France-Madagascar

1. alz ( 16/06/2004 17:09)
Rehefa jerena ny hevitra mandeha eto amin'ny Forum dia maro ireo namana manana fankahalana moana mikasika ny frantsay.
Tsindriko manokana fa zon'ny tsirairay avy ny manana ny heviny mikasika izany (na mankahala na tsia).
Fanotaniana : Raha eny dia, inona avy ny antony tsy hitiavanareo ny frantsay?
novalian'i fijo ny 23/06/2004 22:02
2. ramoul ( 16/06/2004 20:40)
Tsia: ny frantsay rery no firenena mampiatra ny zoan' ny olom-belona ary mbola manana ny maha frantsay azy.
Ny tsy hitiavako azy ndray dia zao, vidina daholo ny zavatra rehetra izay tianao ary andoavana hetra avokoa.
Ny rivotra hiainana sisa ny zavatra tsy vidina aty ary tsy andoava-ketra.
Misaotra.
3. booboo ( 16/06/2004 20:50)
ny anà indray vô tsy mitovy fihodirana aminy dé sous estimer-na ! nisy vazà izay niresaka tamiko dé tena variana be izy oe miakanjo ohatra ny occidentaux, nahita fianarana etc. Ekeko aloha oe mety izay fôna no hitany @ boky sy ny reportages @ télé fa na izany kosa aza e !
4. fijo ( 16/06/2004 20:51)
ny ahy dia mbola misy voatahiry ato ny ratsy nataony tamin'ny madagascar.ary ny tena halako aty dia ny fiatsarambelatsihy izay hiainana isan'andro.
5. kally ( 17/06/2004 09:55)
1-Ara-pôlitika : jereo ny fihetsiny t@ grevy vao nisy vao haingana teto ireny.Ary jereo koa ny fifandraisany @ firenena "madinika "hafa ,tsy ry zareo moa no tena mpampiantrano sy mpiaro ny mpanao didy jadona rehetra io?Côte d'Ivoire,Rwanda...Haïti ..frantsay isan'ny fototry ny korontana sy ny vono olona.
Mpisolelaka,sy mpihatsara velatsihy ary tsy menatra ny hamadika,ho an'ny frantsay anie ny 06 Juin 1944 ka invasion fa tsy libération e!jereo ny isan'ny miaramila nandray anjara t@ ady lehibe faharoa ,firy fotsiny ny frantsay?Satria niray tsikombakomba t@ alemàna no betsaka.Ary hatramin'izao mba jereo ny naman'ny filoha frantsay,iza avy?
2° Ny toetrany @ ankapobeny,nifanerasera tamina vahiny maro aho fa ny frantsay no mpanambany gasy tsy misy ohatr'izany.Ny hafa miresaka aminao olona mitovy aminy ianao fa ho an'ny frantsay ambany noho izy ny fiheverany anao,ary tsy tanany ny hatezerany sy ny fialonany rehefa metimety noho izy ny gasy.Tanàna tsara i Frantsa fa saingy ny nahavoa azy dia misy frantsay monina ao.
6. unik ( 17/06/2004 11:24)
mbola misy endrika fanjanahana amin ny lafiny maro e!
7. olly ( 17/06/2004 11:34)
lafy tsarany hitako : tsara be ny système d'organisation ny ( asa , fanampiana , fahasalamana , fianarana sns )
resa-bola foana ny rehetra...
ankoatra izay dia oh hitako hoe individualisme be amin'ny ankapobeny (resaka fihavanana , nefa asa ngb izaho no efa zatra io tany amin'ny nihaviana ),na dia izany aza mahafinaritra ry zareo rehefa sendra ny olona tsotra ianao satria oh tena mba manampy ihny izy rehefa hitany izay manjo ilay olona oh (solidarité)
8. nati ( 17/06/2004 16:32)
Ny tsy itiavako frantsay tsotra be: mpiatsaravelatsihy tsy misy ohatrazy zareo,sady mihevitra ny olona mainty ho ambany foana,tsy izy rehetra kanefa fa ny ankamaroany.
9. gogota ( 18/06/2004 09:56)
Mpihatsara velatsihy be!
10. vegas ( 18/06/2004 12:13)
la frantsa ve? tsss ndé mipitsika any
11. olly ( 18/06/2004 12:19)
individualisme na fetsaram-belatsihy marina ka.
12. samoina ( 18/06/2004 12:28)
Lafiratsiny: mbola raisiny ho zanataniny isika hatr@ izao de ambaniany @ fiteny sy ny fihetsika
Lafitsarany: Raisina @ izay toe-tsainy mpiatsaravelatsihy izay izy de petahina mafy tampoka ho fay de manaja mafy sy serviable tsara avy eo !
13. booboo ( 22/06/2004 20:46)
jereo @ politique-ndry zareo any @ tany nozanahany rehetra taloha fotsiny fa mbola tena manjanaka ankolaka zareo a ! anisany tsy itiavako an-dry zareo koa izay e !
14. fijo ( 22/06/2004 23:17)
ilay fanambaniana aloha dia hita foana io.ary tsy menatra ny hanaratsy anao izy.saingy mora matahotra koa rehefa hitany fa mahavaly azy ianao.
le hoe tsara organiz aloha raha resaka asa dia diso e.
15. olly ( 23/06/2004 16:10)
fijo < zany ve? toa btsk ihany ny dispositifs fanampiana fitadiavana asa azonao aleha aty ko!
16. fijo ( 23/06/2004 22:02)
misy ny ANPE marina io,fa midira ao dia ho hitanao fa valo taona ianao ao foana.fanadalana olona fotsiny io.stat no tena izy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4542