintsy hoe misy diso kely ihany na hiezaka tsy handiso aza koo
5. ramoul ( 24/06/2004 20:09)
Tsy manin ve raha misy diso kely fa zaho mantsy tsy dia mahay teny gasy firy fa vao mianatra?
Fa na dia izany aza hiezaka ihany zaho anao izay vitako.
6. fijo ( 25/06/2004 00:24)
rehefa misy ilay ezaka dia izay fa tsy misy mahay an'io lavorary akory.
7. kitjo ( 25/06/2004 06:53)
Ilay ezaka no zava-dehibe!

ramoul:;-)
tsy manin >> tsy maninona
zaho>> izaho

Ary manao ahoana tokoa moa izany raha hanao ilay oe :
k!

Ohatra hoe :
tsy maninona k! sa atao hoe "ka" ve?
8. mabloo ( 25/06/2004 10:18)
mahafinaritra be !!gasy milay e!
9. peluche ( 25/06/2004 13:06)
mampanontany tena ihany hoe fa nahona no tsy maintsy miezaka zay vao mahavita miteny gasy rano iray.Izaho koa ao anatiny io.
10. mcfy ( 25/06/2004 14:01)
mimich> manamafy izany hevitrao izany koa aho koa maninona ary raha raiketina toy izay tokoa. Ny "k - ka, v-ve, b-be" kosa angamba atao "cas exceptionnel" (mbola lasa ihany le teny frantsay aloha fa mialatsiny an). Hevitro nefa ireo fa anriska ny no manapaka e!
MaKaFy koa ny aty
11. bichette ( 25/06/2004 14:11)
za mitady boky gasy mampianatra miteny gasy ranoray
12. bichette ( 25/06/2004 14:14)
hevitra tena ankafiziko tokoa izany hevitra izay, maro amintsika malagasy indrindra fa izay teraka taty aoriana no tsy havànana intsony amin'ny fitenenana malagasy sy mandiso lava ny fomba fanoratana malagasy, ny tenako moa dia tafiditra ao anatin'ireo andian'olona voalazako ireo. Dia mazotoa daholo.
Mety ve ilay teny gasy sa misy diso ry zareo ????? hihihi !!!!
13. hery ( 25/06/2004 15:14)
bichette> ary tsy nampoiziko ho olona miteny malagasy mirindra toa izao ianao.

havanana fa tsy havànana
rehefa ilazana olona ny "malagasy" dia atao "M" (amintsika Malagasy) fa rehefa atao matoateny dia "m" fitenenana malagasy (na teny malagasy)
14. olly ( 25/06/2004 23:56)
tairo nray zany haverina le lesona fitsipika sy tsipelina tamin'ny taranja malagasy tany am-pianarana zareo an! ihihii
za aloha dia isan'le mpanao vary amin'anana refa tena tsy hay ze hanazavana azy, sy ilay fanafohezan-teny ity , mihezaka ihany na dia izany aza :)
15. kitjo ( 26/06/2004 01:26)
peluche> satria tsy hay tsara tsy misy mahafehy azy tanteraka.
Eo koa ny fahazarana tahaka ny fomba fanoratra ato amin'ny forum....nohon' ny antony maro.

olly> averina ny soratononin'i Olly fa tsy ao mitsy e,hihihihi
le>> ilay
nray>>indray
za>>izaho
......
mihezaka>> miezaka
16. kitjo ( 27/06/2004 05:46)
tsy maninona koa ange na fitenim-paritra aza e,
izay ilay kolotsaina, samy miaro ny azy!hihihihi

laingako izany e, izay mahadiavolana ny fonao sy ny tananao rehefa manoratra!
17. mimich ( 28/06/2004 10:07)
Misaotra antsika rehetra nandray anjara sy mahatsapa tokoa ny lanja sy ny hakanton'ny teny malagasy. Tsy misy akory ny lavorary fa ny finiavana no zava-dehibe ary miezaka ny mifanitsy eny isika e!
Olly> tairo azo adika amin'ny "andao" angamba raha tsy diso aho
Izay fa tsy ze
Ilay fa tsy le
miezaka fa tsy mihezaka (ezaka ny fototeny dia tovonana mi-)
ramoul< ampianarinay anareo izay kely hainay e!
18. kally ( 28/06/2004 20:31)
Misy koa ny miezaka miteny fa diso be ny zavatra teneniny.Isan' ny fahadisoana matetika koa ohatra ny "h" mipetraka any amin'izay tsy tokony hisy azy ka manjary milaza ny hoe : hanana ny laokanay halina.
Na hoe : mazefatra be izany tôvangy izany.
19. fijo ( 28/06/2004 21:38)
ka izay no hilana ilay ezaka fa isika rehetra ireto taloha dia samy tsy nivaky loha daholo nianatra ny tenin tsika.izao vao samy tonga saina.koa dia alefaso ary ny ezaka e.
20. mimich ( 29/06/2004 11:14)
tena manimba sofina sy manimba maso kosa ramaso raha avadika toy izao avokoa ny voambolana malagasy rehatra a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1443