Ho anay Malagasy

1. tsilan ( 27/05/2004 14:46)
Ho anay Malagasy, dia ny olona no ambony ary ny izaho sy rahavana aloha vao ny omby sy ny akoho.
Saingy Malagasy izany, ary Gasy fijery.
Ny vahiny raha tonga any Madagasikara dia tsy te-hahalala izany foto-pisainana Malagasy izany, fa ny azy no asesiny ao an-dohanao. Ka ny gidro sy ny ala no ataony loharanom-bola sy ahitsony am-pon'ny mpitondra. Hany ka toa zary verivery dia amin'ny ala maitso mavana, sy ny kotaban'ny gidro any an'ala ireto kibo noana zara raha mahita vary iray kapoaka mba arapaka.
Aza tevesina ny ala hoy ny soratra sy ny lalana aharihary amin'ny takela-drindrina. Nefa ny olona tsy manantany ivelomana ary tsy mahatakatra ny zezika ho entina mamokatra. Toa tsy tsinjovina akory ny fahantran'ny tantsaha, izay hita fa tsy misy mpiahy.
Aza amidy ny gidro sy ny sokatra hoy izy fa aleo ny sosaity sy ny kaompanianay ihany no mitondra azy mankany an-dafy, fa tsy hainareo Malagasy izany.
Farany, hitondra vola maharitra ho antsika ny fiarovana ny tontolo iainana hoy izy, ary dia nitondra vola maharitra ho azy tokoa. Ireo tantsaha nampanantenaina vahiny be dia be ho tonga hitsidika ny tanana sy hampidi-bola toa nihanahana, zary tsy tamana
Hatreo aloha ity heritreritra nandalo androany ity.
Ahoana no mba fandefasana itony amin'ny gazety eh?
novalian'i tsilan ny 02/06/2004 15:37
2. nala ( 27/05/2004 16:33)
Miombon-kevitra aminao aho Ra-tsilan

Raha tsorina ny resaka dia toa izao daholo ny projet tonga any:
Folo ireo expatrié tonga miasa any amintsika no mahazo 6000$ par mois sy ny avantage rehetra, manao vacance, masiaka fijery, fa ny projet izay natao ho an'ingahy ra-mpamboly omena voan'anana sy angady dia eo amin'ny 1$ isan'olona eo ho eo isan-taona. Sady sarotiny ery raha vao diso ny fampiasa ilay vola !!!!
Ampiako le resaka hivoaka an-gazety !
3. fijo ( 27/05/2004 21:57)
efa ela no nahamarina io voalazan'i tsilan io,saingy vahiny ka dia mangina ny mpitondra.fa nahoana re????
4. nikopol ( 28/05/2004 20:17)
Sao dia mba Darwin ary no manana ny marina : ny matanjaka ihany no tafajanona ety ambon'ny tany.

Tsilan sy fijo vahiny sa gasy?

Nala : ilay 6000 $ toa 5 975 $ hono koa....
5. ikaretsaka ( 28/05/2004 21:07)
25$ de difference.. na 25 cents az anefa tsy tonga nay @ tantsaha akory
6. fijo ( 31/05/2004 23:56)
vahiny angaha no fahitanao ahy?aty frantsa aho dia vahiny.
7. tsilan ( 01/06/2004 02:06)
Zako ra-Fijo otsan'ny hanontany an'i Nikopol hoe sao dia vahiny amin'ny tanana ary ianao ka tsy mahalala ny Ambaniandro ho Malagasy, na tsy mahay ny Tandroy ho mponin'i Madagasikara ?
Ie mitovy amin'ilay tarika avy any Fianarana izahay ka
8. nikopol ( 01/06/2004 05:57)
Ka izao ry izy roalahy : misy poste expat roa mandehandeha any Mada (io volazan'i tsilan io ny karama) ; ny iray mikarakara mitandro ny biby tsy ho lany taranaka (ho an'i tsilan) moa ny iray resaka juridique fiarovana ny zon'ny vitsy an'isa ho an'i fijo.
9. fijo ( 01/06/2004 23:31)
vitsy an'isa olona io sa biby.raha olona mantsy dia ny vahiny no vitsy an'isa any,ka aleo izy hiady irery any.
10. rfanjav ( 02/06/2004 08:39)
Fa tsy tonga d mazava ho azy v ny hoe : karakaraina ny vahiny fa ireny mampidibola haingana ho andry zareo any ambony any ! (raha tsy hiresaka afa-tsy ny pourcentage miraradraraka etsy sy eroa fotsiny aho), fa ny gasy tantsaha tsy mba afaka manome ...
11. ikaretsaka ( 02/06/2004 13:12)
izay ny toe tsaina mbola manjaka any amintsika.. mampalahelo mahamenatra
12. tsilan ( 02/06/2004 15:37)
Mafy rehefa tia hanam-be eh.
Saingy mila ahitsy io fijery io raha tsy izany dia eto foana isika atao'ny olana baolina ping pong eto foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0873