Zo tsy hahomby

1. hery ( 28/05/2004 23:27)
Vao avy niresaka tamin'ny namako anakiray aho dia nitantara taminy ny zavatra niainako indray taona izay... nahazoako sy nanekeko an'ity Zo tsy hahomby (Right to fail) ity. Ny olona mantsy matetika mitsara ivelany fotsiny amin'ny zavatra ataonao. Mahita hoe toa mba metimety daholo ny zavatra ataonao dia anankinana zavatra be dia be dia tonga ny surmenage etc... satria tsy fantany indraindray fa mikofoka mafy ianao vao mba mahavita zavatra tsara kely fa tsy doué toy ny iheverany azy.
Arakaraky ny hanaovanao zavatra kely izany no hanomezan'ny olona zavatra lehibe anao dia lasa cercle vicieux ilay izy ary tsy hijanona intsony mihitsy.
Dia naka an'io hoe "Zo tsy hahomby" (Droit d'échouer) io aho. Tsy hoe minia tsy hahomby fa miverina amin'ny toerana tena izy, mahatsapa hoe olombelona ihany ka mety diso. Dia nandritra ny examen tamin'io fotoana io ary dia najanoko tsy nojerena mihitsy ny matière iray, mazava ho azy fa tsy nahita nosoratana tany amin'ny fanadinana ka dia nody maina... Zara raha nahaveno takonkenatra (takonkenatra raha fitafiana dia karazana string zara raha manafina ny henatra... azo raisina amin'ny dikany hoe kely loatra... fa ho an'ny termes any ampianarana dia io ilay pejy voalohany amin'ny feuille d'examen. Pejy voalohany tsy dia tena feno tsara (satria matetika misy anarana na sujet eo amin'ilay izy). Dia voatery namerina fanadinana roa volana taty aoriana. Gaga ny olona satria tsy nisy nahalala an'ilay fomba tsy nahombiazana... fa nanomboka tamin'izay fotoana izay kosa dia niverina tamin'ny fijery antonony ny olona... nahita hoe hay mba tsy mahomby ihany ilay rangaha ity.
Ny olona rehetra dia manana zo tsy hahomby... satria olombelona. Ny fahatsapana an'izany tsy fahombiazana izany no mampitombo ho amin'ny fahombiazana.
novalian'i fijo ny 31/05/2004 23:55
2. nykanto ( 29/05/2004 08:15)
Tsara ilay hevitra, fa amiko ny fampiasana io resaka "zo tsy hahomby " io tsy atao fanahy iniana fa natao hampitraka; matetika amin'ny fiainan'ny olombelona misy ny tsy fahombiazana, ary mino aho fa zara hetran'ny velona rehetra izany, ka amin'izay dia tokony hahatsiaro ary afaka ny hionona fa anisan'ny fiainana ny tsy fahombiazana, ny mitoetra ao aminy no tsy mety...miverina amin'ilay resaky Hery etsy ambony aho, amiko tsy dia tsara ilay nanao fanahy iniana tsy hahomby, fahombiazana no kendrena, fa manana "zo ny hiteny tsia" koa ianao raha toa ka be loatra ireo fangatahana tadiavina aminao!!
3. fijo ( 31/05/2004 23:55)
za koa dia manaiky io zo io,fa saingy tsy ekeko ny nampiasain'i hery azy.ny tokony hampiasaina an'io dia amin'ilay fotoana hoe efa nanao izay tratra ianao,nefa tsy nety.fa raha atao fanahiniana io tsy zo intsony izay fa finiavana tsy ahomby.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5545