Lozam-pifamoivoizana

1. ds ( 22/06/2004 22:12)
Nandona fiara aho androany maraina.
Somary nalama ny làlana ary efa antomotra be vao hitako ilay fiara nitsivalana nanapaka teo anoloako ka tsy tafajanoko ny fiarako. Zara raha nisy kiaka ny fiarako (Golf 2). Ny an\'ilay voadona (Ford Fiesta) kosa voatery ariana hono satria voa be ny ilany havia rehetra. Iza no diso ? 50/50 hono. Ilay fiara voadona anefa avy nandao toeram-piantsonana ka niditra arabe (refus de priorité...). Renim-pianakaviana (25 taona) no namily ary nitondra ny zanana (1 taona) tao aoriana. Noho ny fitahian\'ny Tompo, dia naratra kely fotsiny ilay zaza (nipitiana vakina fitaratra).
Inona no atao rehefa tra-doza toa io ?
Niantso polisy no nataoko voalohany satria misy maratra. Ny polisy no manamarina ny maha ara-dalàna ny an-daniny sy ny ankilany momba ny mpamily sy ny fiara. Tsy manao fanamarinana momba ny fifandonana kosa izy raha tsy hoe tena loza be misy aina nafoy.
Rehefa vita ny fifampiraharahana tamin\'ny polisy, dia samy nisaraka aloha fa amin\'ny manaraka manao ny fanamarinana ny fifandonana, ilay zazakely koa mila nentina tany amin\'ny hopilaty aloha.
Niantso ahy ny havan\'ilay ramatoa nilaza fa 50/50 ny fahadisoanay araka ny hevitry ny mpiantoka. Tsy misy azo raisina ny anay ny fiara hoy izy ary ny anao tsy naninona ka aleo misaraka tsy misy arakaraka. Tsy mila manao fanamarinana fa avela amin\'izao hoy izy. Ny polisy moa efa nampandre fa anjaran\'ny roa tonta ny manao fanamarinana am-pirahalahiana araka izay ifanarahana. Tsy olana amiko aloha iny fa ilay zazakely no manahirana ny saiko koa nasaiko manao taratasy fanalana andraikitra izy mba tsy hisian\'ny arakaraka any aoriana any.
Eo am-piandrasana an\'izay aho izao.
Asa raha efa nanana olana toa io isika eto ?
Dia miala tsiny fa lava e.

novalian'i booboo ny 08/07/2004 20:53
2. joda ( 23/06/2004 11:40)
taiza no niseho ilay accident ary in no assurance nareo
3. alz ( 23/06/2004 11:54)
Ny fijeriko azy aloha 100% fautesn'ilay niditra arabe raha tsy hoe ny vodiny angaha no voadona.Nefa raha ny mpiantoka no nilaza ve? Ary ny mpiantoka an'i DS?
Asa raha ampy ilay taratasy fanalana andraikitra amin'ilay zaza? Ilay resaka coup de fil mety ilaina soritana ao amin'ilay taratasy fialana andraikitra koa ny votoatiny angamba.

DS > tahaky ny tantara amin'ny gazety ilay izy fa miandry ny tohiny izahay. Ilay renim-pianakaviana 25 taona ve toka-tena sa ? Dia ahoana ny tohiny?
4. ds ( 23/06/2004 16:25)
joda > Tao Frantsa no niseho ny tantara...
Crédit Mutuel (banky) no mpiantoka ny fiarako, ny ankilany AGF Paris.

alz > Miandry ny tohiny koa aho ka.
Ilay tovovavy angamba tsy manam-bady izay avy any Torikia (samy vahiny e).
Toy izao no misoratra ao anatin\'ny tatitry ny polisy:
Mr ds :-) allant vers Strasbourg, venant de Hoenheim a heurté. Dégâts avant droit.
Melle X allant vers Hoenheim, venant de accès privé a été heurtée. Dégâts avant gauche et côté gauche. Tsy resaka momba ilay zazakely naratra kely.
Araka ny hevitro, dia diso 100% ilay tovovavy. Ny fanamarinana ihany amiko no afaka milaza ny fahadisoana ka rehefa tsisy io dia samy tsy misy diso izany.
5. ramoul ( 23/06/2004 20:26)
tandremo amin' ny manaraka sao dia ny aina no very ry ds.OK!?
6. fijo ( 23/06/2004 23:10)
diso izy tsy nijery fa tandremo fa ianao koa arakaraky ny hafainganamapndehanao tamin'io no azo hitsarana ano.raha lalana kely ve no nandeha 60km/h iano tsy ho diso koa.
7. fijo ( 23/06/2004 23:11)
fa aza manahy aloha fa olona katahotra fitsarana sy polisy ireo,ary rehefa nanao io taratasy io izy dia vita izay.
8. ikaretsaka ( 24/06/2004 02:39)
jrtro koa hoe sao matahotra izy fa bedebe ny saosy alohany @ nao raha miditra fisarana izy de miala pas aloha mba ialana @ izay
9. ds ( 28/06/2004 21:20)
Fehin-tantara :

Nanao taratasy fifanarahana izahay fa samy tsy ifanarakaraka momba io lozam-pifamoivoizana io. Nohamarinana teny amin'ny lapan'ny tanàna ny sonianay. Nomeny taratasy fanamarinam-pahasalamanan'ilay zazakely koa aho. Akory ny hagagako fa kay ny mpitsabo ny zanako ihany no nanao ilay taratasy. Nantsoiko avy hatrany ilay dokotera ary nanamafy fa tsy maninona ilay zaza. Tapitra...
10. ikaretsaka ( 28/06/2004 21:43)
Vita kabary.. Nanao ahoana ny Golf?
11. fijo ( 29/06/2004 00:10)
ka ny golf tsy simba ko.
12. dd ( 03/07/2004 04:07)
Matanjaka reny golf reny ka! ... lol
13. fatsoraly ( 03/07/2004 06:49)
Hoy ny lalana:
rehefa mahadona olona dia mitoditodiha aloha, ary rehefa tsary misy olona dia tohizo ny dia!

assurance MAMA ihany ampiasaina


Fiaran'ny tovovavy sariaka ihany domina @ manaraka dia ataovy ny "raharaham-pihavanana"
14. kitjo ( 03/07/2004 06:54)
tsara-lalana an!
15. booboo ( 03/07/2004 06:56)
hihihi
16. fatsoraly ( 03/07/2004 06:57)
an! aleo ny lalana ho be lavaka ihany fa aza atao tsara zany!

manjary tsy mande ny pièce auto

ra tsy misy fotaka kou tsy maloto sy simba vetivety ny lamban'olona
17. kitjo ( 03/07/2004 07:16)
ary mi devoiler sekle fatsoraly refa asiana mibiredika ato an

tohizo iany fa sady ato @ resaka lalana tsika zao
18. fatsoraly ( 03/07/2004 18:21)
Ny lalàna koa natao hodikaina
19. booboo ( 03/07/2004 19:04)
ié !
20. fatsoraly ( 03/07/2004 19:05)
fa efa nandika angah booboo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4072